Notsipahan'ny Fitsarana Tampony tao Tunis omaly ny Didim-pitsarana hanivana ny pôrnô amin'ny aterineto. Namoaka didy tamin'ny Sampandraharaha Toniziana misahana ny Aterineto (ATI) ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany tamin'ny 26 Mey 2011 hanivana ny vohikala voasokajy ho X. Nohamafisin'ny Fitsarana Ambony izany tamin'ny 15 Aogositra 2011.
Notsikerain'ny mpamahana bolongana sy ny mpiaro ny fahalalaham-pitenenana, izay mino fa mametra ny fahafahana miteny, ka manokatra ny lalana miverina any amin'ny sivana, ny didim-pitsarana.
Noarahabain'ny mpiserasera manohana ny fahafahan'ny aterineto tanteraka ny didim-pitsarana nivoaka omaly.
Ny biraon'ny Mpanangom-baovao Tsy Voasakan-tSisintany (Reporters Sans Frontières) no voalohany nitatitra ny didim-pitsarana:
#ATI – la cour de cassation casse le jugement et renvoie le procès en appel.
Niely vetivety ny vaovao, ary niparitaka tamin'ny alalan'ny famahanam-bolongana bitika Twitter ny fihetseham-po. Indreto ny voafantina tamin'izany:
@RODE86: Ya7ya el 3adl! Ya7ya el 3adl!
@HBHassine: je suis heureuse qu on reconnaisse enfin que les Tunisiens sont adultes et responsables! #contrelinfantilisationdesTunisiens #ATI
@yassine95140: La bonne nouvelle, qu'on soit pour ou contre la décision de la cour, c qu'on a la preuve d'1 séparation réelle d pouvoirs. #ATI #TNAC #TNGOV
Ny hafa kosa mbola miahiahy sy manana fijery mailo.
@El_7oss: Ces connards de la cassation pouvaient aussi casser le jugement sans renvoyer en appel #ATI
@Selim_: bien. Mais c pas fini
@omessaoud: Le renvoi de l'affaire #ATI en appel à nouveau est un renvoi de responsabilité pas une victoire. #free404 #tunisie #censure