Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Oktobra, 2014
Tafio-drivotra Mahery Vaika Vongfong Namono Olona 2, Maherin'ny 70 Kosa No Naratra Tao Japana
Olona teo amin'ny roa tapitrisa teo no nafindra toerana, ary mbola goavana ny fahasimbana tao amin'ireo faritra ambanivohitra mitoka-monina tahaka ny ao Okinawa na dia misy fetrany aza
Inona No Ratsy Indrindra Ho An'i Inda: Ny Rivodoza Hudhud Sa Ny Fisavoritahan'ny Media Momba Azy?
Tao amin'ny Twitter, nitaraina ireo Indiana maro fa ilay fanaingàna fihetseham-po tafahoatra tany anatin'ireo vaovao no tena nahatonga ny fahapotehana be indrindra fa tsy dia ilay rivodoza loatra.
Tselatra Namono Wiwa 11 Tao Kolombia
Namely tanàna kely indizeny iray ny tselatra tamin'ity herinandro ity, ka nahafatesana olona 11 ary 18 hafa naratra tao Sierra Nevada an'i Santa Marta, Kolombia.
Nisy Nirehitra Tao An-dapa Ambohitsorohitra
Fanamarihana: Ny sary rehetra ato dia nalain'i Avylavitra, ary ampiasaina irery ihany ho an'ny Global Voices Nisy firehetana nahataitra ny maro tao amin'ny Lapan'ny Fiadidiana ny Repoblika tao Ambohitsorohitra io...
Lahatsary Tamin'ny Fipoahan'ny Tendrombohitra Ontake Tao Japàna
Olona iray no fantatra fa namoy ny ainy, mpitsangatsangana teo amin'ny dimampolo teo no naratra mafy, ary olona folo tsy hita popoka taorian'ny fipoahan'ny Tendrombohitra Ontake (御嶽山, Ontake-san),