Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Desambra, 2017
Saripika: Namely Ny Nosy Mindanao Any Atsimon'i Filipina Ny Rivodoza Tembin Ny Omalin'ny Krismasy
"Entintsika am-bavaka ihany koa ireo fianakaviana mipetraka ao Pagalungan, Cotabato Avaratra izay niharam-boina ... tsy manana foibe fialofana izy ireo ary tsy mbola misy ny fanampiana nalefa ho azy ireo hatramin'izao fotoana izao..."
Krismasy Nilahatra Solitany Noho ny Tsy Fisiany Tao Nizeria
Nandany ora maromaro tao anatin'ny fiaran'izy ireo ny Nizeriana, nihitsoka teny an-dalana ary tsy afaka nody tany an-tanindrazany mba hankalaza Krismasy satria niharan'ny tsy fahampian-tsolika goavana ny mpamokatra solika lehibe indrindra aty Afrika.
Naroso Ny Fetiben'ny Rano Thailandey Mba Hampihenana Ny Zavo-tsetroka
Matetika no lasibatry ny zavo-tsetroka vokatry ny fandoroana ny zavamaniry any amin'ny nosy manodidina an'i Sumatra i Malezia sy Singapaoro. Mankany Thailandy hatrany ny olona sasany hitady lanitra madio kokoa. Ankehitriny anefa dia toa mijaly noho ity fahasimban'ny tontolo iainana ataon'ny olombelona ity ihany koa ny faritra sasany any Thailandy.
Maraoka: Naneho Hevitra Momba Ny Daroka Baomba Famonoan-tena Tsy Nahomby Tao Meknes Ny Bilaogera
Herinandro mafapàna tao Maraoka. Voalohany, nisy horohorontany madinika namely ny firenena tamin'ny Alahady alina, ary avy eo fikasana fanaovana vy very aina tamin'ny daroka baomba tao an-tanànan'i Meknes.
Tsy Vitan'ny Fanaovana Sary Mahatsikaiky Avy Amin'ny Mpandrindra Atômika Rosianina Ny Namono Ireo Siosionà Poritsaka Nokleary

"Tsy misy manasazy ny Rotenioma, na koa ny Rotenioma-106. Ny Rosatoma no faizin-dry zareo noho ireo vaovao mifanohitra sy noho ireo vazivazy tahaka izao fa tsy manao fanadihadiana matotra momba ilay loza"
Pejy Manontolon'ny Gazety Iray An-toerana Miresaka Taratra Nokleary Nampisahotaka An'i Shina
Heverina ho fanehoan-kevitra amin'ny mety hisian'ny ady ao amin'ny saikinosy Koreana ny pejy iray manontolo mampiseho ny fepetra fisorohana ny taratra nokleary.
Maraoka: Miresaka Momba Ny Fanahin'i Maraoka sy ny Daroka Baomba
Noho ny lahatsoratra iray tao amin'ny New York Times mitondra ny lohateny hoe "Ny Fanahin'i Maraoka", sahirana miady hevitra momba ny marina amin'ity fanambarana ity ny tontolon'ny bilaogy Maraokana.
Maneho Hevitra Momba Ny Vono Olona tao Virginia Tech Ny Tontolon'ny Bilaogy Maraokana
Andro vitsivitsy lasa izay, nitodika tany amin'ny vono olona tao Virginia Tech ny mason'izao tontolo izao; indrindra fa ny tontolon'ny bilaogy Maraokana, izay manamarika ny fifandraisana izay noezahin'ny Fox New natao teo amin'ny Silamo sy ny mpikomy Virginia Tech.