Mihetsika mitaky fitoviana manoloana ny fanambadiana ireo mpikatroka ao Thailandy

Ireo mpikatroka eo am-pamakiana ny dika naverina nosoratana avy amin'ilay fanapahankevitry ny fitsaràna momba ny Lalàm-panorenena mikasika ny lalàna mifehy ny fanambadiana. Sary an'i iLaw

Ny Prachatai no namoaka voalohany ity lahatsoratra ity, tranonkalam-baovao tsy miankina iray ao Thailandy, ary ampahany iray nasiam-panovàna no naverin'ny Global Voices navoaka ao anatin'ny fifanarahana fifampizaràna vontoaty.

Ny 17 May, tamin’ny Andro Iraisam-pirenena Hanoherana ny Homofôbia, ‘Transfôbia, ary ny Biphobia (IDAHOT), nanomana famoriam-bahoaka ho an'ny zon'ny LGBTQ+ ireo mpikatroka ary niantso fimiràna amin'ny fanambadiana tamin'ny alalan'ny fanoratana indray ny didim-pitsaràna avy amin'ny Fitsarana momba ny Lalàm-panorenana mikasika ny lalàn'ny fanambadiana Thai.

Ny 17 Novambra 2021, namoaka didy ny Fitsaràna Avo momba ny Lalàm-panorenana Thailandey fa ny andininy faha-1448 amin'ny Fehezan-dalàna Sivily sy ara-barotra, izay manasongadina fa ny fanambadiana eo amin'ny lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no azo tanterahina, dia tsy manitsaka ny andininy faha-27 amin'ny Lalàm-panorenana, izay milaza fa ny olona rehetra dia mitovy ary arovana mitovy, araka ny lalàna.

Niteraka fahatezerana ho an'ny olona ilay didim-pitsaràna, satria hita ho efa lany andro, mpanavakava sy mpankahala pelaka ireo andininy manontolo amin'ilay didim-pitsaràna, toy ny rehefa mamaritra ny atao hoe fanambadiana izy dia hoe “rehefa vonona hiara-hitoetra ny lehilahy iray sy vehivavy iray, mba hanorina fiarahan'ny mpivady mba hanana taranaka amam-para”, manaraka ireo fitondrantena, fombandrazana, ny fivavahana sy ny lalànan'ny fiarahamonina tsirairay”, ary dia voatokana fotsiny ho an'ny lehilahy iray sy vehivavy iray izany. Manasongadina ihany koa ilay didim-pitsaràna fa ireo LGBTQ+ dia tsy afaka miteraka ary ny fanambadiana toy izany dia mifanohitra amin'ny lamina voajanahary, ary ireo LGBTQ+ dia tsy afaka mamorona “fatorana saropady” sahala amin'ny an'ireo fianakaviana najoron'ny lahy sy vavy. Nambarany ihany koa fa ny fanamarinana ny fanambadiana LGBTQ+ dia hametraka “enta-mavesatra” goavana ho an'ny governemanta mba hanomezana ny fahasambarana sy tombontsoa ho an'ireny mpivady ireny. Ampahany iray hafa amin'ilay didim-pitsaràna ihany koa ny fampitahana ny olona LGBTQ+ amin'ny biby manana fitondrantena hafahafa.

Tamin'ny 8 Martsa, Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy, nanomana tetikasa iray “Fitsaràm-bahoaka” ny Thai Lawyers for Human Rights (TLHR)  sy ny vondrona mpikatroka Feminist’s Liberation Front Thailand  (FLFT) nahitàna adiana adihevitra an-databatra boribory mikasika ny fitoviana manoloana ny fanambadiana, ka nandritra izany no nanambaran'ireo mpisolovava fa ny didy navoakan'ny Fitsaràna momba ny Lalàm-panorenana dia mampiseho tsy fahampiana fahatakarana sy fifandraisana amin'ny vahoaka, ary manimba ny rariny mifandraika amin'ny miralenta ao amin'ny firenena.

Tyrell Haberkorn, Mpampianatra Teny sy Kolontsaina Aziatika ao amin'ny Anjerimanontolon'i Wisconsin-Madison, no nilaza nandritra ny fifanakalozan-kevitra fa teo am-pamerenana nanoratra indray ilay didy, ilay tetikasa dia nikendry ny hanome hirika iray ho an'ny vahoaka mba hitsikeràna ilay didy navoakan'ny Fitsaràna momba ny Lalàm-panorenana ka hakàna sary an-tsaina ny hoavy iray isian'ny fitoviana kokoa .

Nilaza i Haberkorn fa ny aingam-panahy dia avy amin'ireo mpikatroka sy vehivavy mpisolovava tany amin'ireo firenena hafa, toa an'i Kanadà, Aostralia, Nouvelle-Zélande, Irlandy, ary ny Fanjakana Mitambatra, izay mampiasa ity fomba ity hanerena ny fanovàna ao anatin'ny rafitry ny lalàna.

Nandritra izany fotoana izany, ny mpisolovava an'ny TLHR Poonsuk Poonsukcharoen, iray hafa nandray fitenenana, no nilaza fa tsy mbola namaritra ny fanambadiana ho sahala amin'ny fikambanana lehilahy iray sy vehivavy iray mihitsy ny lalàna Thailandey, saingy misy fepetra ao amin'ny andininy faha-1448 ao amin'ny Fehezan-dalàna Sivily sy ara-barotra, izay iadiana hevitra ny maha-manavakavaka azy na tsia, ary tsy azony antoka hoe taiza ny Fitsaràna momba ny Lalàm-panorenana no naka ny famaritany ny atao hoe fanambadiana. Nambarany ihany koa fa, araka ny voalazan'ny Fitsaràna momba ny Lalàm-panorenana, ny fomba Thailandey dia tsy mitovy amin'ny an'ireo firenena hafa ary haharitra ny lalàna iray raha toa tsy mandray zotra mifanohitra amin'ny fijerin'ny vahoaka, ary nanontany ny izay mety ho ambaran'ny mpitsara momba ny fijerin'ny vahoaka ny olana rehetra.

Nandritra izany fotoana izany, ilay mpikatroka mafàna fo mpitaky ny miralenta, Chumaporn Tangkliang, no nilaza nandritra ny fifanakalozan-kevitra an-databatra boribory fa nanan-jo hanoratra didy ny vahoaka satria olombelona avokoa ny rehetra ary mitovy, ary, na dia manana diplôma amin'ny Lalàna sy asa aza ireo mpitsara, tsy maintsy miaina tsy mahazo alàlana handrakitra ny fanambadiany ny mpikambana ao anatin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+, manan-jo hanoratra ny didiny manokana koa izany izy ireo. Hamerina ho any amin-dry zareo ny fahefany sy ny maha-olombelona azy ny fanaovany izany.

Mpikatroka nifamory teo amin'ny Pathumwan Skywalk hanao famoriambahoaka nandritra ny Andro Iraisam-pirenena hiadiana amin'ny Homophobia, Transphobia, ary ny Biphobia. Sary avy amin'ny iLaw.

Tamin'ny 17 May, nifamory teo amin'ny Pathumwan Skywalk ireo mpikatroka mba hanao hetsika IDAHOT, nandritra izany fotoana izany no nampisehoany ny dika naverina nosoratana avy amin'ilay fanapahankevitry ny Fitsaràna momba ny Lalàm-panorenena mikasika ny lalànan'ny fanambadiana, izay nosoratan'ireo mpikatroka sy ny olon-tsotra voasoratra anarana handray anjara amin'ilay tetikasa Fitsaram-Bahoaka. Lazain'izy io fa ny Andininy faha-1448 amin'ilay fehezandalàna sivily sy ara-barotra dia manitsakitsaka ny Toko faha-4, 25, 26, ary faha-27 amin'ny Lalam-panorenana, nitondràny fanamarihana fa na ohatra aza ny Toko faha-27 milaza fa mitovy zo ny lahy sy ny vavy, tsy midika izany fa na iza na iza manana maripanondroana ara-pananahana hafa, na fironana ara-pananahana hafa dia tsy mizaka zo mitovy. Lazain'ilay lalàna naverina nosoratana fa ny tsy fanavakavahana mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy dia mitodika amin'ny olona rehetra, tsy misy idiran'ny maripanondroana zy na ny fironany, ary ny lalàna iray ferana hifanaraka amin'ny maripanondroana ara-pananahana eo am-pahaterahana dia mety hitondra ho amin'ny fanavakavahana atao amina vondron'olona iray ao anaty fiarahamonina, miainga amin'ny maha-lahy na maha-vavy azy, izay mety hizotra mankamin'ny tsy fanajàna ny maha-olombelona azy.

Tsy fitondrantena tsara ny famoretana olona tsy mitovy amin'ny mahazatra, na inona na inona fomba hamaritan'ny olona ny hoe fitondrantena tsara. Na ny fitsaratsaram-poana ara-pananahana sy noho ny mahalahy sy mahavavy dia tsy tokony ho fepetra hanapahan-kevitra momba ny hoe iza no ho afaka hanambady, ary tsy tokony hatahorana ny hoe hitondra vesatra ho an'ny fanjakàna ny fanitarana ny zo hanambady, na hanararaotan'ireo olona ny tombontsoam-bahoaka ka hisy fiantraikany an'ny fiarovam-panjakana. Tsy fanomezana avy amin'ny Fanjakana velively ny fitoviana ao amin'io firenena io fa vokatry ny tolona naharitra ela.

Amin'izao fotoana izao, volavolan-dalàna roa mikasika ny fanambadiana ho an'ny mpivady LGBTQ+ no efa miandry ho alefa ao amin'ny parlemanta. Ny iray volavolan-dalàna mikasika ny fiaraha-miasa sivily natolotry ny minisiteran'ny Fitsaràna ary nankatoavin'ny Kabinetra tamin'ny volana Jona 2020. Efa notsikerain'ireo Fikambanana tsy miankina sy ireo mpikatroka izy io teo aloha noho ny tsy fanekena hanome ho an'ireo mpivady LGBTQ+ ny zo mitovy amin'ireo mpivady mitovy fananahana ary noho ny fanjavozavoany momba ny fanomezana ireo zo sasantsasany. Nametra-panontaniana ihany koa ireo mpikatroka mikasika ny filàna lalàna mitokana manao ny fanambadiana LGBTQ+ ho ara-dalàna, ary niteraka ny ahiahy hoe mety vao mainka hampitombo ny fanilikilihana ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ ao Thailandy izany.

Ny volavolan-dalàna iray hafa manolotra fanitsiana ny andininy mikasika ny fanambadiana sy ny fianakaviana ao amin'ny Lalàna Sivily sy Ara-barotra, na ny volavolan-dalàna mikasika ny fitoviana eo anatrehan'ny fanambadiana, natombok'ireo solombavam-bahoaka avy amin'ny Antoko Move Forward, izay hanova ny teny ampiasaina anaty lalàna ho “spouse vady fa tsy hoe “husband- vady lahy” sy “wife- vady vavy” ary “olona” fa tsy “lehilahy” sy “vehivavy”.

Naseho teo anatrehan'ny Parlemantera tamin'ny Febroary 2022 ilay volavolan-dalàna ary nalefa tany amin'ny Kabinetra mba ho dinihana . Tamin'ny 29 Martsa, nanao tatitra ny tranonkala Web-n'ny Tranoben'ny Governemanta fa nifidy ny handà izany ny Kabinetra.

Na izany aza, mbola afaka entina eny anatrehan'ny parlemanta ilay volavolan-dalàna mikasika ny fitoviana manoloana ny fanambadiana. Araka ny voalazan'ny Fitsipika Anatin'ny Tranoben'ny Solombavambahoaka tamin'ny taona 2019, ny volavolan-dalàna iray natolotry ny solombavam-bahoaka na ny fiarahamonina sivily dia azo alefa any amin'ny Kabinetra ho dinihina mandritra ny 60 andro ary tsy maintsy averina ao amin'ny Parlemanta rehefa tapitra ny fe-potoana. Azon'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena atao ihany koa ny manoratra azy ho ao anatin'ny fandaharam-potoanan'ny Parlemanta na dia mbola tsy tafaverina aza.

Mandritra izany fotoana izany, nisy ireo sonia voaangona momba ny volavolan-dalàna iray hafa hisian'ny fitoviana ara-panambadiana izay ho atolotra ao amin'ny Parlemanta. Ny 28 Novambra 2021, nandritra ny hetsipanoherana tao amin'ny sampanan-dalana Ratchaprasong tao Bangkok nandefa fanangonan-tsonia iray mitaky an'ireo fanitsiana hatao amin'ny Lalàna sivily sy ara-barotra, ny Rainbow Coalition for Marriage Equality, tambajotra iray ahitana ireo vondrona fikambanana sivily sy vondrona mpikatroka maherin'ny 40. Tolokevitra ao anatin'ilay fanangonantsonia ny hanitsiana ny andininy faha-1448 mba hahafahana manao ny fisoratam-panambadiana eo amin'ireo olona roa samy lahy na samy vavy. Sosokeviny ihany koa ny hanoloana ireo teny “lehilahy” sy “vehivavy” isaky ny andininy amin'ny Lalàna sivily sy ara-barotra mifandraika amin'ny fanambadiana ho “olona”, ary koa hanoloana ny teny “vady lahy” sy ny “vady vavy” ho “vady” ary ny “ray” sy “reny” ho “ray aman-dreny”.

Ireo fanitsiana, raha toa ka lany, dia hanome an'ireo mpivady LGBTQ+ ireo zo mitovy, adidy sy fankatoavana ara-dalàna sahala amin'ny an'ireo mpivady lahy sy vavy, anisan'izany ny zo hanangana zaza ary hanekena azy ho ray aman-drenin'ilay zaza ; ny zo hanana fahazoandàlana mba handray fanapahankevitra ara-pahasalamana amin'ny anaran'ny vadiny ary hametraka fitarainana amin'ny anaran'ny vadiny ; ny zo hampiasa ny anaran'ny fianakaviam-badiny sy ny zo handova an'ireo fananan'ny ankilany tsy ilàna didim-pananana.

Tao anatin'ny 24 ora nanaraka ny famoahana azy, maherin'ny 150.000 no isan'ireo angon-tsonia voaray, izay avo folo heny noho ny isa takiana ara-dalàna amin'ny fametrahana volavolan-dalàna eny amin'ny parlemanta. Tamin'ny 20 May, maherin'ny 304.000 ny sonia voaray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.