Iran: Lahatsarin'ny fihetsiketsehana sy ny fandrehetan-dabozia

(Lahatsoratra tamin'ny volana Jona 2009)

Niteraka korontana mahery vaika tsy nisy toy izany hatramin'ny Revolisiona Islamika tamin'ny taona 1979 ny fifidianana nampiadihevitra tamin'ny 12 Jona 2009 tao Iran izay namerina ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad teo amin'ny fitondrana indray. Nitaky ny hanafoanana ny fifidianana ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitarika ny mpanohitra, Mir Hussein Mousavi. Nahafaty olona miisa 10 farafahakeliny ny mpitandro filaminana tany Tehran ny Asabotsy, saingy nitohy ny hetsi-panoherana tany amin'ny tanàndehibe Iraniana samihafa.

Teheran, Alahady: Nihiaka ireto teny filamatra manaraka ireto ireo mpanao fihetsiketsehana: “Aza matahotra, aza matahotra, miaraka isika rehetra. Mialà ry mpanao didy jadona. “

Teheran, Alakamisy: Nandrehitra labozia teo akaikin'ny Oniversiten'i Teheran ny Iraniana tao anatin'ny fahatsiarovana ireo ‘martiora’ tao Teheran.

Tehran : Nihiaka hoe ‘Allaho Akbar’ (Lehibe Andriamanitra) ny Iraniana teny an-tampon-tranony ho mariky ny fanoherana ny valim-pifidianana.  Nanonona tononkalo mahafinaritra ny zazavavy iray nipetraka teo ambony tafo tany Téhéran.

https://youtube.com/watch?v=Ab7vk7Hw0bA

Isfahan : Mpanao fihetsiketsehana mifandona amin'ny mpitandro ny filaminana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.