Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Septambra, 2018

Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Septambra, 2018

26 Septambra 2018

Ejipta : Ravan’ny afo ny foiben’ny ‘’Antokon’ny Rahampitso’’

Ho tohin’ny andiana trano may nitranga tao Ejipta dia indro entina amintsika indray ny tantaran’ny fahamaizana trano iray hafa izay nitranga tao amin’ny foiben’ny antoko politika Hizb al-Ghad (Antokon’ny Rahampitso) tao Kairo.

18 Septambra 2018

Armenia: Tsingerintaona faha-21 ny horohorontany 1988

Nanamarika ny faha-21 taonan'ny horohorontany tamin'ny taona 1988 izay nandravarava faritra maro tany avaratr'i Armenia ny Alatsinainy teo, horohorontany izay nahafatesana olona 25 000 ary tsy manan-kialofana marobe.

16 Septambra 2018

Libanona: Lasibatry ny fiara voasesika baomba ny kapiteny iray miady amin'ny fampihorohoroana

Mbola nisy indray ny fanafihan'ny mpampihorohoro iray hafa (28/01/2008) nikendry an'i Libanona izay nahafatesan'olona sy nahasimban-javatra. Namono ny manampahefanan'ny polisy iray mafana fo amin'ny ady amin'ny fampihorohoroana ao Libanona ny fiara iray voasesika baomba, tavela tao ny kapiteny Wissam Eid sy ny olona telo hafa.

14 Septambra 2018

Ny Rivodoza Mahery Indrindra Namely An'i Japana Tato Anatin'ny 25 Taona, Adino Tanteraka Noho Fisian'ilay Horohorontany Goavana Ny Ampitso

Miady mafy ireo media mba handrakotra ny fifandimbiasan'ireo loza mahatsiravina, namela ny mponina hieritreritra hoe misy loza sasantsasany manakona ireo loza hafa tsy ho ao an-tsain'ny vahoaka.

Meksika: Ny hamehana tao Tabasco 

Namely mafy ny fanjakan'i Tabasco ny oram-batravatra izay niteraka tondra-drano . Tahaka izany no nitranga tamin'ireo loza voajanahary vao haingana izay nanohanan'ireo bilaogera miaraka tao Meksika ireo niharam-boina sy nampielezan'izy ireo ny vaovao momba ny fomba sy ny toerana hanaovana fanampiana.

12 Septambra 2018

Libanona: Lahatsoratra Noraisina Tsy Ankifidy Nandritra Ny Fialantsasatra

Nifanandrify ny andro telo tsy fiasana. Ny taona 2007 no iray amin'ireo taona vitsy ifanandrifian'ny fanisanandro litorjika ho an'ireo kristianina ortodoksa sy ny kristianina katolika. Noho io antony, niara-nankalaza ny fetin'ny Paska avokoa ireo vondrom-piarahamonina kristianina libaney rehetra

Miatrika tondra-drano tsy mbola nisy toy izany i Shina, nisambotra vehivavy roa ho nampiely tsaho ara-pahasalamana ny manampahefana

GV Mpisolovava

Mpampiasa WeChat roa tao Shouguang, faritanin'i Shandong no nosamborina tamin'ny 25 aogositra 2018 noho ny fanaparitahana "tsaho" momba ny fihanaky ny aretina eny amin'ny biby fiompy noho ny tondra-drano goavana tao Shandong.

09 Septambra 2018

Nalahelo i Brezila satria lasa lavenona ny harena tranainy indrindra tao amin'ny Mozeam-pirenena

Vaky fo ny Breziliana tamin'ny alahady 3 septambra taorian'ny nahamaizan'ny Mozea Nasionaly, ny tranainy indrindra ao amin'ny firenena ary azo antoka fa mpiambina ny tantara voajanahary sy ny angona haiolona (antropolojia) lehibe indrindra ao Amerika Latina.

07 Septambra 2018

Azia Atsimo-Atsinanana : Ny fiakaran’ny vidim-bary

Nisondrotra maneran-tany ny vidim-bary sy ny entana ilaina andavanandro. Miantraika amin’ny olona an-tapitrisany na koa angamba an’arivony tapitrisa mihitsy aza ny fiakaran’ny vidin-tsakafo. Mampisalasala indray ny politika ara-tsakafo. Nametraka fepetra haingana ny governemanta mba hampitoniana ny ahiahin’ireo mpifidy ao aminy.

04 Septambra 2018

Egypta: Voina nitranga ao Doweiqa

Nanoratra momba ny loza nitranga tao Doweiqa izay nahafatesan'olona maherin'ny 30 noho ny fianjeran'ny vato ny bilaogera Egyptiana. Azo natao ve ny nisoroka ity loza ity? Ary nahoana no ireo olona fadiranovana indrindra hatrany no tratran'izany?