Serbia: Navadik'ireo mpandroba ny diabem-pireharehan'ny pelaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Oktobra 2010)

Namoaka ampahibemaso ny singa ratsy indrindra sy ny tsara indrindra teo amin'ny fiarahamonina Serba ny diabem-pireharehan'ny pelaka natao tamin'ny 10 Oktobra 2010, tao Belgrady. Tsy maintsy nanakana ireo mpirotaka teo amin'ny 6.000 isa, izay namotika zavatra mitentina 1 tapitrisa EUR tao afovoan-tanàna tamin'ny fomba voarindra ny polisy, raha nidera ny hetsika ho toy ny fandrosoana goavana ho an'ny fahalalaham-pitenenana sy fikambanana, arovan'ny lalàna kosa ireo hery mpomba ny demaokrasia.

Araka ny notaterin'ny Macedonia Gay Blog-Magazine, farafaharatsiny fahombiazana ny ampahany ara-dalàna tamin'ny hetsika:

… The second Gay Pride Parade took place in Belgrade, with over 1,000 marchers. The event was a success because it passed peacefully, under heavy police guard… [After the parade was over] around 6,000 hooligans used it as an excuse to demolish buildings, rob stores and destroy public infrastructure.

The Parade started at noon, but the tensions started rising from 10 am. The hooligans’ rage culminated after 1 pm. They burned the entrance to the building housing the seat of the ruling Democratic Party. At one point, after the demonstrators breached the police cordon, an anti-terrorist unit had to intervene. A public bus was burned, and trams attacked… Hooligans failed to directly attack any of the marchers.

Serbian president Boris Tadić condemned the attacks and announced that the perpetrators of violence would be arrested indiscriminately. According to him, an attack on the police equals an attack on the state, which is ready to deal with the vandals who endanger the citizens’ security. He stressed that Serbia protects the rights of all citizens regardless of their differences.

.. Natao tany Belgrady ny diabem-pireharehan'ny pelaka faharoa, nahitana mpandray anjara 1.000. Fahombiazana ny hetsika satria natao tamim-pilaminana, teo ambany fiambenan'ny mpitandro filaminana marobe … [Rehefa tapitra ny diabe] dia jiolahimboto teo amin'ny 6000 no nampiasa izany ho fialan-tsiny handravana tranobe, handrobàna toeram-pivarotana ary handravana fotodrafitrasam-bahoaka.

Nanomboka tamin'ny mitataovovonana ny diabe, saingy efa nanomboka ny fihenjanana tamin'ny 10 ora maraina. Nahatratra ny faratampony ny  hatezeran'ireo andian-jiolahimboto tamin'ny 1 ora tolakandro. Nandoro ny fidirana tao amin'ny tranobe ahitana ny sezan'ny Antoko Demaokratika eo amin'ny fitondrana izy ireo. Nisy fotoana ireo mpanao fihetsiketsehana nanapaka ny tadin'ny polisy, ka tsy maintsy niditra an-tsehatra ny vondrona miady amin'ny fampihorohoroana. Nodorana ny fitateram-bahoaka, ary notafihana ireo tramways … Tsy nahavita nanafika mivantana ny iray tamin'ireo mpanao diabe ireo jiolahy.

Nanameloka ny fanafihana ny filoha Serba Boris Tadić ary nanambara fa hosamborina tsy misy fanavakavahana ireo mpiherisetra. Raha ny filazany, ny fanafihana ny polisy dia mitovy amin'ny fanafihana ny fanjakana, izay vonona hiatrika ireo mpanakorontana izay manohintohina ny fiarovana ny olom-pirenena. Nanipika izy fa miaro ny zon'ny olom-pirenena na inona na inona fahasamihafan'izy ireo i Serbia.

Nandritra ny tontolo andro, namerimberina hatrany ny fampahalalam-baovaom-panjakana fa tsy avy eo an-toerana ny 60% mahery tamin'ireo mpikomy voasambotra, fa nentina avy any an-toeran-kafa tao Serbia tamin'ny fomba voalamina Tamin'ny fomba isan-karazany, nitaraina noho ny haben'ny fankahalana ankehitriny tsy voafehy eo amin'ireo tanora ireo mpaneho hevitra ary nanao teny an-kolaka na nanome tsiny mivantana ireo hery nasionalista mpanohitra izay niantehitra tamin'ny jiolahimboton'ny baolina kitra mba hananganana ny foiben'ny vondrona zazavao nandritra ny fitondran'i Milošević. Raha ny fitambarany, dia olona 140 teo ho eo no naratra, izay polisy ny ankamaroany, ary nisambotra olona ahiahiana 200 mahery ny polisy.

Ny maherifon'ny media sosialy tamin'io  andro io [SRP] dia ilay polisy Saša Čordić, 26 taona, izay nalaina tamin'ny lahatsary izy nilaza tamin'ny mpanao rotaka iray hoe [fandikana mivantana] “Ahoana no hasahianao manimba an'i Belgradiko, mialà teto!”

https://youtube.com/watch?v=tevNVjw6wfw%3Ffs%3D1

Novokarina tamin'ny dika maromaro avy hatrany ilay lahatsary, izay efa olona an'aliny no nijery izany. Nahazo mpankafy an'arivony maro avy hatrany ny pejy Facebook iray ahitana izany teniny izany.

Ny malaza hafa tamin'ny media sosialy dia ny takelaka hoe “Sokafy ny sainao!” avy amin'ilay kintan'ny turbo-folk Jelena Karleuša, izay naparitak'ireo mpisera Twitter, tahaka an'i Slobodan Markovic, izay nanoritsoritra izany ho “maherisetra”.

Tao amin'ny takelaka, izay nahazo dera tao amin'ny FB an'ireo liberaly izay mihevitra ny turbo-folk hatrany ho mpamaly bontana, manontany ilay mpihira hoe “rahoviana ireo Serba an-tapitrasany vao hitsahatra amin'ny famelana ireo olom-bitsy alikan'olona hanoritra ny vahoaka [serba] ho biby sy adala.” Nanoratra tamim-pahatsorana momba ny tolony miady amin'ny fihetsika fankahalana pelaka nataon'ny vadiny mpilalao baolina kitra, lehilahy milaza tena fa Serba mpisetrasetra vehivavy, amin'ny fanehoana fihatsarambelatsihy sy miangatra amin'ny fifandraisan'ny lahy sy vavy miaraka sy ny pelaka, ary koa ny fandàvana hanohy handray anjara amin'ny fihetsika ara-nofo antsoina hoe “tsy ara-boajanahary” avy amin'ireo mpandala ny nentin-drazana, saingy takiana ao anatin'ny fanambadian'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.