Mitohy voatàna ao an-tranony ireo telo mpitarika sy endrika fantatry ny rehetra amin'ny fanaovana hetsi-panoherana izay nahasarika olona an-tapitrisa hidina an-dalambe tany Iran; tsy fahazoana mivoaka ny tranony efa maherin'ny andro 1.000. Ny 12 Novambra 2013 Mir Hossein Mousavi, ny vadiny, Zahra Rahnavard sy Mehdi Karoubi no nanamarika ny andro faha 1.000 nanokana-monina azy ireo tsy nisy fitsaràna na fiampangàna ofisialy.
.
Taorian'ilay fifidianana izay ho filoham-pirenena ary notoherin'ny maro tamin'ny 2009 no nipongatra ny hetsika maitso izay nahavoafidy indray ny filoha Mahmoud Ahmadinejad. Marobe ny bilaogera, ny tranokalam-baovao, ary ireo tranonkala mpikatroka mafàna fo tahaka ny Rahesabz (jereo ny sary) no nahatsiaro ireo telo mpitarika ireo nandritra ny herinandron'ilay andro faha-1.000.
Tsy Fitsaràna, Tsy Rivotra Madio
Anaty hafatra anaty lahatsary iray, miteny i Fatemeh Karoubi vadin'i Mehdi Karoubi hoe manana olana ara-pahasalamana ny vadiny, izay vao mainka niha-sarotra noho io fitànana azy tsy hahazo hivoaka ny trano io [tazonina anaty tranobe iray mihataka amin'ny tena tranony izy] ary tsy omena rivotra madio [tahàka ny hoe mihidy daholo angaha ny varavarankely rehetra]. Notsindriany fa tsy mbola nisy fitsarana hatramin'izao.
http://www.youtube.com/watch?v=n9sH0iZ3GIQ#t=22
“Nt Fanantenana, ilay zavatra maty farany indrindra”
ُMaryam Ghasemi mibitsika hoe :
اگر از یک تا هزار بشمریم حوصله سر میرود و اگر #هزارروز را خط بکشیم دیوارهای یک خانه کم می آورد… #حصر
— Maryam Ghassemi (@Maryaam_GH) November 13, 2013
ho leo isika raha hanisa hatramin'ny 1.000. Tsy hisy toerana intsony afaka 1.000 andro raha hanipika kely eo amin'ny rindrina foana isika isanandro izao.
Mampahatsiahy antsika ny “lesona iray nentin'ny tantara” Ali Nemati Shahab amin'ny fanamarihany ity andro faha-1.000 ity amin'ny fibitsihana hoe:
دوبچک 20 سال انتظار کشید تا بهار پراگ زنده شد. میگفت: امید آخرین چیزی است که میمیرد … #بشمر1000 برای پایان #حصر http://t.co/olrGzrycVg
— Ali Nemati Shahab (@gozareha) November 8, 2013
niandry 20 taona i [Alexander] Dubček [ilay mpitarika ny mpitaky fanovàna any Czechoslovakia] mba hiainana indray ny lohataonan'i Prague, nanam-pahazarana niteny izy hoe “Ny fanantenana no zavatra maty farany indrindra.”
Arash Bahamani mibitsika hoe :
یک نفر هم بنویسد #بشمر1000 به یاد همه کسانی که در این سیوچهار سال «مجبور» به ترک میهن خود شدهاند.
— Arash Bahmani (@ArashBahmani) November 8, 2013
Ndeha koa hobitsihantsika ny #بشمر1000 [midika hoe manisà 1.000] ho an'ireo rehetra noterena handao an'i Iran tato anatin'ny 34 taona farany [hatramin'ny revolisiona].