Ity lahatsoratra ity dia isan'ireo ao anatin'ny andian-dahatsoratra nomena ny lohateny hoe « Portraits of Exile » izay mitrandraka ny zavatra iainan'ireo vehivavy iraniàna any am-pielezana mitady ny fahalalahana sy mampiseho ny fahazai-miatrika ananan-dry zareo. Ny tantara dia fahatsiarovana ny fahafatesana nampahonena nanjo an'i Mahsa Jina Amini , vehivavy kiorda 22 taona maty novonoin'ny pôlisin'ny fitondrantena noho izy tsy nandrakotra manontolo ny volony. Niteraka onjam-panoherana midadasika tao Iràna io tranga io, izay mbola mitoetra foana hatramin'izao na eo aza ny fitomboan'ny famoretana ataon'ny governemanta.
Samy mpianatra tao amin'ny anjerimanontolon'i Teheran izahay sy Maryam Palizban tamin'izany fotoana izany, saingy tsy nifanena mihitsy ny làlanay nandritra ireny taona ireny. Ny fandalovanay tao dia nifanojo tamin'ireo hetsipanoherana nataon'ny mpianatra [fr] izay haingana be dia voaporitra, ahatsiarovana ireo taona tena nanjombona indrindra taorian'ny revôlisiônan'ny 1979 [fr], fotoana nahitan'ny mason'ireo ray amandreninay ny famonoana [fr] ny mpiray lakilasy taminy tao amin'io anjerimanontolo io.
Nahasarika ny saiko i Maryam tao anatin'ilay sarimihetsika « Deep Breath », izay nahita fahombiazana lehibe, toy ny nahatafidirany ho kandidà iraniàna hàka ny Loka Oscar 2004 natao ho an'ireo sarimihetsika vahiny. Ankoatra ireo fankasitrahana azony, ny « Deep Breath » dia maneho ny tolona mivaivay ataon'ny andian-taranaka misy anay mba hitondra aina vao ao anatin'ny banga iray tsy misy rivotra azo iainana.
Taona marobe taty aoriana, nifanena tao Berlin ny làlanay. Izy nahazo “doctorat” tamin'ny fianarana ny tantara an-tsehatra tao amin'ny Freie Universität ao Berlin ary nazoto be nanao fikarohana tany amin'ireo ivon-toerana akademika tao an-tanàna. Matetika nandeha tany Iràna izy noho ny asany.
Hiala an'i Iràna
Maryam, toy ireo vehivavy marobe azo sary tao Iràna, dia niatrika teritery goavana momba ny fahalalahany, eny fa na tany ivelan'ny fireneny aza. Rehefa misaintsaina ny làlana nodiaviny, nozarainy fa :
Tsy faniriany velively ny handao an'i Iràna. Na teo aza ny tsindry avy amin'ny fianakaviana ny mba handehanako mianatra any ivelany, dia tsaroako ho nifàka lalina tamin'ireo fototra niaviako tao aho. Nandray anjara tao anatina tarika kely iray mpilalao an-tsehatra aho teny amin'ny anjerimanonotolo ary nahavita fivoarana be teo amin'ny tontolon'ny sarimihetsika. Kanefa, ny resa-pitiavana namatotra ahy tao Berlin no nampanano-sarotra ny fijanonako tao Iràna. Na ny fianakaviako na ny zava-misy ao Iràna dia tsy hamela anay mihitsy ho tafaraka an-kalalahana.
Nandao an'i Iràna aho, saingy ny tanjoko voalohany dia ny hitazona ny fahafahako mivezivezy tsy tapaka any. Ireo asa fikarohana rehetra nataoko, dia nifantoka daholo tamin'i Iràna, nipetraka tany ny fianakaviako ary niraiki-po lalina tamin'ny sarimihetsika, ny teatra ary ireo mpiara-miasa tamiko tany aho.
Nandritra ny tafatafa iray nifanaovany taminay taorian'ny fankalazana ny tsingerintaonan'ny « Vehivavy, Fiainana, Fahalalahana », izay dingana iray manandanja tena nanamarika ny fiainany, no nizaràn’i Maryam ireo fihetsehampo ireo taminay.
Monina any ivelany, tamin'ny fotoana nankasitrahana hatrany hatrany ny « Deep Breath » tamin'ireo hetsika malaza ho an'ny sarimihetsika, nanomboka nahazo tolotra hitazona anjara toerana tany ivelan'i Iràna i Maryam. Na izany aza, niatrika olana izy: na hanaiky hiasa any ivelany dia mety ho very ny vintana hahafahany miverina, na hanaraka ireo fenitra iraniàna napetraka ho an'ireo mpilalao sarimihetsika. Farany, nisafidy ilay làlana farany izy. Rehefa nisaintsaina ny fanapahankeviny dia hoy izy : « Toedraharaha nanahirana be ilay izy. Fiainana roa mirazotra no niainako nandritra ny taona marobe. »
Fiainana roa mirazotra
Rehefa tafahaona tamin'i Maryam tao Berlin aho, sarotra taminy ny nampifandrindra ireo fiainany roa samihafa tao Iràna sy tao Alemaina. Notandremany manokana ny tsy ho azo sary tsy mirakotra “hijab”, izay iray amin'ireo fepetra takiana amin'ireo mpilalao sarimihetsika ao Iràna.
Nandritra izany fotoana izany, Amin'ny maha-mpikaroka azy mandray anjara amin'ireo kaonferansa any ivelan'i Iràna, nitondràny fanamarihana fa : « Raha ny hafa mikarakara kabary, izaho indray miasa saina momba izay handrakofako ny voloko na ny sao hopihan'ny olona sary ao amin'ilay fihaonana sy amoahany izany any ananona any. »
Tsy ny “hijab” ihany anefa no sakana amin'ny fiainana maha-matianina malalaka. Mitàna toerana goavana ihany koa ireo olana pôlitika, mibaiko izay azo na tsy azo tenenina. « Indray andro, nandray fitenenana aho momba ny tantaran'ny fandevenana an'i Khomeini. Alaivo sary an-tsaina, na eo aza ny maha-zavadehibe an'ilay lahatsoratra, ny zavatra tokana azoko noeritreretina dia ny hahazoako antoka ny tsy hamoahana azy. Toy izany koa, miaraka amin'ilay bokiko mahakasika ny fanehoana ny maritiora amin'ny ta'ziyeh, tantara iray manaraka fombafomba mitanisa ireo tantara ara-pinoana, ara-tantara sy anganongano, nandray fepetra ho fisorohana ny fandikàna azy ho amin'ny fiteny persiàna.
Na teo aza ny fitandremany, tamin'ny fiverenany tao Iràna, mazàna i Maryam no nanaovana fakàna am-bavany elabe. « Milaza ry zareo hoe te-hitafa aminao, dia rehefa manaraka ianao, fakàna am-bavany kay ilay izy », hoy izy nanazava. « Taorian'ireny « tafa » ireny, nankahery ahy ireo namako tamin'ny filazàna hoe: « Ara-dalàna izany. Nandalo teo daholo izahay. Ekenao toy ny zavamisy iainana ilay izy, dia miteny amin'ny tenanao ianao hoe izay no sanda tsy maintsy aloa mba hahafahana miasa eto amin'ity tany ity.
Rehefa nanontaniako izy raha toa ny fiainany tany Andrefana no niteraka ireo fakàna am-bavany, dia hoy izy : « Sady izany, no koa isaky ny mitombo ny isan'ny “tsia” voateninao, mihamafy ny tsindry. Tanaty tetikasa marobe, fantatro mazava tsara ny fifandraisan'ireo mpanatontosa na ireo mpamokatra amin'ny Corps des Gardiens de la révolution islamique (CGRI) sy ny loharanon'ny famatsiambolan-dry zareo. Ianao tsy te-ho voasaringotra amin'ireny asa ireny. Io fandalinana amin'ny antsipirihany io no mametraka ny rehetra hitodika any aminao.
Ny làlan'ny sesitany
Ny dian'i Maryam farany tany Iràna, tena talohan'ilay valanaretina COVID-19 mihitsy, dia ny handraisana anjara tamin'ny famokarana teatra iray. Na herintaona aza ny fanazarantena natao, alina dimy monja dia vita ilay famokarana. Nisedra fahasarotana maro ny fikarakarana, hatrany am-piandohana, noho ny fanapahankevitry ny ekipa hanao ankivy ny fetibe Fajr , teo ambany fiahian'ny governemanta, ho fanoherana ny namotehan'ny CGRI ny sidina PS752 tamin'ny Janoary 2020, namoizana ain'olona 176.
Rehefa tafaverina tany Alemaina, mbola sarotra tamin'i Maryam ihany ny nampifandrindra fiainana roa mirazotra. « Tao Berlin, voatery niresaka momba ny pôlitika ara-kolontsaina aho», hoy izy nitantara. « Rehefa tsapako ny filàna manana ny maha-izy ny tena, nanoratra lahatsoratra iray feno fihetsehampo momba ny fahasamihafàn'ny mpiaka-tsehatra ara-kolontsaina sy ny mpandraharaha ara-kolontsaina aho. Ny alina nialoha ilay lahateny, nofy iray nazava be momba ny namonoan'ny miaramila ahy no nitondra ahy hanapaka hevitra hoe tsy ho afaka handray anjara no sady hirakotra sarondoha. Tsy nalefako tao amin'ny tambajotra sôsialy ilay izy ary avy eo notakonako ireo sary », hoy ny tsiaron'i Maryam.
Rehefa nisaintsaina ny zavatra niainany izy, dia hoy i Maryam : « Lasa tena sarotra be sy naharary kokoa ilay dingana »
Ny fotoan-dehibe ho an'ny 2022
Tamin'ny 2022, tonga ilay fotoan-dehibe, niaraka tamin'ny « Vehivavy, Fiainana, Fahalalahana » izay niasa ho toy ny fanoitra nitondra ho amin'ny fanapahankevitra feno fahasahiana noraisin'i Maryam hiseho tsy misarona “hijab” – tsy hoe fotsiny safidy manokany fa fanambaràna pôlitika manandanja iray. Nandefa sary iray izy, tsy misy “hijab”, tao amin'ny Instagram, nisy soratra hoe : « Ny vehivavy, ny sarimihetsika, ny teatra, ny kolontsaina, ny zavakanto, ny siansa, ny finoana, tsy fanananareo i Iràna ! Tsy fanananareo izahay ! Fandemena, fandrahonana, fampijaliana, famonoana… izany rehetra izany no anareo ! Halanay ianareo!”
Nanontaniako izy raha tsapany hoe zavatra tsy azo iverenana ilay hetsika nataony, loza mananontanona ny ainy raha handeha ho any Iràna sy hiasa any amin'ny maha-mpilalao an-tsehatra, izay manamarika indrindra indrindra ny fiandohan'ny fipetrahany an-tsesitany. Dia « Eny » no navaliny.
Avy eo niova ny zavatra rehetra: nisy fiovàna goavana ny fifandraisan'i Maryam tamin'ireo marobe mpiaramiasa taminy tany Iràna. « Nisy ampahany tamin'ny fiarahamonina nanapaka ny fifamatorany tamiko », hoy izy. Na teo aza ny firotsahan'ny vitsivitsy tamin'ireo mpilalao hafa tamin'ny pôlitika tany aloha, mbola tsy ampy ny isan-dry zareo. « Raha nisy mpilalao maromaro kokoa mandefa sary tsy mirakotra “hijab”, tsy ho nahavita nanery mafy antsika ny fitondràna », hoy i Maryam.
Nihoatra noho izay noeritreretiny ny habetsak'ireo fandrahonana sy fanafihana nomerika. Miaraka amin'io tsindry io, tsapany ny filàna mamerina mamaritra ny fifandraisany amin'i Berlin, ilay tanàna niainany tamim-pitiavana nandritra ny taona maro, lasa toy ny toerana iray fonenana an-tsesitany.
Ny fiainana an-tsesitany
Efa ho herintaona aty aorian'ilay tafiotra namely ny fiainan'i Maryam Palizban, io zavatra niainany io dia nampitahainy tamin'ny ady iray naharitra herintaona niafara tamin'ny fanamafisana ny fahavononany. Eny fa na tao anatin'ireo fotoana tena faran'izay nikitroka taminy aza, « tsy nanenenany velively » ny fanapahankeviny. “Tsaroako ho akaiky kokoa ny tenako ihany aho ankehitriny.”
Nozarainy tamiko ihany koa ny fanohanana lalina izay nanome azy indray ny fahatokisana fony izy teo amoron-tevana. « Nitondra fanampiana sarobidy ho ahy ny olon-tiako sy ny zanako lahy ; izy ireo no vato fantsika mihazona ahy eto. Saingy vetivety foana dia tsapako fa mila misimisy kokoa aho, ka dia nangataka fanohanana psikôlôjika avy amina matianina.
Nahazo fankaherezana teo anivon'ny vondrom-piarahamonina iray vaovao ivondronan'ireo iraniàna mpikatroka ao Berlin, natambatry ny hetsika « Vehivavy, Fiainana, Fahalalahana », nanavao ihany koa ny fifamatoram-pitokisany tamin'ireo mpifandray taminy any Iràna i Maryam.
Naneho ny fanantenany izy, tamin'ny fanamafisana fa na tsy tonga hatrany amin'ireo endrika rehetran'ny fiarahamonina iraniàna aza ilay fiovàna, dia tsy azo lavina ary tena nisy izany. Naneho ny faharesen-dahatra ananany i Maryam, hoe « nisy zavatra tena niova tanteraka tamin'ny 2022, nanamarika zavabita niavaka ».