Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Marsa, 2018
Fahatsiarovana Ny Andro Nahaterahan'i Neda Tany Iran
...maty voatifitry ny milisy Basij i Neda tamin'ny 20 Jona 2009, nandritra ny fihetsiketsehan'ny olona an'arivony nanohitra ny valim-pifidianana filoham-pirenena Iraniana....
#SayNOto66d: Mandrakitra Ny Fitomboan'ny Tranga Fanalam-baraka Antserasera Ao Myanmar
Ny tranonkala #SayNOto66d dia mandrakitra ireo raharaha fanalam-baraka ao Myanmar no sady manome vaovao ho fanohanana ny hetsika hanafoanana ilay lalàna.
Pakistàna: Fifidianana sy Fanisàna
Raha mivoaka hifidy ireo vahoaka ao Pakistàna, miresaka momba ny fifidianana kosa ny tontolon'ny bilaogy. Manaraka ny fifidianana ny All Things Pakistan, ary manainga ireo mpamaky azy mba hizara ny fitantarana avy any amin-dry zareo..
Mitoka-Monina i Joseph Kabila Noho ny Fitarazohan'ny Fanomanana Fifidianana Taona 2018
Fotoana fanararaotra io fivoriana maharitra telo andro io ho an'ny mpanohitra hanehoana ny fanohanany ny fikarakarana fifidianana « azo inoana sy mangarahara »
Tolona Ho Amin'ny Fahamendrehana: Zon'ny Vehivavy Ao Afghanistan
Tsy nitondra mankany amin'ny fampiharana ilay fanomezana hery tamin'ny alalan'ny taratasy.
Hosoka , Fandrahonana ary Famoretana : Tsy Hita Tabilao ny Fifidianana ao Repoblika Demaokratikan'i Congo
Hiankinan'ny ain-dehibe ireo volana ho avy ireo. Hanaja ny tetiandrom-pifidianana napetraka ve i Kabila ?
Ejypta: Milaza ny Tantarany Ireo Bilaogera Nogadraina
Bilaogera Ejiptiana 20 mahery teny an-dalana hanome voninahitra ny fianakavian'ireo niharam-boina tamin'ny vono olona Coptic no voasambotra raha tonga tao an-tanànan'i Naga Hammady ao Ejypta ny fiara-dalamby nandehanan'izy ireo. Noafahana izy ireo fotoana fohy taorian'izay ary milaza ny tantarany amintsika.
Tonizia: Mitohy Ny Sivana Satria Manohy Manao Ampamoaka Ny Telegrama Wikileaks
Nifantoka tamin'ny Telegraman'ny Ambasady Amerikana Wikileaks ireo mpikatroka Toniziana, nanokana tranonkala vaovao hamoahana sy hanadihadiana ireo fanambarana mifandraika amin'ny fireneny. Natsangan'i Nawaat ny Tunileaks adin'iray taorian'ny namoahan'ny tranonkala mpanao ampamoaka ny telegrama tamin'ny Alahady 28 Novambra .
Voatsikera ho Manao “Fanavakavaham-bolonkoditra” Tamin'ny Fanasongadinana Tava Mainty ny Fahitalavi-Panjakana Shinoa
Voalohany nijereko ny fampisehoana taombaovao shinoa tamin'ny CCTV ary dia navoakan-dry zareo avy any vehivavy shinoa nolokoina mainty ny tavany... miaraka amin'ny "gidro" zatra fonenan'olona (nolalaovin'ny lehilahy iray avy any Côte d'Ivoire)...
Kenya: Maneho Hevitra Momba Ny WikiLeaks Ny Bilaogera
Niavaka tamin'ny fanambarana fohy sy henjana mamely ny Ambasadaoro amerikana Michael E.Ranneberger ao Kenya noho ny telegrama WikiLeaks andiany farany avy amin'ny Masoivoho Amerikana ao Nairobi ny lahateny nataon'ny mpitarika, anisan'izany ny filoha Kenyana Mwai Kibaki, ny praiminisitra Raila Odinga sy ny filoha lefitra Kalonzo Musyoka ao amin'ny governemanta iaraha-mitantana.