· Febroary, 2009

Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Febroary, 2009

Broney: Famatsiana ny tra-boinan'ny tondra-drano

  26 Febroary 2009

Satria singa iray ny ezaka fanangonana ireo fanomezana ho amin’ity famatsiana ity, dia narafitra mandritra ny herinandro vitsivitsy tao Brunei ny hetsika malala-tanana entina hamatsiana ireo tra-boina tamin’ny tondra-drano. Ny oram-baratra tamin’ny volana lasa teo dia nahatonga tondra-drano sy fihotsahan-tany tao amin’ny firenena, izay nandrava trano maro misy fianakaviana miisa hatrany amin’ny 200 no mihoatra, nahaverezana tany sy voly antapitrisany

Sodana: Miteny ao amin'ny Horonantsary ny mpandripa-bahoaka ao Darforo.

  22 Febroary 2009

Mampiseho ny fijoroana vavolombelon’ireo lehilahy efatra milaza fa nandray anjara tamin’ny herisetra sy famonoana tao Darforo ny horonantsary navoakan’I Aegis Trust, ary tsy matahotra akory ry zareo milaza fa fandringanana ireny. Natsofoka tao amin’ny zotra Hub ny horonantsary ary antenaina fa hanipy izany any amin’ny hafa ny olona mba hanaparitahana ny antontam-baovao.

Shina: Haintany ratsy indrindra tao anatin’ny 50 taona

  19 Febroary 2009

Namely ny 43% n’ny varimbazaha vokarin’ny firenena ny hay tany ratsy indrindra tao anatin’ny 50 taona, izay nipaka hatrany amin’ny faritany 12 sy ny velaran-tany mihoatra ny 9 300 hektara, ao amin’ny faritra avaratry Chine. Nampitandrina ny birao miahy ny faritany sy ny birao avo miady amin’ny haintany fa olona...

Malezia : ady amin'ny dengy sy ny tsikongonia

  11 Febroary 2009

Vokatry ny fitomboan'ny olona mararin'ny dengy dia manao fanentanana amin'ny ady amin'ity aretina ity ny fanjakana Maleziana. Araka ny fantatra tamin'ny volana lasa dia nahatratra 4 521 no isan'ny olona narariny ary 13 no matiny. Mampatahotra ny fiakaran'isan'ireo mararin'ny dengy. Tamin'ny taon-dasa dia nahatratra 49 335 ny isan'ny olona narary...