Shina: Andraikitra Anatiny Sy Ivelany Ho An'ny Kaomity Nasionaly Vaovao Ho An'ny Fandriampahalemana?

Lam Shiubun uploaded a political cartoon to inmediahk.net. Beneath the big rock of "national security" is a dead body and on top is the flag of Chinese Communist Party.

Nampakatra kisary miresaka politika ao amin'ny inmediahk.net i Lam Shiubun. Eo ambany alok'ilay vatoben'ny “filaminam-pirenena” ny fatin'olona iray ary ery an-tampony ny sainan'ny Antoko Kaominista Shinoa

Nambaran'ny Antoko Kaominista Shinoa nandritra ny famaranany ny fivoriambe faha-18n'ny Kaomity Foibe natao tamin'ny 12 Novambra 2012 ny fametrahana manampahefana ambony iray vaovao – Kaomitim-Panjakana Momba Ny Filaminana (NSC). Ireo andinindininy tahaka ny hoe ho rantsan'ny governemanta ve sa ho fahefana eo ambany fiahian'ny Antoko Kaominista izy io, ary ny hoe iza avy no ho mpikambana ao anatiny, dia tsy mbola nisy nampahafantarina, saingy mino ireo manampahaizana manokana momba an'i Shina fa hanamafy ny fahefan'i Xi Jinping, mpitondra ao Shina ilay kaomity, ao anatin'ny antoko.

Mikasika ilay sampan-draharaha politika vaovao, mitandritandrina ihany ireo fanehoankevitr'ireo Shinoa mpisera anaty aterineto tany am-piandohana. Ny sasany manahy fa toa sahala amin'ny National Security Agency (NSA) any Etazonia ilay izy, mikendry kokoa ny fanaharamaso anatiny ny NSC ao Shina raha ampitahaina amin'ny any ivelany. Etsy ankilany, mino ireo mpisera anaty aterineto manana fironana nasionalista kokoa fa rafitra ilaina ilay fahefana ara-politika vaovao io mba hisian'ny firenena matanjaka.

Lu Qiyuan ao amin'ny Sina Weibo dia tahakahakan'ny misolo tena ny fomba fijery nasionalista ihany :

整体情况是令人振奋的。左翼至少阻止了形势进一步恶化。国安会的建立,对遏制公开卖国有重要意义 […]

Mahaliana ny zava-mitranga. Naaton'ny Ankavia [mpiandany amin'ny kaominista] ny fironana mankany amin'ny fahalovàna. Ny fitondrantena mamadika tanindrazana ihany no hofaizin'ny fametrahana ny NSC amin'ny fomba mibaribary […]

Not-movie-actor JohnnyDeppmino fa natao indrindra ho an'ny fanarahamaso sy fifehezana ny filaminana anatiny ny NSC :

嘿嘿,国家成立国安会,国家第五大机构,在我看来,国外的国安会都是对外的,估计只有我国的国安会是对内的,因为现在最大矛盾不是外面,而是来自内部的矛盾,这部门最大作用就是维稳了。

Hehe, apetraky ny Fanjakana ny NSC ary ataony ho isan'ireo dimy tena manana fahefana. Ny ankamaroan'ireo mpitandro filaminana eto amin'ny firenena misahana ny ivelany no ho an'ny filaminana ivelany, fa ny NSC eto amintsika no iray tsy fahita firy mikendry ny filaminana anatiny. Ny antony dia tsy miainga avy any ivelany mihitsy ny fifandirana eto amintsika, fa avy ato anatiny. Araka izany, ny tena asa fototra ho azy dia ny fifehezana ny fahamarinan-toerana.

Misy ve rafitra fanarahamaso izay afaka haneritery hifehy ny fahefan'ny NSC ho avy eo? Maro no manahy ny amin'ny hiasan'ilay kaomity ho toy ny tsimatimanota ambonin'ny lalàna. “Songta Luxi” manipika fa raha tsy misy fifehezana araka ny Lalàm-panorenana, hiasa ho toy ny hery mpanohana hanome vàhana ny fanaovana jadona ny NSC :

只有宪政国家才配有“国安会”,极权国家只有“党安会”。从此军警特界线模糊,负责维稳的暴力变形金刚合体了。

Ireo firenena mijoro araka ny Lalàm-panorenana ihany no mendrika hanana “NSC”. Fa ho an'ireo fanjakana tsy refesi-mandidy, “Kaomitin'ny Fandriampahalenan'ny Antoko” ihany no azy. Hanjavozavo ny tsipika mampisaraka ny tafika, polisy ary ny sampam-pitsikilovana ary ho lasa milina mpamadika ny fanarahamaso ny fahamarinan-toerana.

Watching wind and rain with teamanipika fa tokony hofehezin'ny lalàna ny NSC :

【有矛就有盾】设立了国安会,就应有制衡他的机构。国安会在对公民实施监视监听等行为时,有没有法律依据,应向哪个机构取得授权?

[tokony hiaraka ny lefona sy ny ampinga] Vantany vao tafapetraka ny NSC, tokony hisy andrim-panjakana hafa koa napetraka hitsirika sy ho tsindrin'entana. Ohatra, rehefa tsy maintsy hanara-maso ny fifandraisan'ny olona ny NSC, dia tokony hisy fototra araka ny lalàna izany ary misy manampahefana hafa manome fankatoavana.

Squeeze him” dia nanahy hoe ho lasa zavatra toy ny “Vondron'olona Mpitarika ho amin'ny Revolisiona ara-Kolontsaina” eo ambany fiadidian'ny Kaomity Foiben'ny CPC ny NSC :

政治局与常委平时开会不讨论国家安全与改革问题吗?国安会与改导组的地位是否像中央文革领导小组那样,凌驾于宪法、人大、国务院、党中央之上?

Ny Birao Politika sy ny komity mpitantana azy koa dia mifanakalo hevitra mikasika ilay olana mifandray amin'ny filaminam-pirenena sy ny fanovàna.  Moa ve ny toerana misy ny NSC sy ny kaomity mpitantana ny fanovàna ka hivadika ho zavatra tahaka ny hoe “Vondron'olona Mpitarika ho amin'ny Revolisiona ara-Kolontsaina” [ilay tarika nofehezin'ny Gang of Four ary namadika ny Revolisiona Ara-kolontsaina ho fanakipilizana ireo lazaina fa mpanohintohina avy tao anatin'ny antoko]  hànana fahefana hiasa ivelan'ny lalàm-panorenana, sy ny fanarahamaso ireo Solotenam-bahoaka, ny Filankevi-panjakana ary hatramin'ny Kaomity Foiben'ny Antoko?

Fanontaniana iray tena manan-danja no atsangan'i Harley-Jun :

一个三中全会,就几个人竟然决定成立国安会,经过民众讨论了吗?民众支持率如何?国家第五大机构成立竟然不进行全民讨论?

Noforonina nandritra ny fivorian'Antoko iray ny NSC, tsy nakàna ny hevitry ny vahoaka. Firy amin'ny vahoaka Shinoa no hanohana endri-javatra tahaka izany ? Ahoana no hisy fametrahana manampahefana ambony tahaka izany ka tsy hakàna ny hevitry ny vahoaka ?

Tao amin'ny Twitter, tsara petraka ny fanakianana ny NSC. Asongadin'i  JiaJia, mpanao gazety, ny fandraisan'ny tsena fanakalozam-bola vahiny ny nametrahana io NSC io.

Nohon'ny NSC, nanao dingan-dàva ny vidin'ny fampiasàm-bola  amin'ireo orinasa mamokatra teknolojiam-pitsikilovana sy fanarahamaso. Tsy misy zavatra hohazavaina eo. Jereo ny tsena anatiny ahitàna vahoaka maherin'ny iray lavitrisa.

@CensoredWeibo, kaonty Twitter tantanin'ny FreeWeibo.com izay tetikasa iray hanangonana ireo sehatra fanaovana bilaogy madinika nefa voasakana ao Shina, dia namerina nampakatra ny fanehoankevitra iray efa voafafa tao amin'ny Weibo mikasika ny NSC :

Ny raharaha Bo Xilai no nitondra tamin'ny fahaterahan'ny NSC. Tsy vitan'i Jiang Zheming ny nanatanteraka ny tetika. Nefa i Xi ankehitriny no miezaka manosika mafy azy ity. Sarotra ny haminavina ny fiantraikany ao Shina. Kanefa, raha tsaraina avy amin'ny tantara tao anatin'ny 200 taona lasa, mahazatra an'i Shina ny ratsy safidy ao anatin'ny vanim-potoana miavaky ny tantarany.

Mamelabelatra misimisy kokoa momba ny fiovàna eo amin'ny fifandrindràm-pahefana taorian'ny fotoam-pivoriana itambarambe fahatelo i @CaoniBird :

Amin'ny resaka fitsinjaràm-pahefana, mitohy miresaka momba ny fanomezana fahefana sy fizakàn-tena bebe kokoa an'ireo manampahefana ao amin'ny governemanta ny Fivoriana Itambarambe Fahatelo. Kanefa amin'ny endrika lehibe telo, dia maneritery ny fanarahamason'ny fitondràna io : 1. fanamafisana ny fitantanan'antoko ; 2. fanatsofohana manampahefana roa mifangongo ao amin'ny foibe — NSC sy ny kaomitin'ny fanavaozana; 3. fanoherana ny kolikoly sy fanatsaràna ny vokatra eo amin'ny asa. Raha akisaka dia : fampivoarana ny toekarena mivangongo amin'ny toerana iray, fanamafisana ny tanjaky ny “fanjakana”, faneriterena ny fahefan'ireo mpitàna birao ao amin'ny governemanta, fanafoanana ny zon'olombelona sy fampivangongoam-pahefana!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.