Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Novambra, 2013
COP19: Mifady Hanina Ho Amin'ny Toetr'Andro
Namaly ny fitokonana tsy hihinan-kanina nataon'i Saño ho fanerena hisian'ny fandrosoan'ny dinika momba ny toetr'andro ao amin'ny Firenena Mikambana ny mpikirakira ny Bilaogy sy Twitter.
GV Face: Mibodo ny Hoavin'i Bolgaria Ny Mpianatra
Amin'ny GV Face amin'ity Zoma ity, hiresaka momba ny hoavin'ny fihetsiketsehan'ny mpianatra miaraka amin'ireo mpanoratra avy ao Bolgarie Rayna St (@MaliciaRogue), Nevena Borisova sy Ruslan Trad (@ruslantrad), ary i Danica Radisic (@NikiBGD) isika.
Shina : Atsaharo Ny Fiantsoana Ireo Miozolomana Uyghur Ho Mpampihorohoro
Miha-mikambana hatrany amin'ny teny "mpampihorohoro" ny foko Miozolomana Uyghur ao Shina. Namadika ny heloka famonoan'olona ataon'ny olo-tokana ho heloka iombonan'ireo foko vitsy an'isa izany ary niteraka fametahana marika an'ireo foko ho mpampihorohoro ahiahiana
Ny Tambajotra Sosialy Eo Anatrehan'ny Fifidianana Tao Tadjikistan : “Dingana Lehibe ” Ve Sa “Tabataba” Fotsiny Ihany ?
Nahitàna resabe manodidina ny fifidianana filoham-pirenena tao amin'ny tambajotra sosialy tao Tajikistan. Nisy ihany anefa fiombonan-kevitra tamin'ny hoe, mety hitondra fiovàna ve iny resabe iny .
Sangy Ratsy Twitter Taorian'ny Vaky Bantsilana Momba Ny Fitsikilovan'i Aostralia Ny Filoha Indoneziana
Kendan'ny vomanga nasesiky ny tànany ilay mpanao tetikady politika taorian'ny nampiasàny ny Twitter hanehoana hevitra mikasika ny disadisa eo amin'i Aostralia sy Indonezia taorian'ny vaky bantsilana momba ny resaka fitsikilovana.
Taorian'ny Loza Voajanahary Haiyan, Mitaky Fanampiana Sy Rariny Ho An'ireo Niharan'ny Fiovàn'ny Toetrandro i Filipina
Raha mbola mitohy mangataka fanampiana noho ny fiantraikan'ilay rivodoza mahery vaika Haiyan i Filipina,maro koa ireo Filipinos no nangataka ireo mpitondra erantany mba hiatrka ny fiovaovan'ny toetrandro
Tafatafa Tamin'ilay Gadra Saodiana Niteraka Adihevitra Momba Ny Fanagadrana Tondro Molotra
Niha-nafàna ny adihevitra momba ny olana amin'ny fanagadrana tsy amin'ny antony taorian'ny fandaharana resadresaka notontosain'ny fahitalavitra Saodiana malaza MBC niarahana tamin'i Walid al- Sunani. Fantaro ny antony
Nanao Veloma An'ilay Masoivoho Amerikana Gary Locke Ny Mpiserasera Shinoa
Inona ny antony mahatonga ny fialan'i Gary Locke, ambasadaoro Amerikana ao Shina? Manontany tena ny mpiserasera Shinoa.
Mifarana Ny “Ady Anaty Twitter ” Ho Amin'ny Fitondrana Ao Ozbekistana
Naaton'ilay zanakavavy mahafatifatin'ny filoha Ozbeka ny kaontiny Twitter izay fampiàsany namosahany ireo ady fitondrana ao Ozbekistana sy ny lamba maloton'ny fianakavian'ny filoha.
Ho Avy Ny Fihodinana Faharoan'ny Fifidianana Nandrasana Hatry ny Ela Teto Madagasikara
Jean-Louis Robinson nahazo ny 21,1 isanjaton'ny safidy, ary i Hery Rajaonarimampianina nahazo ny tokotokony ho 15,9 isan-jato. Efa nomanina ho amin'ny 20 desambra ny fihodinana faharoa, saingy maro ny fanontaniana mbola mitoetra.