Voarara ao Hong Kong ny fiareta-torin'ny vono olona tao Tiananmen, fa mbola tsy voakosoka ny fahatsiarovana manerana izao tontolo izao

Victoria Park babangoana ao Hong Kong tamin'ny 4 Jona 2022. Sary tao amin'ny inmediahk's Facebook (Creative Commons: Attributive, Non-commercial)

Nanamarika ny taona faha-33 nisian'ny vono olona mahatsiravina tao Tiananmen tamin'ny taona 1989 ny 4 jona. Alina fahatelo tsy nisy fiareta-tory tao Hong Kong ihany koa io, nandika ny tarazo hatry ny ela amin'ny fanomezam-boninahitra ireo lavo tamin'ny loza tamin'ny 1989.

Tamin'ny 2 Jona, 48 ora mialoha ny andro fahatsiarovana isan-taona, nampitandrina an'i Hong Kong ny polisy ao Hong Kong amin'ny mety ho fandrisihana na fandraisana anjara amin'ny fivoriambe tsy nahazoana alalana ao amin'ny Victoria Park na eo akaiky azy amin'ny 4 Jona ho avy io. Nosoritany fa na dia irery aza ny olona iray ary tsy miseho ara-batana ao amin'ny saha, dia mbola azo adika ho nandray anjara tamin'ny fivoriambe tsy ara-dalàna izy ary sazy an-tranomaizina dimy taona fara-fahakeliny.

Fikosehana ny tsiaron'ny 4 Jona

Nasehon'i James Pomfret solontenan'ny Reuter izany saha izany tamin'ny 4 jona:

Toy ny andro mahazatra tao amin'ny saha

Nanaovan'ny mpanao matoadahatsoratry ny Apple Daily News fahiny Jack Hazlewood, ny fahitana ny saha ny andron'ny 4 jona tamin'ny taona 2019 sy tamin'ny taona 2022:

Nanomboka tamin'ny taona 1990 no nanaovan'i Hong Kong fiaretan-tory ho fahatsiarovana sy fanamelohana ny famoretana nandatsahan-drà ny hetsi-panoherana nataon'ny mpianatra mpomba ny demaokrasia tamin'ny taona 1989 tao Beijing. Nifarana tamin'ny taona 2020 izany satria nandrara ny fombafomba fanao isan-taona ny governemantan'ny tanàna, tamin'ny filazana ny fepetra mifehy ny areti-mifindra. Saingy nanohitra ny fandrarana ny sasany ary nitondra ny laboziany manokana teo amin'ny saha, nitarika fisamborana ireo mpikatroka malaza maherin'ny 24, izay voampanga ho nandrisika, nandamina ary nandray anjara tamin'ny fivoriambe tsy ara-dalàna.

Tamin'ny taona 2021, voarara indray ny fiaretan-tory noho io antony io ihany. Nofehezin'ny polisy ny saha, saingy nisy olom-pirenena nisisika nitondra akanjo mainty sy labozia nirehitra labozia teny ivelan'ny saha.

Telo volana taty aoriana, tamin'ny Septambra, nanambara ny faharavany ny Hong Kong Alliance for Support of Patriotic Democratic Movements of China (HK Alliance na Hong Kong Miara-dia ho Fanohanana ny Hetsika Tia Tanindrazana Demaokratikan'i Shina), mpikarakara ny fiaretan-torin'ny 4 jona nandritra ny telopolo, taorian'ny niampangana ireo mpitarika azy antsoina hoe Lee Cheuk-Yan, Albert Ho ary i Chow Hang-Tung ho “mandrisika fisarahan-kevitra”, sy ny fandrarana ireo fampahalalam-baovao tsy hanao tatitra momba ny fizotry ny fitsarana noho ny fameperana ara-pitateram-baovao araka ny Lalànan'ny Filaminam-pirenena.

Fanampin'izay, noravana tamin'ny taona 2021 ny tsangambato lehibe rehetra tao an-tanàna izay nampahatsiahy ny Hongkongers ny Fandripahana tao Tiananmen tamin'ny taona 1989, anisan'izany ny Andrin'ny Henatra ao amin'ny Oniversiten'i Hong Kong, ny Andriamanibavin'ny Demaokrasia ao amin'ny Oniversite Shinoa ao Hong Kong (CUHK), ary ny Sary Mivoitran'ny vono olona tao Tiananmen ao amin'ny Oniversite Lingnan.

Tamin'ity taona ity, nanitatra ny fandikana ny antsoina hoe fivoriambe tsy nahazoana alalana ho ireo olona manana tanjona iraisana ny Herin'ny polisy ao Hong Kong, na inona na inona haben'ny fivoriam-bahoaka sy ny toerana sy ny mombamomba ny mpandray anjara.

Ireo Fihetsika kely fampahatsiarovana

Na dia efa nanemitra ny Saha Victoira aza ny polisy, dia mbola tazana ihany ireo hetsika miparitadritaka fahatsiarovana ampahibemaso.

[Famerenana] Ao amin'ny sary: ​​Fiarovana avo lenta sy ireo hetsika kely fihaikàna noho ny fitadiavan’ i Hong Kong hanakana ny fahatsiarovana ny famoretana tao Tiananmen

Namoaka ny hetsika ampahibemaso fahatsiarovana natao tao Causeway Bay notontosain'ireo mpikambana namany tao amin'ny antoko, League of Social Democrats (LSD) teo aloha, i Avery Ng filohan'ny antoko politika mpanohana ny demaokrasia izay voaheloka ho nandray anjara tamin'ny fivoriambe tsy nahazoana alalana ary navotsotra vao haingana rehefa nahavita sazy an-tranomaizina 14 volana:

Tohizo ny manao ny tsara.

Manoloana ny fepetra mifehy ny valan'aretina amin'izao fotoana izao, mety handoavana lamandy 5.000 dolara Hong Kong isan'olona [eo ho eo amin'ny 640 dolara amerikana] ny fivoriam-bahoaka ahitana olona maherin'ny efatra. Mety iharan'ny sazy ambony indrindra amin'ny fandoavana onitra HK $25.000 [eo amin'ny US $3.200 eo] ary sazy an-tranomaizina enim-bolana ny mpikarakara famoriam-bahoaka . Nanao hetsika irery na tao anatin'ny vondrona kely ny ankamaroan'ny olona. Na izany aza, niharan'ny antsojay ireo famantarana izay mety manondro “tanjona iombonana” amin'ny famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana tamin'ny 4 Jona, toy ny teny amin'ny T-shirt, voninkazo, na takelaka fiara:

Nitàna olona telo tao anatin'ny fohy ny polisy, anisan’izany ny vehivavy iray nanao t-shirt misy soratra ao an-damosina hoe “Tsy afaka miady amin’ny hoavy ianao”.

Nampitandrina ireo manamboninahitra fa mety ho fivoriambe tsy ara-dalàna io t-shirt io, hoy ny iray tamin'ireo vehivavy.

“Tsy azoko mihitsy izany”, hoy izy.

Navotsotra taorian’ny fisavana, nilaza ilay lehilahy fa nampitandrina azy ny polisy mba tsy hanao na inona na inona hisarihana ny olona hivory. Nanakiana ny polisy izy noho ny fanitsakitsahana ny fahafahan'ny tsirairay satria tsy nanao zavatra tsy ara-dalàna afa-tsy ny nandalo niaraka tamin'ny chrysantheme fotsy izy.

Teo akaikin’ny Saha Victoria, polisy maromaro no nanakana fiaran'olo-tsotra ahitana takelaka fiara nampahatsiahy ny olona ny 4 Jona 1989:

“Sefo… inona no tokony hataontsika?”

— Miady ho amin’ny fahafahana. Mijoro miaraka amin'i Hong Kong.

Voalaza fa olona enina no voasambotra noho ny fiampangana ahitana ny fandrisihana sy fandraisana anjara tamin’ny fivoriambe tsy nahazoana alalana, ny fitazonana fitaovam-piadiana mahery vaika, ary fanakanana polisy iray.

Satria kely ny toerana ho an'ny fahatsiarovana ampahibemaso, maro no nandrehitra ny laboziany tao an-trano ary namoaka izany tao amin'ny media sosialy. Nisy famantarana teny rehetra teny:

Asabotsy mahazatra ny ahy
Mandeha lamasinina hihaona amin'ny namana

Kaonsily vahiny maromaro no nanatevin-daharana ny hetsika fahatsiarovana nataon'ireo HongKongers tamin'ny alalan'ny jiro labozia eo am-baravarankely:

Ho fahatsiarovana ny tsingerintaona faha-33 ny famoretana ny #TiananmenSquare tamin'ny #June4 1989. Mijoro hatrany miray hiana amin'ireo mpiaro ny zon'olombelona manerana an'izao tontolo izao ny Vondrona Eoropeana.

— Biraon'ny Vondrona Eoropeana any Hong Kong sy Macao (@EUinHKandMO) 4 Jiona 2022

Nahazo tehaka tao amin'ny Facebook ny lahatsoratry ny Kaonsily Jeneraly Poloney momba ny fahafaha-mamokatra labozia ao amin'ny fireneny:

Mandritra izany, nizara fanomezam-boninahitra maranitra kokoa – sary infografika momba ny fomban-drazana fanaovana labozia ao amin'ny firenena ny iraka avy any Polonina .

Fiaretan-tory manerana izao tontolo izao

Raha tsy nisy intsony ny fiaretan-tory tao amin'ny Saha Victoria ao Hong Kong, dia niparitaka kosa ny fiaretan-tory hafa fandrehetana labozia, ka tanàna maherin'ny roapolo manerantany no manao hetsika fahatsiarovana.

Ao amin'ny tontolo miteny sinoa, niditra tao amin'ny andraikitr'i Hong Kong tamin'ny fitahirizana ny tantaran'ny Fandripahana tao Tiananmen i Taipei:

Kianjan'ny Fahafahana, Taipei, feno ny hany toerana tokana ao amin'ny tontolo miteny sinoa izay ahafahana manao hetsika fahatsiarovana ny fitsingerenan'ny Fandripahana tao amin'ny  Kianjan'i Tiananmen tamin'ny taona 1989

Tany Londres, natao teo ivelan'ny masoivoho Shinoa ny hetsika fahatsiarovana:

Hetsi-panoherana fanakanan-dalana vetivety teo anoloan'ny Masoivoho Shinoa any Londra tamin'ny hetsika fahatsiarovana ny Fandripahana tao Tiananmen

Mandritra izany, namoaka sary misy ny famoretana mihosin-drà teo amin'ny London Bridge ny Komitin'ny Vondrona Hongkonger any am-pielezana ho an'ny Fahalalahana ao Hong Kong :

Talohan'ny fahatsiarovana isan-taona ny fihetsiketsehana sy ny fandripahana tao amin'ny Kianjan'i Tiananmen tamin'ny 1989 androany, nanazava ny Tilikambon'i Londres ho fanomezam-boninahitra ny tsingerintaona i @thecfhk

Na eo aza ny ezaka hikosehana ny fiaraha-mahatsiaro, mahatadidy izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.