Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Madagasikara : Fientanan'olon-tsotra Ho Fampahafantarana Mikasika ny Rivodoza Giovanna

Nifanome tanana ny bilaogera Malagasy ka namorona sehatra iray hanarahamaso sy handrakofana ny fizotry ny rivodoza Giovanna  izay niditra ny faritra Atsinanan'i Madagasikara tamin'ny 11 ora alina, ora ao an-toerana. Raha manam-baovao ianareo azo zaraina, azonareo atao ny manao izany amin'ny fandefasana SMS any amin'ny laharana  0326705819, na mail amin'ny cyclonegiovanna@gmail.com, na mameno  ity formulaire ity ao amin'ny vohikala, na mamoaka izany amin'ny twitter ka ampiasàna ny tenifototra  #giovanna.

Mikatona vetivety noho ny fikarakarana ny famoahan-kevitra. Mandalova aoriana kely raha hilaza hevitra