Voalohany hatramin'ny 1981 izao no nidiran'ny Polisin'ny Puerto Rico ny “campus”-n'ny Anjerimanontolon'i Puerto Rico ary nanambara ny mpiandry trano “tonga hiantoka ny zon'ireo te-handeha hianatra izy ireo.” Izany dia nitranga ora roa monja taorian'ny fahataperan'ny fanapahana fianarana roa andro nataon'ireo mpianatra. Ankoar'izay dia voalaza koa fa tsy voafaritra ny fotoana hijanonan'ny mpitandro filaminana [es].

Ny mpitandro filaminana eo amin'ny iray amin'ireo fidirana ao amin'ny "campus" Río Piedras. Sarin'i Ricardo Alcaraz of Diálogo. Nampiasaina teo ambany fiarovana CC.*
Naneho ny heviny ny profesora sady mpitoraka blaogy Érika Fontánez Torres ao amin'ny Poder, Espacio y Ambiente [es], ùmomba ny fahatongavan'ny mpitandro filaminana ao amin'ny “campus”:
Repudiamos y protestamos enfática y totalmente, la ocupación de la Universidad de Puerto Rico por la Policía. ¿Cuánto más hará esta administración para arrebatarnos y destruir nuestra Universidad?. Basta ya.
Namoaka fampandrenesana avy amin'ny Kaomitin'ny Zon'ny mpianatra ny gazety amin'ny aterineto 80grados [es], izay miantso ireo mpianatra tsy hiditra ny “campus” raha tsy mivoaka ireo mpitandro filaminana:
Hoy, debemos negarnos a entrar al Recinto de Río Piedras, y a todos los demás Recintos del Sistema de la UPR hasta tanto se retire la Policía de Puerto Rico de sus inmediaciones. De lo contrario, habremos condonado la muerte de nuestra Política de No Confrontación y de nuestra autonomía universitaria. No esperemos la muerte de una nueva Antonia Martínez, abatida a tiros por los fuerzas del Estado para defender nuestra Institución.
Antonia Martínez dia mpianatra 21 taona maty nandritra ny korontana nifanandrinan'ny mpitandro filaminana tamin'ireo mpianatra nanao fihetsiketsehana tao Río Piedras tamin'ny 1970.
Na eo aza ireo fitakiana sy fanehoan-kevitry ny mpianatra sy mpampianatra, mbola nijanona ao amin'ny “campus” ihany ny mpitandro filaminana. Nitatitra tao amin'ny Twitter ny mpanao gazety Rafael Lenín Pérez [es]:
Reportan estudiantes que están cogiendo clases en RP que policías estatales son la orden en los pasillos cerca de salones
Ny hafa eny ivelan'ny”campus” indray naneho ahiahy momba ny fisian'ny mpitandro filaminana. Manazava i Astrid Cruzn mpampiasa Twitter ny fahatsapàny rehefa mandehandeha ao anaty “campus”:
Tiako loatra ny mandehandeha ao amin'ny “campus” miaraka amin'ny mpiambina ny fianarana + mpiambina ahy manokana + manam-pahefàna manara-maso ny fihetsiko rehetra. Mpitandro filaminam-panjakàna, iza aminareo? #LuchaUPR
Mandritra izany, mampirisika ny andaniny roa ny fiombonana mpampianatra mba hilamina, mba hahasoa ny anjerimanontolo. Namoaka ny fanambaran'izy ireo ny gazety amin'ny aterineto 80grados [es]:
La Universidad de Puerto Rico no puede ser forzada a escoger entre la intransigencia de la administración o la intransigencia de los estudiantes.
Se exhorta al Presidente y a la Junta de Síndicos que retire inmediatamente la Policía de la Universidad y a los estudiantes que pospongan indefinidamente su voto de huelga. Se exhorta, asimismo, al Presidente y a la Junta de Síndicos que se reúnan cuanto antes con los representantes del estudiantado y se inicie de inmediato un proceso de diálogo con la intención expresa de forjar acuerdos basados en el sacrificio mutuo, en la capacidad de cada cual de ceder, de escuchar al otro y de compartir responsabilidades. Lo que está en juego es nada menos que la sobrevivencia de la Universidad.
Ny mpianatry ny “campus” foibe dia nifidy tanaty fivoriana fa hanomboka fitokonana rahampitso, 14 Desambra, raha tsy foanana ny saram-pianarana manokana $800 — izay hatomboka aloha amin'ny volana Janoary. IOmaly, an'arivony no nanaodiabe [es] nanombokatany amin'ny §Antenimieran'nympanaolalàna hatrany amin'ny tranon'ny Governora any Old San Juan (ny faritra fanjanahana any amin'ny renivohitra), mba ho fanoherana ny tsy maintsyhanoavana izany saram-pianarana izany.

Fanoherana ny saram-pianarana. Sarin'i Melissa Ortega avyao amin'ny blaogy Desde Adentro. Ampiasaina eo ambany fiarovana CC.*
Ny Filohan'ny Anjerimanontolon'i Puerto Rico, José Ramón de la Torres, dia nanambara fihaonana androany miaraka amin'ireo solotenan'ny filan-kevitry ny mpianatra [es]. Mbola ho hita eo raha hangatsiaka kokoa ny loha alohan'ny fitokonana amin'ny 14 Desambra.
*Sarin'ireo mpitandro filaminana, an'i Ricardo Alcaraz ao amin'ny Diálogo ampiasaina eo ambany fiarovana CC License NC-ND 3.0.
*Sarin'ny fanoherana, an'i Melissa Ortega ao amin'ny Desde Adentro ampiasaina eo ambany fiarovana CC License NC-ND 3.0.
*Mba tsidiho ny tatitra manokan'ny Global Voices momba ny fitokonan'ny mpianatra nandritra ny enim-bolana farany teo, raha mila fanampim-baovao.