(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Febroary 2011)
Anisan'ny fitantaranay manokana ny Hetsi-panoherana tany Maraoka 2011 ity lahatsoratra ity.
Miaraka amin'ny fakantsary sy ny finday avo lenta miparitaka manerana an'i Maraoka dia tsy sarotra intsony ny mamantatra ny zava-drehetra ao amin'ny firenena amin'ny alàlan'ny sary na io ny natiora mahafinaritra na ny tanàndehibeny manan-tantara. Tsy nivaona tamin'izany ny hetsi-panoherana nokarakaraina nanerana ny firenena.
Vitsy no nahazo sary tsara tarehy mihoatra ny an'i Omar El Hyani tamin'ny fihetsiketsehana ny 20 Febroary 2011 izay nahitana ny sariny nalaina avy ao Rabat navoakan'ny gazety an-tserasera The Nation ary navoaka tao amin'ny vavahadim-baovao tsy miankina Maraokana Mamfakinch (jereo ato ny tatitra feno amin'ny teny frantsay).

Sora-baventy mivaky hoe: “Eny ho an'ny fitondram-panjakan'ny lalàm-panorenana”. Mivaky hoe: “Demokrasia izao!” ny sora-baventy kely kokoa.

Sora-baventy mivaky hoe: “Tànanay ho tompon'andraikitra ireo nangala-bola sy nanitsakitsaka ny zon'olombelona “.
Anisan'ny fitantaranay manokana ny Hetsi-panoherana tany Maraoka 2011 ity lahatsoratra ity.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...