Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Septambra, 2013
Solombavambahoaka Jordaniana Nitifitra Tamin'ny Kalachnikov Tao Amin'ny Antenimiera
Mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenena Jordaniana no nitifitra solombavambahoaka iray nandritra ny fotoam-pivoriana androany. Tsy nisy ny olona naratra tao anatin'izany korontana izany
Pro-Assad Sy/Na Mpanao Fihetsiketsehana Manohitra ny Ady?
Tsy mety miaraka izany sady mpanohana an'i Assad no mpanohitra ny ady izany, hoy i Farah ao amin'ny Twitter.
Ghanà : Fiandrasana Ny Didim-pitsarana Tamin'ny Fifidianana Filoha
Foana ny làlana, mihidy ny tranom-barotra, foana ny tsena ary tsy mivarotra toaka ireo tomponà fivarotana androany satria mitaintaina miandry ny didim-pitsarana tamin'ny fifidianana filoham-pirenena.
Aza atao hoe An-tapitrisa Matin'ny hanohanana Nandritra Ny Mosary Goavana Tany Shina. Andramo kokoa ny hoe “Fahafatesana Noho Ny Sakafo”
Vao haingana dia nilaza ny profesora iray fa honohono fotsiny ireo vinavina teo aloha milaza fa olona 30 tapitrisa no maty nandritra ilay Mosary Goavana tao Sina. Araka ny ambarany dia 2.5 tapitrisa no "fahafatesana noho ny sakafo" naterak'iny vanim-potoana sarotra iny
An'arivony Ireo Tsy Manaiky Ny Valim-pifidianana Tany Kambodza
Manome toky ny mpanohitra fa hanao filatsahana an-dàlabe hafa amin'ny herinandro ambony ary nandrahona ny hanembatsembana ny fotoam-panokafana ny Parlemanta.
Andro Alohan'ny “Fifidianana Mangina,” Mihetsiketsika Ireo Kandidà Rosiana
Hanomboka (rahampitso) 7 Septembra 2013 ny “Androm-pifidianana mangina” ao Rosia, 24 ora alohan'ny handehanan'ny firenena hifidy solombavambahoaka, ben'ny tanàna ary governora isam-paritra.
Mpifindra-monina: Ambony Lavitra Noho Ny Isa
Nitafatafa tamin'i Eileen Truax, meksikana iray mpanao gazety, i Robert Valencia, izay vao avy namoaka boky natokany hiresahana mikasika ny andian-taranaka tanora miaina ny "nofinofy amerikana"
Fanovana Ny Fandaharam-pianarana Any Indonezia, Mibahan-toerana Kokoa Ny Finoana, Ary Mihena Ny Siansa
Hampifanoloana amin'ireo taranja fototra tahaka ny teny Bahasa Indoneziana, ny fitiavan-tanindrazana sy ny fandalinam-pinoana ny fampianarana ny Siansa sy ny teny Anglisy.
Espaina : Nahazo Alalana Hampiasa Kibay Azo Halavaina Ny Polisy
Kibay azo halavaina ho ampiasan'ny polisy espaniola, fitaovam-piadiana tsy mahafaty?
Mianiana ny Filoha Vaovaon'i Paragoay
Tonga Filoha vaovaon'i Paragoay i Horacio Cartes, mpandraharaha, nifarana teo ny sakatsakana ara-politika sy ara-diplomatika niainanan'ny firenena miaraka amin'ny fiampangana an'i Fernando Lugo tamin'ny volana jona 2012.