Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Janoary, 2009

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Janoary, 2009

17 Janoary 2009

Maraoka: Firenena nisara-kevitra noho i Gaza

Ary satria moa mivory any Doha ny mpitarika Arabo, dia lasalasa saina ihany izao tontolo izao te-hahalala hoe amin'ny fomba ahoana moa ahafahan'izy ireo mampitsahatra ny fifanandrinana misy any Gaza. Omaly no nipoaka ny vaovao fa tsy ho any Doha na fihaonana an-tampony hafa ny mpanjakan'i Maraoka Mohammed VI, satria...

16 Janoary 2009

Myanmar:Mpanao fihetsiketsehana sivy no voasambotra nandritra ny fidinana an-dalambe

Tsy taona vaoavao mahafinaritra tamin’ireo sivy mpikambana ao amin’ny National League for Democracy izay voasambotra teo akaikin’ny Parlemanta izay natsangana ao Rangoon, tany Myanmar tamin’ny talata (30 desambra) lasa teo raha teo ampangatahana ny fampiarana ny demokrasia amin’ny endriny Aung Sam Suu Kyi

Nitsidika ireo Palestiniana voahilikilika ny mpitoraka blaogy Ejyptiana

Vondron'olona maratra Palestiniana maro no nitsofoka any Ejypta avy ao amin'ny sisintany ao Rafah ary ry Ahmed Al Sabbagh sy Mohamed Hamdy izay mpitoraka blaogy dia nanao fitsidihana ho fankaherezana azy ireny tao amin'ny tobim-pitsaboan'ny Croissant Rouge. Nanoratra i Al Sabbagh taorian'izany fa : بكاء .. وألم .. وعجز .....

14 Janoary 2009

Asia Atsimo-Atsinanana: Fifanolanan-kevitra sy voina teo amin’ny taona 2008.

Tamin’ny fampisehoana farany teo (Southeast Asia: Newsmakers of 2008)” no nanoratako ny momba ireo zava-nitranga manandanja lehibe indrindra izay niseho tao Asia atsimo-atsinanana. Amin’ity lahatsoratra ity kosa no hanasongadianako tantara hafa nahatonga fifandirana. Tanjona hafa ny hanangonana sy hanasokajiana ny lahatsora-mpifandraisana mipetraka eo an-kavanan’ny Global Voices, izay mikasika ny faritra...

10 Janoary 2009

Madagasikara: “Prison Breaks” na Maka Tahaka Televiziona ny Fiainana

Vaky loha ihany ny mpamaham-bolongana eto Madagasikara tratran'andiana vaky fonja faran'ny herinandro lasa teo. Tamin'ny 4 Janoary teo, dia gadralava 22 mpiray efitra no tafatsoaka ny fonjan'i Tsiafahy izay miala kely ny renivohitra Antananarivo. Tamin'ny fomba ahatsiarovana an'i Andy Dufresnes raha nitsoaka ny fonja tao amin'ny tantara “The Shawshank Redemption”,...

06 Janoary 2009

Bangladesh: Fahanam-bolongana tsikelikely ny fifidianana

Ao anatin'ny ora vitsivitsy (29 desambra) dia hifidy ny antenimiera fahasiviny ny Bengalis miisa 81 arivoarivo (51% n'ireo ny vehivavy). Kihondalana lehibe eto amin'ny firenena ity fifidianana ity fa haverina indray ny demaokrasia rehefa nitondra azy tao anatin'ny hamehana nandritra ny tetezamita roa taona ny hery mitam-piadiana [miaramila]. Efa niresadresaka...

Gaza: mandray anjara ihany koa ny mpitoraka blaogy frantsay

Omaly (28 des 2008) ny mpitoraka blaogy frantsay Jeremie Berrebi no namoaka blaogy lava dia lava manao hoe “Gaza/Israely: “Nahoana izy ity no no manomboka indray” miresaka ny fanafihana any Gaza jerena avy any Isiraely sy ny famotopotorana ataony amin'ny antony mahatonga ny fanafihana an'habakabaka Isiraeliana : Depuis [la rupture...

04 Janoary 2009

Ankapobe: Fihetsiketsehana manohana an'i Palestina

Mitsangana hanohana an'i Gaza izao tontolo izao. Anjato arivony (an'hetsiny hoy isika) ireo olona amin'ny vazantany efatra nanao fihetsiketsehana nandritra izay dimy andro izay. Hatrany Boston ka hatrany Beirota, Le Cap ka hatrany Caracas, maro ireo olom-pirenena naneho ny firaisankinany amin'i Gaza. indreto ary misy rakitsary izay notovozina tao amin'ny ...

03 Janoary 2009

Fankalazana ny faha205 taona ny fahaleovantenan'i Haiti

Taorian'ny voina izay nandravarava tamin'ny 2008, dia teo ho eo ihany ny fankalazan'ny vahoaka Haitiana ny fanombohan'ny taona 2009 – satria ankoatra ny maha fanombohan'ny taona azy eto Haiti, dia manamarika ny fahaleovantena azo tamin'i France tamin'ny 1804 ihany koa ny voalohany Janoary, ka nahatonga an'i Haiti ho firenena mainty...