Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Aogositra, 2022
Mitohy ny fitiliana COVID na eo aza ny fiakaran'ny hafanàna, ny haintany, ny fahatapahan-jiro sy ala may
Nizaka onjan-kafanana sy haintany henjana be tsy mbola nisy teo amin'ny tantarany i Shina. Na izany aza, tsy nahasakana azy tsy hiroso amin'ny fanaovana fitiliana COVID-19 manerana ny firenena anefa ireo loza voajanahary
Rosia, Shina, Afghanistan ary ireo firenena hafa ao Azia Afovoany : ny fifindra-monina sy ny asa an-terivozona-fanandevozana ara-nofo
Heverina ho singa manamora ny vondron'olona marefo ho eo am-pelatanan'ny fanondranana olona an-tsokosoko ny krizy ara-toekarena, ny fampihenana ny fandaniam-bolam-panjakana ary ny tsy fisian'ny asa.
Mampihena ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetrandro any Gran Chaco, Amerika Atsimo ny tetikasa fampifandraisana nomerika
Ahafahan'ny vondrom-piarahamonina Gran Chaco mandamina, mifandray ary mihetsika amin'ny fomba ara-potoana kokoa amin'ny hamehana ara-toetr'andro ny fifandraisana sy ny fidirana amin'ny teknolojia.