· Mey, 2017

Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Mey, 2017

Egypta: Nirehitra Ny Teatira Nasionaly

Toa hita fa nahavita namelona indray an'i Néron ny Egyptiana . Ary misy ny lisitra lavan'ireo toerana izay hodoran'ny Néron Egyptiana . Ary nanomboka izany tamin'ny Parlemanta Egyptiana izy herinandro vitsivitsy lasa izay, ary ankehitriny tonga ny fotoana ho an'ny Teatira Nasionaly Egyptiana .

Nikaragoà: Ny Takaitra Navelan'ny Horohorontanin'ny Taona 1972

  29 Mey 2017

Tamin'ny 23 Desambra 1972, namely an'i Managoa, Nikaragoà ny horohorontany mahery vaika amin'ny maridrefy 6.2, namono olona 5.000, sy maratra 20.000, ary tsy manan-kialofana 250.000. Ankizy tamin'izany fotoana izany ilay bilaogera Nikaragoàna, Homero, saingy manana ny fahatsiarovana ireo voka-dratsiny, izay nosokajiany tamin'ny lahatsoratra vao haingana tao amin'ny bilaoginy.

Ejipta: Gaza No Lohateny Vaventy

Entin'i Eman Abd Al Rahman ho antsika ireo lohateny vaventy avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Ejiptiana milaza ny fahorian'ireo Palestiniana tao Gaza tamin'ny Janoary 2008. Andro efatra nanaovana fahirano nampilentika an'i Gaza ho anaty haizina, niteraka antso iraisampirenena sy hatezerana teny amin'ny arabe Arabo ho fampitsaharana ny fandripahana.