Tovolahy Mpianatra Teratany Zambiana Nahazo Sertifika Avy Amin'ny Microsoft

Niteraka buzz (laza) teo amin'ny tontolon'ny teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana (TIC) i Samkeliso Kimbinyi, tovolahy 15 taona, teratany Zambiana saingy monina ao Angletera, noho izy nanjary iray amin'ireo tanora indrindra nahazo ny Microsoft Qualified Professionals [fr] (Matihanina nahazo sertifika avy amin'ny Microsoft) tao Eoropa.

Taona fahafolo (ambaratongan-kilasy any amin'ny lisea) ao amin'ny Technical College University (UTC) [lisea teknika] ao Reading, tanàna iray vao mivoaka an'i Londra ity tanora, fantatra amin'ny anarana hoe Sam ity. Nahazo mari-pahaizana Arak'Asa avy amin'ny Microsoft izy ankehitriny ary manana ny sertifika “Microsoft Technical Associates” (MTA) amin'ny sehatra fito, ka anisan'izany ny Fototry ny Rindrambaiko, Fototry ny Fandrafetana Windows ary ny Fototry ny OS (operating system- rafi-pikirakirana).

Namorona fampiharana antsoina hoe Lite for Windows phones (Lite -hazavana- hoan'ny finday Windows) ihany koa i Kimbinyi ary nahazo fankasitrahana tamin'izany. 

Sam Kimbinyi's Twitter profile photo.

Sarin'i Sam Kimbinyi, nalaina avy amin'ny sarintava Twitter.

Afaka niresaka tamin'i Sam tamin'ny alalan'ny mailaka ny Global Voices Online ary nahazo vaovao mivantana avy aminy mikasika ny zava-bitany:

In March this year, I had the opportunity of meeting staff from Microsoft offices in Seattle, who were in the UK for one day as part of their European trip to speak to clients who are training through the Microsoft IT Academy. These were members of the Learning Experience team – Senior Director Tim Sneath, Director for Academic Programme Keith Loeber and Content Director Briana Roberts.

On May 26th 2014 I published my first App—Lite—on the Windows Phone Store. I got the idea of the app after spending long hours of looking for a fast lightweight flashlight app that did not contain ads [advertisements]. Eventually, after not finding anything, I decided to make my own. Eight Days later and with the criticism (sic) from the Reddit Window Phone Community, I reached 300 Downloads and a 5 star rating. Shortly after, the app got a spot on the “New and Rising” Section of the app store.

In future I hope to release many more apps and continue to study Computer Science at (the) university.

Tamin'ny volana Martsa teo, afaka nihaona tamin'ireo avy ao amin'ny biraon'ny Microsoft, nandalo taty Angletera nandritra ny dian'izy ireo ho aty Eoropa hiresahana amin'ireo mpanjifa miofana amin'ny alalan'ny Akademian'ny Teknolojiam-pifandraisana Microsoft, avy ao Seattle aho. Mpikambana avy ao amin'ny ekipan'ny Learning Experience (traikefan'ny fianarana) ry zareo– Ny Tale mpitantana Tim Sneath, ny Talen'ny Fandaharan'asa Akademika Kieth Loeber ary ny Talen'ny Votoaty Briana Roberts.

Tamin'ny 26 Mey 2014 aho no namoaka ny fampiharana noforoniko voalohany – Lite – tao amin'ny Windows Phone Store. Nahazo aingam-panahy tamin'ity fampiharana ity aho rehefa nandany ora maro nikaroka fampiharana fanilo (jiro) fanao am-paosy maivana sy haingana tsy ahitana dokambarotra. Rehefa tsy nahita na inona na inona dia tapa-kevitra hanamboatra ho ahy manokana. Valo andro taty aoriana sy rehefa nahazo tsikera (soso-kevitra) (sic) avy amin'ny Fikambanan'ny Mpinday Reddit an'ny Windows, nahatratra 300 ireo nitroaka ny fampiharana ary nahazo tombana Kintana 5 iray. Fotoana fohy taorian'izany, nahazo anjara toerana teo amin'ny zoron'ny “Vaovao sy Misandratra” tao amin'ny App Store ilay fampiharana.

Manantena hamoaka fampiharana marobe hatrany aho amin'ny manaraka ary hanohy hianatra informatika any amin'ny oniversite.

Nilaza izao momba an'i Kimbinyi ny gazetin'ny kolejy nisy azy :

MTA training links to what we're learning in class, but has given me a greater understanding of programming and how diverse the field is. My new knowledge was really useful when we developed an app during the Microsoft employer project; we ended up developing a much better app.

Ny fampianarana MTA dia mifandray amin'izay hianaranay ato an-tsekoly, saingy nanome ahy fahafantarana bebe kokoa momba ny fandaminam-pandaharana (programmation) sy ny fahamaroan'ity sehatra ity. Tena nilaina tokoa ny fahalalàna vaovao azoko raha namorona fampiharana izahay nandritra ny tetikasan'ny Microsoft; nahavita nanangana fampiharana tsara kokoa izahay tamin'ny farany.

Niarahaba an'i Kimbinyi tao amin'ny sioka iray ny Microsoft:

Arahabaina i Samkeliso Kimbinyi, 15 taona, mpianatra voalohany nahazo ny maripahaizana MTA eo amin'ny fandrafetana rindrambaiko.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.