Miaraka aminy'ny taha 46.7% amin'ny isam-bato, ny filoha Shiliana teo aloha Michelle Bachelet no nandresy mazava tamin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tao Shilia. Kanefa, tsy maintsy hiatrika ny fifidianana fifanintsanana farany amin'i Evelyn Matthei, ilay mpirotsaka avy amin'ny mpandàla ny nentin-drazana izay tonga teo amin'ny toerana faharoa tamin'ny isam-bato 25% ity Tale Mpanatanteraka teo anivon'ny UN Women ity.
Tsy zava-nahagaga ny nandresen'i Bachelet, satria ireo vinavina sasany aza efa nanambara fa mety handresy amin'ny ampahan'isa antsasa-manila amin'ny vatom-pifidianan'ny fihodinana voalohany izy.
Saingy any anaty tambajotra sosialy dia naneho ny tsy hafaliany tamin'ny firotsahan'i Bachelet sy ireo mpiara-miasa taminy teo aloha nandritra ny fampielezankevitra ireo mpampiasa. Taorian'ny vokatra azo omaly, maro ireo naneho hevitra mikasika ny fahasamihafàna teo amin'ny fomba fijery ety anaty tambajotra sy ny zava-misy iainana ao Shilia :
Dato para las marcas: Después de los resultados de la elecciones ya sabe que las redes sociales no pesan NADA.
— Javier Ignacio (@Javierdoe) November 18, 2013
Tetika iray ho anà marika: Taorian'ireny voka-pifidianana ireny dia fantatrareo tsara fa TSY misy lanjany ny tambajotra sosialy.
#SiVotastePorBachelet me alegra saber que las redes sociales no representan la realidad. Somos 1 grupo de privilegiados con smartphone
— Daniela (@DanielaPazP) November 18, 2013
[ Raha toa nifidy an'i Bachelet ianao ] Faly aho mahafantatra fa tsy mahasolo ny tena zava-misy iainana nytambajotra sosialy. Vondron'olona vitsivitsy niangaran'ny vintana isika ka manana smartphone.
#SiVotastePorBachelet probablemente no tienes twitter
— Humberto Mansilla (@peltoman) November 18, 2013
[Raha toa nifidy an'i Bachelet ianao] mety tsy manana Twitter ianao.
Me gustaría saber cuantos de los que estan usando el #SiVotastePorBachelet fueron a votar…….. El pais no se cambia en Redes sociales!!!
— Diego Quiroga (@DiegoBatero) November 18, 2013
Mba tiako ho fantatra hoe firy tamin'ireo nampiasa ny tenifototra #SiVotastePorBachelet no mba nandeha nandatsa-bato….Tsy afaka hanova firenena avy aty anaty tambajotra sosialy ianao!!.
Nanjary lohahevitra noresahana be tao Shilia ny tenifototra #SiVotastePorBachelet [Raha toa nifidy an'i Bachelet ianao] nandritry ny androm-pifidianana, ary mbola tahaka izany androany koa, andro iray nanaraka ny fifidianana.
#SiVotastePorBachelet después no te quejes de las marchas estudiantiles.
— Bastian Mella (@don_bestian) November 17, 2013
[Raha toa nifidy an'i Bachelet ianao] aza mitaraina mikasika ny diabe fitakian'ny mpianatra.
#SiVotastePorBachelet -Empieza a despedirte de tu Pyme -menos sustentabilidad -dale la bienvenida a Monsanto -más termoeléctricas Sigo??
— Claudio Consales (@clAUDIoXC) November 18, 2013
[Raha toa nifidy an'i Bachelet ianao]
-Atombohy dieny izao ny fanaovam-beloma ny Pyme kelinao (fandraharahana madinika sy salantsalany)
-Tsy misy zavatra maharitra
-Arahabao i Monsanto
-ho be kokoa ny vondrom-pihary herinaratra ampiasana angovo nokleary
Tokony mbola hotohizako ve?
Mandritra izany, Jeaneth Alexandra manipika ny hoe :
Cada vez es más fuerte la presencia de las mujeres. Dos candidatas, #Bachelet y #Matthei a la segunda vuelta para la presidencia de #Chile.
— Jeaneth Alexandra (@jeanethburbano) November 18, 2013
Manomboka mihamafy ny fandraisan'andraikitry ny vehivavy. Mpirotsaka roa [vehivavy] , Bachelet sy Matthei, amin'ny fifanintsanana ho filoham-pirenen'i Shilia.
Samy miarahaba ny mpirotsaka hofidiana tohanany ireo mpanohana an'i Bachelet sy Matthei :
Felicitaciones a la próxima presidenta de mi país … Una mujer llena de convicciones, estoy contigo @ComandoMichelle !!!
— Constanza Zurita V. (@czvaldebenito_) November 18, 2013
Arahaba no atolotra ho an'ilay ho filohan'ny fireneko atsy aoriana atsy…vehivavy iray feno fahavononana. Miaraka aminao aho [ry Michelle Bachelet]
Vamos por esa 2da vuelta el 15 de dic, por un gobierno lleno de cambios @VotoEvelyn2014 #EvelynUn7ParaChile #EvelynMatthei
Hizotra ho amin'ny fifidianana fifanintsanana isika ny 15 Desambra, hisian'ny governemanta feno fanovàna
Farany, anatinà fomba fijery mampihavana no anoratan'i Julio Arriagada hoe :
Excelente x los chilenos q votaron.Ahora se debe motivar a los q no les importó no votar . Felicidades a Bachelet y Matthei . Viva Chile!
— Julio Arriagada (@Julioarriagad) November 17, 2013
Tsara loatra ho an'ireo Shiliana nandeha nifidy. Ankehitriny isika dia tsy maintsy manetsiketsika ireo izay tsy niraharaha akory ny fandatsaha-bato. Arahabaina ry Bachelet sy Matthei. Ho ela velona i Shilia!