Alohan'ny 29 Aogositra 2013 no nila nanapa-kevitra ny Fitsarana Avo Ganeana raha toa voafidy ho filoha ara-dalàna ny filoha John Dramani Mahama taorian'ny fifidianana filoham-pirenena natao tamin'ny 7 sy 8 Desambra 2012. Heverina ho toy ny ady ara-dalàna lehibe indrindra amin'ny tantaran'i Ganà ilay fangatahana (pétition).
Vato 50,70 isan-jato no nandresen'ny Filoha Mahama avy amin'ny Kongresy Nasionaly Demokratika na National Democratic Congress (NDC) ny mpifaninana taminy, Nana Akufo-Addo, avy amin'ny Antoko Vaovao Tia Tanindrazana na New Patriotic Party (NPP) izay nahazo vato 47,7 isan-jato.
Tsy neken'ny mpanohitra NPP ilay vokatra satria lazainy fa nisy tsy fahatomombanana lehibe sy miparitaka tany amin'ny birao fandatsaham-bato maherin'ny 10.000.
Nanomboka tamin'ny 16 Aprily 2013 ny fihainoana ny fangatahana. Ny mpilatsaka ho fidiana ho filoha avy ao amin'ny NPP, Nana Akuffo Addo, ny mpiara-mifaninana aminy Dr. Mahamudu Bawumia ary ny filoha nasionalin'ny NPP Jake Obetsebi Lamptey no mpitory. Ny filoha John Mahama, ny Komisiona momba ny fifidianana ary ireo manam-pahefana ao amin'ny Kongresy Nasionaly Demokratika no ampangaina.
Nibitsika hafatra hisian'ny fandriampahalema ireo Ganeana sy ireo naman'i Ganà eo am-piandrasan'ny firenena iray manontolo ny didim-pitsaràna. Mba hisian'ny filaminana mialoha ny didim-pitsarana dia nifanandrina tamin'ny lalao baolina kitra ireo antoko politika Ganeana sy ireo mpilalao tranainy tao amin'ny ekipam-pirenena tamin'ny 26 Aogositra 2013, mba ho an'ny fandriam-pahalemana sy ny firaisana.
Izao no nobitsihan'i Viasat 1 Ghana (@Viasat1Ghana) momba ny fandriam-pahalemana :
As the Supreme Court rules on the Election Petition case today, let's show the world that we are a peaceful nation, no matter the verdict….
— Viasat 1 Ghana (@Viasat1Ghana) 29 Aogositra 2013
Koa satria androany no hilazan'ny Fitsarana Avo ny didim-pitsarana mahakasika ny fangatahana tamin'ny Fifidianana, ‘ndao asehontsika amin'izao tontolo izao fa firenena milamina isika na inona na inona didy mivoaka eo..
— Viasat 1 Ghana (@Viasat1Ghana) 29 Aogositra 2013
Izao no torohevitr'i The Obroni (@I_LoveAzonto) :
later today when #Ghana SC gives their decision, remember spread love not hate. Only love can move us forward, hate is what brings us down.
— The Obroni (@I_LoveAzonto) 29 Aogositra 2013
rehefa avoakan'ny Fitsarana Avon'i #Ghana ny didy rehefa avy eo, tadidio fifankatiavana aparitaka fa tsy fifankahalana. Ny fitiavana ihany no afaka mampandroso antsika, mampietry antsika ny fankahalana.
Nampatsiahivin'i Esau Yakub (@MisterYakube) ny Ganeana ny hafatr'i Martin Luther King:
#Ghana remember Martin Luther King's effective message of peace going into tomorrow's #ElectionPetition #NPP #NDC #MLK #AfricaUnite
— Esau Yakub (@MisterYakub) 28 Aogositra 2013
#Ghana tsarovy ny hafatra mahombin'ny fandriam-pahalemana nomen'i Martin Luther King rehefa ho any amin'ny #ElectionPetition #NPP #NDC #MLK #AfricaUnite rahampitso
Nivavaka i DKS (@DoWuSem) :
The verdict on the #ElectionPetition is today. “God bless our homeland Ghana and make our nation great and strong…”
— DKS (@DoWuSem) August 29, 2013
Androany ny didin'ny #ElectionPetition . “Andriamanitra anie hitahy an'i Ganà taninay ary hanao anay ho firenena lehibe sy matanjaka…”
Niteny ireo Ganeana hafa i Akua Blakofe (@MsBlakofe) :
no politician is worth killing or dying for.So pls let's accept the verdict tmr.God bless our homeland Ghana.#ElectionPetition #theverdict
— Akua Blakofe (@MsBlakofe) 28 Aogositra 2013
tsy misy mpanao politika mendrika ho faty na vonoina noho izany. Koa ‘ndao hekena ny didy havoaka rahampitso. Ho tahian'Andriamanitra ny tanintsika Ganà. #ElectionPetition #theverdict
Araka ny efa nampoizina dia efa sahobakaka ambody riana ireo olon'ny mpitandro filaminana hoy i Ghana Elections (@ghanaelections) :
Security men on high alert as they deploy more personnel to known flash points across the country @MetrotvGhana #electionpetition
— ghanaelections (@ghanaelections) August 28, 2013
Faratampony ny fivononan'ireo mpitandro filaminana amin'ny fametrahany olona betsaka araka izay tratra any amin'ireo faritra mafàna manerana ny firenena @MetrotvGhana #electionpetition
Notaterin'i Martin Asiedu-Dartey (@martincitifm) fa tsy mivarotra toaka ny mpivarotra sasany androany :
#ElectionPetition: Drinking spot operators in #Ghana say they would “not sell” alcohol as their contribution to the process. #peace #verdict
— Martin Asiedu-Dartey (@martincitifm) 29 Aogositra 2013
#ElectionPetition: Nanambara ireo tomponà trano fisotrona any #Ghana fa “tsy hivarotra” alikaola ho fandraisany anjara amin'ilay dingana. #peace #verdict
Efa nirehitra hatry ny maraina ny jiromenan'ny mpitandro filaminana, araka ny bitsika nataon'i A Hesse (@ArmahH), mpamorona tranonkala :
Police Sirens blazing since 5am. #verdict #judgementday #pressure #Accra #ElectionPetition #Ghana
— A Hesse (@ArmahH) 29 Aogositra 2013
Efa nirehitra nanomboka tamin'ny 5 ora maraina ny jiromenan'ny mpitandro filaminana. #verdict #judgementday #pressure #Accra #ElectionPetition #Ghana
Foana vao maraina ny lalam-ben'i Accra, renivohitra androany :
its 4:25 am in accra ghana and all streets are empty waiting for our venerable judges to deliver their verdict on the election petition case
— jesse oteng eric (@OtengJesse) 29 Aogositra 2013
amin'ny 4:25 maraina izao aty accra ghana ary mangina ny làlana rehetra miandry ny fanambaràn'ireo mpitsarantsika hajaina ny didim-pitsaràna momba ny fangataham-pitsaràna tamin'ny fifidianana.
Ohatra ny hoe andro tsy fiasana hoy i Sylvester Addo (@silverscholar)
My street is so void of the usual early morning workers, looks more like a holiday morning. #supremecourtverdict #electionpetition #Accra
— Sylvester Addo (@silverscholar) 29 Aogositra 2013
Tsy misy mpandeha toy ny isa-maraina ny làlan-keliko, toy ny andro maraina fialan-tsasatra. #supremecourtverdict #electionpetition #Accra
Mihidy ny tranom-barotra ary foana ny tsena araka ny fandaharana alefan'i Benjamin Tetteh (@benjieluv ), mpanao gazety :
#Accra Business District virtually empty today. Market folks opt to stay home and follow declaration of #ElectionPetition verdict today
— Benjamin Tetteh (@benjieluv) 29 Aogositra 2013
#Accra Foana ny toeram-pandraharahana ao amin'ny Distrika. Nisafidy ny hijanona any an-trano ireo mpiantsena hanaraka ny fanambaràna ny didim-pitsaràna #ElectionPetition androany .
Nametra-panontaniana i Nnenna (@nnenna):
Does the silence and “peace” in Ghana today prove that noise is generated by politics? Think before you answer #TheVerdict #ElectionPetition
— Nnenna (@nnenna) August 29, 2013
Moa ve izao fahanginana sy “filaminana” eto Ghana izao manaporofo fa ny politika no miteraka ny tabataba ? Mieritrereta alohan'ny hamalianao #TheVerdict #ElectionPetition
winvoyah wñ (@nderba_nderba) dia nanazava ny antony iheverany ny maha-zava-dehibe ilay fitsaràna :
Today the supreme court rules on #electionpetition #Ghana. Its big deal, its a matter of who gets to spend my taxes with his family/friends?
— winvoyah wñ (@nderba_nderba) 29 Aogositra 2013
Androany no hamoahan'ny fitsarana avo ny didy momba ny #electionpetition #Ghana. Ny zava-dehibe dia ny hoe iza no handany ny hetra alohako miaraka amin'ny namany na ny fianakaviany?
Nnenna (@nnenna), mpampanofana sady olona mafàna fo dia nanontany hoe :
Anyone in #Ghana will livetweet #electionpetition decision tomorrow?
— Nnenna (@nnenna) 28 Aogositra 2013
Na iza na iza any #Ghana dia hibitsika mivantana ny fanapahan-kevitra momba ny #electionpetition rahampitso?
Nambaran'i Jemila Abdulai (@jabdulai), Ganeana mpanoratra sady mpitoraka bilaogy :
What: The @GhanaDecides SC Verdict G+ Hangout | When: Friday, August 30 at 1pm GMT | Follow @GhanaDecides, #TheVerdict #ElectionPetition
— Jemila Abdulai (@jabdulai) 28 Aogositra 2013
Inona: @GhanaDecides (handidy ny Fitsarana Antampony ao Ghana ) SC Verdict G+ Hangout | Rahoviana: Alakamisy 30 Aogositra amin'ny 1 ora GMT folak'andro | Araho @GhanaDecides, #TheVerdict #ElectionPetition
Nampitandrina ny haino aman-jery vahiny i Kofi Yeboah (@kofiemeritus), Ganeana mpitoraka bilaogy sady mpanoratra ao amin'ny Global Voices :
Be warned foreign media! Report authentically on the upcoming pronouncement of #TheVerdict in Ghana. #ElectionPetition
— Kofi Yeboah (@kofiemeritus) 29 Aogositra 2013
Tandremo ry haino aman-jery vahiny ! Ataovy marina ny filazànareo ilay didim-pitsarana #TheVerdict any Ganà ho avy eo. #ElectionPetition
Nolazain'i Martin Asiedu-Dartey (@martincitifm) fa nasaina hankalaza izany amin'ny fomba mendrika ny Ganeana :
#ElectionPetition: National #Security cordinator asks “victors” to celebrate in moderation. #Ghana #verdict #Peace
— Martin Asiedu-Dartey (@martincitifm) 29 Aogositra 2013
#ElectionPetition: Manasa ireo “mpandresy” hankalaza izany amim-pahamendrehana ny mpandrindra ny filaminana nasionaly #Security. #Ghana #verdict #Peace
Farany, nanonofy i Nnenna (@nnenna) :
I have a dream. That today, judges that will give #theVerdict of Ghana's #electionPetition will read it at 2:33 PM and make it #233moments
— Nnenna (@nnenna) 29 Aogositra 2013
Nanonofy aho, fa hamoaka ny didim-pitsaràna (#theVerdict) ny mpitsara androany tamin'ny #electionPetition-n'i Ganà sy hamaky izany amin'ny 2:33 hariva ary hanao izany #233moments.