Mpanakanto Rosiana Mamantsika Ny Vihiny Teo Amin'ny Kianja Mena

Petr Pavlensky, nude and nailed to Red Square, 10 November 2013, YouTube screen capture.

Petr Pavlensky, niboridana sady nifantsika eo amin'ny Kianja Mena ny 10 Novambra 2013, dika sary avy amin'ny  YouTube.

Iray amin'ireo Rosiana mpanakanto fanta-daza ary tena mahabe resaka amin'ny fomba fanehoany hevitra no sady mafana fo amin'ny lafiny politika i Petr Pavlensky. Rehefa mitantara ireo karazana fampirantiana ataony dia matetika ilaina ny mampiasa ny teny hoe  “ara-bakiteny” mba hanindriana fa inian'ity lehilahy ity atao ny mandratra tena ara-bakiteny ho an'ny kanto ataony. Hatramin'ny roa andro lasa izay, ny asa malaza nataony dia ny fanjairana ny molony hikatona tamin'ny kofehy tamin'ny Jolay 2012 (ho fanehoany ny fanoherany ny fanenjehana ny Pussy Riot ho nanao heloka bevava), sy ny fifonosany niboridana tao anatinà fefy tariby mandratra na barbelé teo ivelan'ny trano fivorian'ny antenimieran'ny tanàna tao Saint Petersburg ( ho fanoherana ny hevitr'ireo mpanao lalàna mpifikitra amin'ny nentim-paharazana) ny volana May 2013 . Ny 10 Novambra 2013, dia nampian'i Pavlensky zava-dehibe fanintelony ny tantaram-piainany : nipetraka niboridana teo amin'ny làlam-be voarary vato  manoloana ny fasan'i Lénine eo amin'ny Kianja Mena izy ary nofantsihany teo ny fonom-bihiny, mba hiraiketany amin'ny rarivaton'ny làlana.

Nazavain'i Pavlensky tao amin'ny fanambarana iray fa marika io hanehoana ny ” fihetsehan'ny fiaraha-monina Rosiana sy ny tsy firaharahiana ara-politika ary ny fanekena fahatany ny tsy fetezan-javatra.” Nampifangaroin'ny mpitoraka bilaogy Rosiana ny haja sy ny eso ho fanehoan'izy ireo ny heviny.

Ny politikan'ny kanto

Pavlensky's July 2012 protest against the persecution of Pussy Riot, 23 July 2012, St. Petersburg, Russia, YouTube capture.

 Pavlensky nanohitra ny fanenjehana ny Pussy Riot, ny 23 Jolay 2012,  23 July 2012, St. Petersburg, Rosia, dika sary tamin'ny YouTube .

Aleksandr Morozov, mpanao gazety izay manoratra matetika momba ny olana ara-pivavahana any Rosia dia nanasongadina ao amin'ny Facebook fa zavatra notsoahana avy tamin'ny taona 1970 fony faha-Sovietika ny fihetsika ataon'i Pavlensky, tamin'ny tsy namelan'ny “fanenjehan'ny fanjakana tanteraka” ny vahoaka mba hanana “vintana ho heno”. Inoan'i Morozov fa ohatry ny “kanto nentim-paharazana”  ampifanoheriny amin'ny “kanton'ny mpandàla ankavia” lazainy fa miroborobo “mampiasa saina” loatra, eo ambanin'ny alok'i Michel Foucault, Chantal Mouffe, ary Slavoj Žižek io hetsika eo amin'ny Kianja Mena io : 

Их мессидж направлен к выявлению “репрессивного в самих себе”, поэтому их искусство пытается светить фонариком в специализированные “зоны насилия” (феминизм, экология, защита наркоманов, мигрантов и проч…). А жест Павленского – это простой, как бы “классический” политический жест: “вы хотите нас всех держать за яйца? да вот, пожалуйста, мы сами приколотимся мошной к символам вашей безграничной власти”.

Ny hafatra entin'ireo mpandàla ny ankavia dia mivantana any amin'ny fampisehoana “ny faneriterena ataontsika amin'ny tenantsika ihany”, noho izany ny kanton'izy ireo dia manandrana mitondra hazavana ao anatin'reo ” faritra etin'ny herisetra” ( ny fiarovana ny vehivavy, ny ekolojia, ny fiarovana ny mpidoroka zava-mahadomelina, ny mpifindra monina sns…). Kanefa dia fihetsika politika tsotra “fanao” io fihetsik'i Pavlensky io :” Tianareo ho tazonina amin'ny baolina kelinay ve izahay ? Eny ary, meteza ary ho vahininay, izahay mihitsy ny hamantsika ny tranom-bihinay ho mariky ny fahefanareo tsy misy fetra.”

Ho fampiakoana ny fanehoankevitr'i Morozov dia ampitahain'ny Twitter-n'ny vondrona mafana fo “Voina” ireo fihetsik'i Pavlensky sy ny kanto politika tamin'ny taona 1960 :

Fanatanterahana ny fihetsika tany Vienne tamin'ny fiandohan'ny taona 1960 niaraka taminà rà sy fangirifiriana  ny fihetsik'i Pavlensky, ilay mpanakanton'ny [hetsika], ary tonga tany amin'ny fiaraha-monina any Rosia tamin'ny 2010.

Pavlensky's barbed wire protest, 2 May 2013, St. Petersburg, Russia, YouTube capture.

Ny fandavan'i Pavlensky nasehony tamin'ny alàlan'ny fifonosany tao anaty barbelé ny 2 May 2013,  St. Petersburg, Rosia, dika sary avy amin'ny YouTube .

Tsy ny olon-drehetra no manaiky hoe fiverenana amin'ny ady amin'ireo mpankasitraka ny nenti-paharazana manohitra ny tsy refesi-mandidy io fihetsik'i Pavlensky io. I Vsevolod Chernozub, mpikambana fahiny tao amin'ny Solidarnost, antoko mpanohitra Rosiana, dia nanoratra tao amin'ny Facebook fa sady ” tsy mpiandany amin'ny ankavanana, no tsy ankavia, no tsy avy aiza, no tsy toka-miavaka” ny fihetsik'i Pavlensky. Fa naleon'i Chernozub nanamafy hoe maneho fihemorana mitaha amin'ntpolitika tena misy ny famantsihany ny fonom-bihiny :

Образ Павленского очень прост: это интеллигент-художник-одиночка, прибивший яйца к брусчатке и отказавшийся от политической борьбы. Жалостливо укрытый ментом. Радикальный политактивист брусчатку выковыривает и пробивает ею дорогу своим идеям.

Tsotra ny andraikitra lalaovin'i Pavlensky: mpanakanto manan-tsaina manirery izay mamantsika ny fonom-bihiny amin'ny arabe rarivato, leo ny ady politika. [Lehilahy] arovanà mpitandro filaminana maha-te ho tia. Mafàna fo iray ara-politika mandavaka  rarivato ary mampisa izany ho fomba hanazavàny ny heviny.

Ireo mpanoratra amin'ny aterineto sasany dia maika ery ny hampifandray an'ilay hetsika teny amin'ny Kianja Mena aminà tranga politika hafa. Ilay Rosiana mpamokatra hira, Alexander Cheparukhin, dia nahatsikaritra fa averin'i Pavlensky indray ilay resaka nalaza ” bandy henjana”‘ tamin'ny fombafomba henjan'ny “siloviki” Rosiana : toetra raiki-tampisaka amin'ny fanantonana, ny famandrihana ary famantsihana ny fahavalo “amin'ny baolina keliny (vihiny).” 

Ampitahain'i  [ru] Maria Gaidar ny fihetsik'i Pavlensky sy ny fonon'ilay hira malazan'ny lohataona an'ny “Daft Punk” – tarika Polisy Rosiana Mpihira, “Get Lucky” amin'ny fahitàna fa mety hamantsika ny fonom-bihiny amin'ny tany ao amin'ny Kianja Mena iry voalohany, saingy ny ankamaroan'ireo Rosiana an-tapitrisa kosa dia nifantsika tamin'ny fandaharana fialam-boly tsy misy dikany tao amin'ny fahitalavitra toy ny fonon'ny  “Get Lucky”.

Sangy sy ahiahy

Raha heverina fa nanao herisetra tamin'ny maha-lehilahy azy i Pavlensky dia tokony tsy hahagaga raha maro amin'ny tontolon'ny bilaogy Rosiana no namaly izany taminà hatsikana. I Sergey Mezentsev, ohatra, dia nahazo famerenana bitsika 200 miaraka amin'ity hanihany miresaka fanalana vihy ity :

Efa-taona lasa izay, nasiako fantsika ny fonom-bihiko. Saingy tao amin'ny boky firaketana ny fanambadiana tao an-tanànan'i Kirov no nataoko izany.

Nisy mpitoraka bilaogy iray tsy nitonona anarana nandefa fichier GIF iray be mpahalala, izay mampiranty an'i Pavlensky mandady manavatsava ny rarivaton'ny Kianja Mena, mitarika ny vihiny avy aoriany, mandra-pihanton'ilay baolina kely ao aoriana, mandra-piaton'ny hodinytsy ho afaka hirirotra lavidavitra intsony.  Amim-pahamendrehana, ao amin'ny Facebook, esoin'i Maria Baronova, endrika be mpahalala eo anivon'ny fanoherana, ny hetsika ataon'i Pavlensky amin'ny fampiharana amin'ny fihetsiny ny teny fanevan'ilay fanentanana momba ny gadra politika Rosiana (” Andro iray- anarana iray”), amin'ny fanoratana hoe ” Andro iray -anarana iray : kitaponà baolina kely.”

Araka ny tatitra nataon'ilay mpanoratra  Dmitri Olshansky [ru] sy ilay mpanao gazety Ivan Davydov [ru], dia nasongadin'i Baranova ihany koa fa tsy nolavahan'i Pavlensky ny fonom-bihiny tamin'izy nipetraka teo amin'ny vato teo ivelan'ny fasan'i Lénin. Ny sasany kosa nilaza fa tsy nisy rà hita tamin'ny hoditr'i Pavlensky, teo amin'ny nidiran'ilay fantsika, ary tsy nampiseho endrika mangirifiry akory izy, rehefa nesorina teo amin'ilay rarivato ary nentin'ny mpitandro filaminana. Araka ny lazain'i Baronova dia efa nolavahan'i Pavlensky am-bolana maro ny fonom-bihiny, ary nampidiriny moramora teo amin'ilay nofo voalavaka ilay fantsika raha vantany vao tafapetraka teo amin'ny Kianja Mena izay ny 10 Novambra.

Tsy mbola fantatra mazava raha toa ka hampangina ny fanohanan'ny vahoaka ny haikanto politikany ny fiomanan'i Pavlensky tamin'ny fonom-bihiny. Fa nandritra izany fotoana izany, nolavin'ny  fitsarana tany Mosko ny fanenjehan'ny mpitandro filaminana azy ho nanao toetran-jiolahimboto, tamin'ny filazana fa nisy hadisoana ny fomba nataon'ireo mpitandro filaminana nisambotra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.