Espaina : Nahazo Alalana Hampiasa Kibay Azo Halavaina Ny Polisy

Tomado de la página web del Sindicato de la Policía de España.

Sary nalaina tao amin'ny pejy habaky ny sendikàn'ny polisy espaniola

[Mankany amin'ireo pejy miteny espaniola avokoa ny rohy rehetra amin'ity lahatsoratra ity.]

Vao avy nankatoavin'ny Filan-kevitry ny polisy espaniola ny fangatahana [endrika PDF amin'ny teny espaniola] fitaovam-piarovana vaovao, fangatahana izay napetraky ny sendikàn'ny polisy tamin'ny taona 2009. Nitaky ny hanampiana kibay vy azo aforitra amin'ireo fitaovan'ny polisy ihany koa ny fangatahana.

Ao amin'ny pejy habaky ny sendikà, izay hitantsika fa « fitaovam-piadiana mahafaty» izay « fantatr'ireo polisy mpiasam-panjakana rehetra ny fampiasana azy ». Fampiasana azy izay azo iadian-kevitra lalina satria mety hiteraka ratra goavana ny fampiasana kibay raha tsy mahatandrina, izany indrindra no anton'ny filazana fa hahazo fiofanana manokana amin'ny fomba fampiasana ity fitaovam-piadiana ity ny polisy.

Araka ny filazan'ny sendikà, tsy mahazo mampiasa ity karazana fitaovam-piadiana ity ireo polisy misahana ny rotaka, satria efa mampiasa teknikam-piarovana manokana hafa amin'ny tranga tahaka izany (rotaka) ity sampana ity, araka ny hitantsika ao amin'ity lahatsary manaraka ity :

Ao Espaina, nampitomboina 18 avo heny ny tetibola natokana amin'ny fividianana fitaovana momba ny fisahanana ny rotaka, 173.670 euro tamin'ny taona 2012 ary 3,26 tapitrisa euro tamin'ny 2013, araka ny hita ao amin'ny  antsipirihan'ny fitaovana novidiana ao amin'ny habaka El BOE nuestro de cada día, habaka mpamoaka sy mpanadihady ireo fanambarana mahaliana isan'andro avy amin'ny Gazetim-panjakana [BOE amin'ny teny espaniola].

Tao amin'ny tambajotra sosialy, naneho ny ahiahiny ireo olom-pirenena :

Hividy kibay azo halavaina ny polisy mba hanamafisana ny fiarovana azy ireo. Fa inona no atahoran'izy ireo? via @publico_es

Izany no handanian'ny governemanta ny volantsika, sady milaza am-piesoana fa mba ho fiarovana tsara kokoa ireo mpiasa. Mba hikapohana…http://t.co/hH677XVYB6

Mahazo kibay azo halavaina ny polisy ho fiarovan-tenany… Ary inona no mba azon'ny olom-pirenena ho fiarovan-tenany? Ireo polisy?

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.