Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Novambra, 2018
Fiampitàna An'Ireo Sisintany Siria-Tiorka: Loza Isan'ora
"Nanao hazakazaka madinika 50 metatra teo ho eo izy ireo manelanelana ny làlana tara sy ny tendrombohitra... 30 minitra taty aoriana, nijanona ilay mpitaridalana sady niteny tamin'izy ireo fa efa nihoaran'izy ireo ny faritra mampididoza."
Pakistana: Karatra mandiso fanantenana
Noresahana betsaka ny tantaran'ny tsy fahaizana mitantana ireo fanomezana nangonina ho an'ny fanampiana ireo tra-boina ny tondra-drano tany Pakistana. Tsy izay ihany, fa nampametra-panontaniana ihany koa ny fomba fizarana ireo fanampiana sy ny fampiasana ireo vola tamin'ny tanjona hafa.
Syria: Maneho hevitra amin'ny fanidiana an'i Gaza ny bilaogera
Mbola manohy amin'ny fanaovana fahirano tanteraka ilay tehezan-tany i Isiraely, mihalatsaka ambany dia ambany ny toerana mahaolona. Ary raha mihovitrovitra amin'ny toetrandro tsy fahita firy ny ao Afovoany Atsinanana, dia tsy misy solika hanafanana na havadika herinjiro ny Gazaita.
MENA: Brrrrrrrrrrrrrr…Mangatsiaka
Brrrr ... Mangatsiaka be eto Afovoany Atsinanana no hafatra nirongatra tamin'ny bilaogy vao haingana. Ity famintinana izay nolazain'ireo bilaogera sasany momba ny hatsiaka ao amin'ny faritra, ao amin'ny toerana mafana sy indraindray mibaliaka masoandro manerantany.
Goatemala: Firaisankina ho an'i Haiti taorian'ny horohorontany
Tamin'ny taona 1976, nisy horohorontany nahafatesan'olona miisa 23.000 tany Goatemala. Ankehitriny (2010), 34 taona taty aoriana, niray hina hanampiana ireo Haitiana tamin'ny voina noho ny horohorontany nahazo azy ireo ireo Goatemalteka, tamin'ny alàlan'ny karazana ezaka fanangonam-bola samihafa sy ny endrika firaisankina hafa.