Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jona, 2022
Miangavy ny mba tsy hiantsoana ny miaramilan'i Myanmar ho ‘Tatmadaw’
"Miangavy amim-panetren-tena amin'ireo mpamaky iraisampirenena aho mba hiezaka hahazo ny zava-misy amin'izao fotoana. Ary ny dingana voalohany amin'ny fanaovana izany dia ny fampiasana ny voambolana antonona ny miaramila."
Ilay fampiatiana ara-paritra tsy mahomby amin'ny Vovonan'i Amerika Iray Manontolo
"Amin'ny fotoana ilàna azy indrindra no rava ny fampiatian'ny kaontinanta"
Kameroney Mpikatroka nahazo ny lokan'ny Zon'olombelona RFK 2022
Nomem-boninahitra noho ny asany maharitra dia maharitra amin'ny fiarovana ny sehatra sivika sy ny demaokrasia manerana an'i Kamerona sy Afrika Afovoany ny asan'ireto mpikatroka avy amin'ny faritra miteny anglisy sy miteny frantsay avy ao Kamerona ireto.
Voarara ao Hong Kong ny fiareta-torin'ny vono olona tao Tiananmen, fa mbola tsy voakosoka ny fahatsiarovana manerana izao tontolo izao
Nampitandremana ireo HongKongers mba tsy hitsapa ny lalàna sy ny fahavononan'ny manampahefana amin'ny fampiharana ny lalàna.
Valinteny feno famoizampo manoloana ny fihibohana vokatry ny COVID-19 ao Shina: ‘Izahay no taranaka farany.’
Ny sasany mandika ilay "fanambaràna Izahay no taranaka farany" ho toy ny endrika farany feno famoizampo hanoherana ny fanamparam-pahefana.
Ao an-drenivohitr'i Azerbaijan, antso ho an'ny fampitsaharana ny tsimatimanota atao an'ireo mpikatroka
Vondrona mpikatroka anaty fiarahamonim-pirenena iray nanomana famoriambahoaka tao Bakou, mitaky ny fampitsaharana ny tsimatimanota atao amin'ireo mpanakiana ny governemanta, ireo mpikatroka ara-politika ary ireo mpanao gazety.
Manjary kianja iadiana ara-politika ny rindrankira ao Tiorka
Andianà fandraràna fampisehoana miteraka adihevitra ao Tiorkia mampirongatra fanakianana ny antoko eo amin'ny fitondrana Rariny sy Fampandrosoana (AK) noho ny fametrahana fameperana zary tarazo mihatra amin'ny olom-pirenena sy ny zavakanto.
Mihetsika mitaky fitoviana manoloana ny fanambadiana ireo mpikatroka ao Thailandy
Fanangonan-tsonia iray no natomboka hanolorana fanitsiana ny Fehezandalàna sivily sy ara-barotra mba hahafahana mandrakitra an-tsoratra ny fanambadiana eo amin'ny olona roa, samy lahy na vavy.
Ao Azerbaijàna, mampahonena ny fahalalahan'ny media araka ny voalazan'ireo manampahaizana
Amin'izao fotoana izao izay farafahakeliny mpanao gazety efatra no mbola voafonja, ary voasakana ireo tranonkala Web tsy miankina sy mpanohitra, ary manjaka ao Azerbaidjan ny sivana, dia tsy misy antony mihitsy hiravoravoana amin'ity anio ity.