Gaza: mandray anjara ihany koa ny mpitoraka blaogy frantsay

Omaly (28 des 2008) ny mpitoraka blaogy frantsay Jeremie Berrebi no namoaka blaogy lava dia lava manao hoe “Gaza/Israely: “Nahoana izy ity no no manomboka indray” miresaka ny fanafihana any Gaza jerena avy any Isiraely sy ny famotopotorana ataony amin'ny antony mahatonga ny fanafihana an'habakabaka Isiraeliana :

Depuis [la rupture de la trêve], ce sont plusieurs centaines de missiles qui sont tombés sur des villes israéliennes (on parle ici de cibles civiles) au cours des derniers jours. Des missiles plus sophistiqués qu'il y a 6 mois ont même été lancées sur des villes qu'ils n'avaient pas la possibilité de toucher avant. Oui, vous avez bien lu….des centaines de roquettes Qassam ont été tirées sur de VRAIES VILLES qui ne font même pas partie des territoires soi disant “disputés” par les Palestiniens modérés.

Hatramin'ny nampiatoana ny fifanarahana fampitsaharana ny ady dia aman-jatony ny missiles nilatsaka tamina tanan-dehibe maro any Isiraely (eto dia ny vahoaka sivily no mitondra faisana) nandritra ireny andro farany teo ireny. Ireo missiles ireo dia somary mahery vaika kokoa raha mitaha ny nampiasaina eni-mbolana lasa izay fa mahakendry ireo tanan-dehibe izay tsy tratrany teo aloha. Eny, tsy diso famaky ianareo… balatafondro Qassam amanjatony no natifitra tamin’ny ireo TANANDEHIBE TENA IZY izay tsy ao anatin'ny faritra ifanolananana amin’ireo Palestiniana mahalanjalanja

Deborah Ann Dilley

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.