Nitarika herisetra ny tsahon'ny fanaovana “sorona olombelona” ho an'ny tetezana Padma tany Bangladesh

Tetezan-dalamby miampita ny renirano maherin'i Padma izay mbola eo andalam-panamboarana ao Bangladesh. Sary avy amin'i Afzal Hossain tamin'ny alalàn'ny Wikimedia Commons. CC BY-SA 4.0
Kasaina ho vita amin'ny volana Desambra 2020 ny famitana ny tetezana lava mirefy 6,1km manavatsava ny renirano Padma, izay mampifandray ny faritra atsimo-andrefan'i Bangladesh amin'ny avaratra sy ny faritra atsinanana. Maro no manantena fa hanova ny tontolo ara-toekarena any amin'ny faritra atsimo-andrefan'i Bangladesh ny Tetezana Padma vaovao.
Na izany aza, ao ambadik'izany fampanantenana ara-toekarena rehetra izany ny tantaran'ny vaovao tsy marina momba ny tetezana Padma izay efa nitarika fisamborana olona miisa valo sy maty roa.
Niteraka resabe ny vaovao tsy marina momba ny fanaovana sorona olombelona
Vetivety dia niparitaka tamin'ny tambajotra sosialy ny tsaho izay nilaza fa mila “lohan'olona” ny tetezana Padma mba hamitana azy haingana :
বাঙালির নতুন গুজবের আমদানী হয়েছে>>>>
কিছুদিন ধরে কিছু গাজাঁখোর মিথ্যুক প্রচার করতেছে – পদ্মা সেতুতে নাকি ১ লক্ষাধিক মানুষের মাথা লাগবে বলে গুজব ছড়াচ্ছে। এটি সম্পূর্ণ অসত্য বানোয়াট গাঁজাখোরী কাহিনী। এসব মিথ্যাচারে কেউ কান দিবেন না– pic.twitter.com/tyTbw16JnS— ❣ Mr. MD-S A I F..👉💘🏏⚽ (@S_Alam1999) July 9, 2019
Misy tsaho vaovao mivoaka eto an-tanàna. Manaparitaka lainga ny olona mamon-drongony fa mila lohan'olombelona miisa 100.000 ny famitana ny tetezana Padma. Lainga izany ary tena tsy mitombina . Aza mihaino ireo tsaho ireo.
Efa nivadika ho famonoan'olona ny honohono. Nisy ny tatitra fahafatesan'olona roa tany amin'ny faritr'i Mohammadpur ao Dhaka sy any Ashuganj ao Bramhonbaria taorian'ny niahiahin'ireo andian'olona azy ireo ho naka an-keriny ankizy ho atao sorona ho fananganana ilay tetezana. Tamin'ny tranga vitsivitsy hafa, nisy olona voalaza ho naka an-keriny nodarohana tany amin'ny faritra hafa tao amin'ny firenena. Nanambara nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny lehiben'ny polisy ao amin'ny distrikan'i Laxmipur hoe:
যাদেরকে ‘ছেলে ধরা’ সন্দেহে আটক করা হচ্ছে পরবর্তীতে জিজ্ঞাসাবাদে দেখা যায় তারা কেউ মানসিক রোগী বা কেউ ভিখারী। ‘ছেলে ধরা’ খবরটি একটি নিছক গুজব।
Na olona marary saina na olona tsy manan-kialofana ireo izay nodarohana sy notanana noho ny fiampangana azy ireo ho mpangalatra ankizy. Tsaho fotsiny ny filazana ho “fakana an-keriny ankizy” .
Araka ny voalazan'ny andininy faha-25 amin'ny Lalànan'ny Fiarovana Nomerika 2018, mety hiatrika telo taona an-tranomaizina na handoa lamandy mitentina BDT 300.000 ( 3.550 USD) na izy roa mitambatra ny olona iray mampiely tsaho amin'ny endrika elektronika. Hatreto, olona miisa valo no efa voatazona manerana an'i Bangladesh noho ny fanaparitahana izany tsaho izany tao amin'ny Facebook.
Tsaho taloha niverina indray
Na dia voalaza aza fa nampifandray ireo tsaho ireo tamin'ny lahatsoratra nivoaka tamin'ny taona 2015 ny olona sasany izay nilaza fa nanao fifanarahana tamin'ny fanaovana sorona biby (osy sy omby) ireo mpiasa avy amin'ny orinasam-pananganana Shinoa nandritra ny dingana fanatanterahana voalohany ny tetikasa tamin'ny fananganana ny tetezana. Mampifaly an'Andriamanitra ny fanaovana sorona biby araka ny finoan'ny mpiasa Shinoa ary azo fantarina mialoha raha misy ny loza lehibe hitranga. Nizara ny sarin'izany biby izany izay natao sorona ny olona sasany mba hanehoana ny ran'ny olona latsaka sy ny tantaran'ny ankizy notapahan-doha ho an'ny tetezana.
Tsy zava-baovao ao Bangladesh ny karazana tantara tahaka izany. Nisy angano fahiny izay milaza fa ilaina atao sorona ny lohan'olombelona rehefa misy ny fanamboarana lehibe. Nahatsiaro ilay tsaho nitovy tamin'izany tamin'ny fahazazany ny mpisera Facebook HR Sanvi Ahmed nandritra ny fananganana ny tetezana Kanchpur tany amin'ny faramparan'ny taompolo 1970:
স্কুলে পড়তাম তখন। এক বিকেলে ৪/৫ জন বন্ধু মিলে খুব চিন্তিত। কাঁচপুর ব্রিজ তৈরি হচ্ছে। এখন ব্রিজের জোড়া শক্তপোক্ত করতে মানুষের হাড় প্রয়োজন। যেটা সবসময়ই লাগে বড়বড় সেতু বানাতে। প্রায় ৫০০ মানুষের হাড়। আর এই হাড় সংগ্রহের জন্য মূলত শিশুদেরকেই টার্গেট করা হচ্ছে। স্কুলেস্কুলে কাফনের সাদা কাপড়সহ চিঠি যাচ্ছে। আমাদের স্কুলেও চিঠি এসেছে। শিক্ষকরা প্রতিদিন ২/১ জন করে পাঠিয়ে দিচ্ছে বাচ্চাদেরকে সেতুওয়ালাদের কাছে। এমতাবস্থায় খুব চিন্তিত আমরা। খেলাধুলা বাদ দিয়ে চিন্তা করছি। আমাদেরকেও কিনা পাঠিয়ে দেয়! রাতে ঘুম বন্ধ হয়ে গিয়েছিলো। ছোট মাথা, অনেক বড় দুঃশ্চিন্তা।
Mbola mpianatra aho tamin'izany. Niresaka matetika momba ny fanamboarana ny ambanin'ny tetezana Kanchpur ireo namako. Voalaza tamin'izany fa notakiana ny taolan'olombelona mba hanamafisana ny tongotry (fototra) ny tetezana. Farafahakeliny taolan'olombelona miisa 500 no takiana ho amin'ilay tetezana lehibe. Lasibatra ny ankizy ary nalefa tany amin'ireo sekoly ireo fitakiana. Nahazo taratasy toy izany ihany koa ny sekolinay. Nandefa ankizy 1 na 2 nankany amin'ny mpiasan'ny fananganana tetezana ireo mpampianatra. Somary nanahy sy natahotra izahay. Raha toa ka ho alefa any ihany koa izahay . Tsy nahita tory izahay nandritra ny alina. Betsaka ny ahiahy tao an-doha kelinay!
Nipoitra indray ny tsaho nitovy tamin'izany nandritra ny fananganana ny tetezana Shah Amanat teo ambonin'ny renirano Karnaphuli any Chittagong tamin'ny taona 2010.
Tamin'ny angano Haindò taloha no nahenoana voalohany ny fanaovana sorona olombelona. Voalaza tany anaty lahatsoratra maro be taloha fa notapahana ny lohan'olombelona mba hanomezam-boninahitra ireo demonia alohan'ny hananganana tetezana miampita ny renirano mikoriana. Fomba fanao teo amin'ny sivilizasiona Pundra tany amin'ny dimy arivo taona lasa ny Narboli (sorona olombelona) mba hampifaliana ny andriamanibavin'ny fambolena.

Vita tamin'ny taona 1750 ny farihy Ramsagor ao amin'ny Distrikan'i Dinazpur any Bangladesh. Araka ny angano, tsy nisy rano teto tany amboalohany fa rehefa nanao sorona ny ainy tao amin'ity farihy ity ny Printsy Ramnath dia feno rano izany. Sary avy amin'i Selim Khondokar. CC BY- 4.0
Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny BBC, nanamafy ny maha-zava-dehibe ny angano i Susmita Chakrabarti, mpampianatra ao amin'ny Departemantan'ny Fomba Amam-panao ao amin'ny Oniversiten'i Rajshahi.
প্রত্যন্ত অঞ্চলের মানুষ পূর্বপুরুষদের কাছ থেকে যেসব গল্প শুনে আসে, কোনো ধরণের যাচাই ছাড়া সেগুলো বিশ্বাস করার প্রবণতার কারণেই এই প্রযুক্তির যুগেও সেসব গল্প সত্যি বলে দৃঢ়ভাবে বিশ্বাস করে।
Efa zatra ireo angano ireo ny taranaka nifandimby. Noho izany, mora mino ny tsaho toy izany izy ireo kanefa tsy manamarina, na dia amin'izao vanim-potoanan'ny teknolojia izao aza.
Raha niezaka namehy ny fiparitahan'ity tantara ity ny governemanta Bangladeshi dia nilaza izy ireo fa handray fepetra hentitra amin'ireo izay manely tsaho:
পদ্মা সেতু তৈরিতে মাথা প্রয়োজন এমন গুজব ছড়ানো ব্যাক্তিদের তথ্য দিয়ে এদের ধরিয়ে দিন।
যারা গুজব ছড়িয়েছে তাদেরকে গ্রেপ্তার করা শুরু হয়েছে.. pic.twitter.com/GeFjszSk2u— Rayahan Habib Khan (@rayahan_habib) July 9, 2019
Mitandrema amin'ireo olona izay manely tsaho fa mila lohan'olombelona ny tetezana Padma. Efa nosamborin'ny polisy izy ireo.
Namoaka fanambarana tamin'ny 9 Jolay 2019 ny tompon'andraikitra mpanangana ny tetezana izay nandà ny tsaho momba ny sorona ary nilaza izy ireo fa ny faritra “mitady tombontsoa manokana” no nanaparitaka izany, ary nangataka ny vahoaka mba tsy hiraharaha ny tantara tsy misy fototra toy izany.
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...