Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Septambra, 2019
12 Septambra 2019
Olona an-tapitrisany ao Assam avaratra atsinanan'i India atahorana ho very zom-pirenena
Manodidina ny 1,9 tapitrisa eo ireo olona mety hiharan'ny tsy fananana zom-pirenena ao amin'ny fanjakana avaratra atsinanan'i India, Assam rehefa avy nesorina tao amin'ny Rejistra Nasionalin'ny Olom-pirenena (NRC) nohavaozina.
10 Septambra 2019
LIHKG ao Hong Kong mitovy amin'i Reddit miatrika fanafihana DDoS tsy nisy toy izany avy amin'ny orinasan'aterineto shinoa

Nalefan'ny orinasa shinoa roa nankany amin'ny tranonkalan-tsenankevitra LIHKG pro-demaokraty ny zotran-tserasera avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao.
08 Septambra 2019
Hong Kong : Mihorohoro mafy ny ao amin'ny Cathay Pacific, noroahana ny lehiben'ny sendikà noho izy nanohana ny hetsipanoherana teny anaty media sosialy
"Tsy izaho irery no iharan'io. Ny sehatra iray manontolo no voadona, Hong Kong mihitsy. Rahoviana ity horohoro mafy ity no hitsahatra ?"
07 Septambra 2019
Nomen'ny mpiserasera Hong Kong anarana hoe “Dunkerque ao Hong Kong” ny fivoahan'ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny seranam-piaramanidina
Mpanao fihetsiketsehana an'arivony no nandeha fitateram-bahoaka ho any amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tao an-tanàna tamin'ny 1 septambra mba hiezaka hanakorontana ny seranam-piaramanidina. Na izany aza, nahatonga azy ireo nihitsoka tao amin'ny Nosy seranam-piaramanidina 35 kilometatra miala ny tanàna ny hetsika fanakorontanana nataon'izy ireo.
06 Septambra 2019
Manapaka ny servisim-pinday ho an'ny Rohingya i Bangladesh
Nanome baiko ny orinasam-pifandraisandavitra ao aminy ny governemanta Bangladeshita hanapaka ny fidirana finday any amin'ny toby Rohingya amin'ny lazaina ho ‘fiarovam-pirenena'.
05 Septambra 2019
Meksika: ao amin'ny fanjakan'i Tabasco, mihatra ny « Lalàna Garrote » manameloka ireo mpanao hetsipanoherana
Mety hisaziana 6 hatramin'ny 13 taona am-ponja ny fibahanana arabe na fanakanana ny asam-bahoaka.
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Miarahaba an'i jentilisa. Ity no hasiako fanamarihana manokana "Tsy maintsy mahay manoratra amin'ny teny Frantsay ianao...