Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Novambra, 2013
SARIPIKA: Tonga Maro Ny Mpifidy Hanangana Ny Antenimieram-Panorenan'i Nepal
Taha ambony indrindra mahatratra hatramin'ny 70 isanjato no voarakitra ao Nepal nandritra ny fifidianana voalohany taorian'ny faharavan'ny fitondram-panjaka. Ho tontosan'ity antenimieram-panorenana ity ve ny fandrafetana lalampanorenana tsy vitan'ny teo aloha?
Asa Vaovao Tsy Manahirana Loatra Ho An'ilay Rosiana Minisitry Ny Fiarovana Voaroaka
Valim-pitia ho amin'ny fahanginany ao anatin'ilay raharaha ratsy mikasika kolikoly goavana ve ny fanendrena vaovao natao ny Minisitry ny Fiarovana teo aloha?
Ejipta: Tsy Ho Adino Akory i Mohamed Mahmoud
Efa tany amin'ny Novambra 2011, nirongatra tao amin'ny araben'i Mohamed Mahmoud ao afovoan'i Kairo ny fifandonana. Roa taona aty aoriana, mipongatra ny hetsi-panoherana ho fahatsiarovana izany.
Nofoanana Ny Zom-pirenen'Ireo Dominikana Mpiavy Haitiana 200.000
Nanao fihetsikesehana manohitra ny didy ireo fikambanana tsy miankina (ONG) sy mpikatroka ara-tsosialy marobe, didy izay manafoana ny maha-olompirenena ireo Dominikàna manana fiaviana Haitiana 250 000.
Hopitaly Potemkin Ao Rosia?
Natao handrebirebena olona ambony tahaka ny Praiminisitra Medvedev ve ny hôpitaly maoderina aseho amin'ny fahitalavitra?
Tsy Mahazo Mandao Trano Fonenana Anatin'ny 1.000 Andro
IMir Hossein Mousavi, Zahra Rahnavard sy Mehdi Karoubi, mpitarika ny Hetsika Maitso ao Iran, samy mbola voatàna any an-tranonyavy tsy misy fitsaràna sy fiampangàna.
Mandresy i Michelle Bachelet Saingy Mbola Hiatrika Fifanintsanana
Naneho ny tsy hafaliany tamin'ny firotsahan'i Michelle Bachelet sy ny fitantanany teo aloha ireo mpisera anaty aterineto. Taorian'ny voka-pifidianana azo omaly, marobe ireo naneho hevitra mikasika ny fahasamihafan'ny fomba fijery ety anaty tambajotra sosialy sy ny tena zava-misy iainana ao Shilia.
Mampihatra Ny “Fitànana am-ponja Tsy Misy Fitsarana” i Malezia
Nanamafy hatrany ny governemanta fa tena ilaina ny hampiharàna lalàna henjana hiadiana amin'ireo Jiolahy sy ny vondron'olona mpanao herisetra. Kanefa maro ireo mpanakiana no manahy fa hanitsakitsaka ny zon'olombelona maro io didy io.
Mpanakanto Rosiana Mamantsika Ny Vihiny Teo Amin'ny Kianja Mena
Artista Rosiana iray mahamenatra no namantsika ny vihiny teo amin'ny rarivato ivelan'ny fasan'i Lénin tao amin'ny Kianja Mena. Ahoana ny fihetsiky ny Rosiana ?
Shina: Andraikitra Anatiny Sy Ivelany Ho An'ny Kaomity Nasionaly Vaovao Ho An'ny Fandriampahalemana?
Nambaran'ny Antoko Kaominista Shinoa nandritra ny famaranany ny fivoriambe faha-18n'ny Kaomity Foibe natao tamin'ny 12 Novambra 2012 ny fametrahana manampahefana ambony iray vaovao - Kaomitim-Panjakana Momba Ny Filaminana (NSC)