Loka, fitafy maka tahaka, sy fialamboly miavaka hafa nandritra ny fifidianana sarintsariny nataon'i Poutine

 

Nandritra ny 25 taona mahery i Vladimir Poutine no teo amin'ny fitondrana. Pikantsary avy amin'ny lahatsary fantsona YouTube DW. Maimaim-poana.

Ny fifidianana ny 15 ka hatramin'ny 17 martsa no fifidianana fahadimy ho an'i Vladimir Poutine, izay teo amin'ny fitondrana nandritra ny 25 taona mahery. Maro amin'ireo mpanara-maso no niantso izany ho fombafomba amin’ny ‘dingana atao amin’ny fifidianana‘ ihany fa tsy tena fifidianana satria tsy misy ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, teo ny famoretana ireo endrika tsy fitovian-kevitra rehetra, ary ny tsy fanekena ireo kandidà mahaleotena madinika, izay efa ela no nanamarika ny fifidianana nataon’i Poutine.

Na izany aza, tahaka ny tamin'ny fotoan’andro Sovietika, mila olona hakany amin’ny biraom-pifidianana ny fitondrana ankehitriny mba hanehoana ny maha ara-dalàna ny fitondrana ao anatin'ny firenena, izay natao indrindra ho fanohanana betsaka an'i Vladimir Poutine. Nitady fomba hanaovana ‘fialam-boly’ izay hahasarika ny olona hifidy noho izany ireo manampahefana tompon'andraikitra tamin'ny fanatanterahana ny fifidianana, indrindra any amin'ny faritra.

Na nisy aza ny fampanantenana ny fisarihana sy ny loka tany amin'ny faritra maro, ny sasany ihany koa dia nikarakara fanovana endrika tamin’ny alalan’ny fitafy sy haingo hafahafa mba hakana sary. Nanangona ny sasany tamin'izy ireny tao amin'ny kaontiny X, Twitter teo aloha ny mpanao gazety mpanao fanadihadiana Andrey Zakharov.

Zoro fialamboly tao amin'ny birao fandatsaham-bato

Loka fisarihana tao amin'ny birao fandatsaham-bato

Afaka manapa-kevitra ny tsirairay hoe hitondra inona ho azy ireo izany

Kaonty fampahalalam-baovao tsy miankina maromaro ihany koa no nandefa lahatsary tamin'ny fandatsaham-baton'ny fifidianana tany amin'ireo faritra ao Rosia

Iray amin'ireo voalohany tonga tao amin'ny biraom-pifidianana i Chebyrashka [sariitatra Sovietika]. Te hanatrika ny fifidianana ny filoha Rosiana izahay, hoy izy angamba.

Inona no fialam-bolin'ny olona tao amin'ny biraom-pifidianana any Rosia?

Niverina tany Rosia indray i Tucker Carlson. [Izy no mpanolotra fandaharana Fox TV teo aloha izay niantsafa tamin'i Poutine vao haingana]

Naharitra hatramin'ny 8 ora alina ny fifidianana sarintariny tamin'ny 17 martsa. Nandresy tamin'ny vato maherin'ny 85 isanjato i Poutine raha ny ‘valim-pifidianana’ savaranonando nambaran'ny vaomieran'ny fifidianana tamin'io andro io ihany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.