Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Mey, 2008
Shina : Fisaonana tao Tiananmen ireo maty sy niharam-boina nohon'ny horohorontany
hk1183 no manapariaka andiantsary maro nalaina tany amin'ny kianja malalaky Tiananmen, nandritra ny hetsika “3 minitram-pahanginana” ho fisaonana ireo maty sy fiaraha-miory amin'ireo niharam-boina nohon'ny horohorontany nitranga tany amin'ny faritry Sichuan, izay natao ny 19 May 2008 tany Beijing, any Shina, ary nahitana olona mpandray anjara maro.
Manokatra fahitalavitra ara-Aterineto natokana hitaterana ny vaovaon'ireo olontsotra mampita vaovao ny vohikala YouTube
Nihatsotra ny fahazoana tombom-potoana hanapariahana ireo vaovaon'ireo olontsotra mampita vaovao : ny vohikala mpampariaka lahatsary eto amin'ny Aterineto YouTube dia nanokatra fantsona fahitalavitra ara-Aterineto natokana hitaterana azy ireny, ary nampitondrainy ny anarana hoe CitizenNews [vaovaon'ny olontsotra]. Ireo Vlogger [video+blogger mpiblaogy amin'ny alalan'ny lahatsary] dia afaka misoratra anarana ary mampariaka ho hitan'izao tontolo izao...
Shina: Horohorontany nahatratra ny hery 7.8 izay tsapa saiky manerana an'i Shina
Tokony ho ora roa lasa izay, dia nisy horohorontany izay nahatratra ny hery 7.8 eo amin'ny metatry Richter [7,0-7,9 heverina ho toy ny horohorontany henjana izay mety mahatratra 18 isan-taona maneran-tany, sy ranomasina] izay nandona ny faritra Atsimo Atsinan'i Shina, dia ny faritanin'i Sichuan, izay tao amin'ny fivondronan'ny Wenchuan ny...
Shina : Horohorontany an-tsary
Nanagona sy nanapariaka andian-tsary mampiseho ny ny horohorontany vao nitranga tany amin'ny faritry Sichuan any Shina i ESWN [East South West North na Atsinanana Atsimo Andrefana Avaratra].
Maraoka : hatezerana sy alahelo noho ny orinasa izay nirehitra
Nisiana haintrano mahatsiravina roa tao an-drenivohitry ny toe-karena maraokana, Casablanca, tamin’ny faran’ity herinandro ity ka ny iray tao amin’ny orinasa mpanao kidoro ary ny faharoa kosa tao amina orinasa fanaovan-damba iray. Ampolony ny olona maty nandritra izany haintrano izany noho ny nanidian’ny mpampiasa ny toeram-piasana (avy any ivelany). Mitafatafa amin’alahelo...
Myanmar: Milona ny asa famonjena
Miakatra hatrany ny isan'ny maty tao Myanmar andro maro taorian'ny nandalovan'ilay rivo-doza mahafaty namely ny firenena. Razana maro no ariana (atsipy) any an-drenirano Tonga avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ny fanampiana saingy ny fitondrana miaramila no mampanano-sarotra ny hetsik'ireo fikambanana mpanampy avy any ivelany. Miharatsy ny toe-draharaha rehefa ny sakafo...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...