Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Marsa, 2011
Japana: Bitsika Vonjy Taitra Ho an'Ireo Ray Aman-dReny Mpialokaloka
Raha mbola mampanahy mafy ny toe-draharaha ao amin'ilay toby nokleary ao Fukushima Daiichi [en] ary mampitandry ny amin'ny fisian'ny taratra maheryvaika avy amin'ny iodine sy cesium zava-maniry sy ny rano ny governemanta, mitady toky sy torohevitra avy amin'ireo manampahaizana manokana any anaty aterineto kosa ireo ray aman-dreny manana zaza mbola kely.
Myanmar: Fitantarana ny Taorian'Ilay Horohorontany Avy amin'Ireo Mpiasa Mpanao Vonjitaitra
Mbola tena ao anatin'ny hatairana nentin'ilay horohorontany namely ny fireneny ary nanana hery 6.8 tanteraka mihitsy izao i Myanmar. roa andro aty aoriana. Nandika ireo tafatafa sy tantara samihafa avy amin'ireo mponina sy mpiasa mpanao vonjitaitra izay nanatri-maso ny halehiben'ny dona naterak'ilay fihetsehana tany amin'ny ilany avaratr'i Myanmar ny mpanoratra avy ato aminay mipetraka any Myanmar
Myanmar: Sary Avy Amin'ilay Faharavana Nentin'ny Horohorontany
Horohorontany iray nanan hery 6.8 no namely ny ilany avaratsa-atsinanan'i Myanmar ny harivan'ny Alakamisy 24 Martsa 2011, izay re hatrany akaikin'i sisintanin'i Thailand ary hatrany Vietnam sy Shina lavitra any mihitsy aza. Ilay fihetsehana dia namoizana aina 70 ary nandrava trano maherin'ny 240 tao Myanmar fotsiny. Tao an-tananan'i Tachilek, vatampaty maro no lafo ora maro taorian'ilay horohorontany.
Japana: Onagawa, ilay tany fonenako fahiny
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Horohorontany Japana 2011. Niala ny taniny tany Onagawa any amin'ny “préfecture” an'i Miyagi i @kombu_s, mpampiasa Ttwitter ka nifindra tany Sendai. Indro...
Japana: Tetikasa ara-kolontsaina ho fiaraha-mientana noho ny horohorontany
Tetikasa ara-kolontsaina miisa telo mifandray no nivoitra vokatry ny fahasimbana naterak'ilay horohoron-tany sy ny tsunami (tondra-drano mahery vaika) izay nianjady ny faritry ny morondrano avaratr'i Japana tamin'ny zoma farany teo dia ny 11 Martsa, taona 2011 izany. Nanporisika ny olona izy ireo teo amin'ny asa ara-kolontsaina sy teo amin'ny famoronana sy fizarana sary famantarana entina hanampiana ireo niharam-boina.
Japana: Mihevitra ny Anton'ny Fiainana
Navoakan'ny mpaham-bolongana maro izay mihevitra fa izany no tsara atao indrindra amin'izao fotoana izao ny poezia malazan'ilay Poeta Shuntaro Tanikawa "Miaina", izay mandalina ny dikan'ny fiainana.
Japana: Mikisaka any atsimo ny horohorontany? Matahotra i Kansai
Anisan'ireo lahatsoratra manokana mikasika ny horohorontany tany Japana 2011 ity lahatsoratra ity. Andro vitsivitsy aty aorian'ny horohorontany goavana namely ny faritra avaratra andrefan'i Japana dia mbola mitohy mihetsika hatrany ny...
Japana: Firariantsoa sy Vavaka atao amin'ny alalan'ny lahatsary
Ho setrin'ny toe-draharaha any Japana taorian'ny horohorontany, tsunami ary ny krizy nokleary dia nitodika tany amin'ny lahatsary sy ny mozika ny olona ho fomba hanehoany firariantsoa tsara indrindra sy ho fanohanana ny vahoakan'i Japana
Shina: Nifandrombahana ny nividy sira
Sady manafintohina no mampahonena ireo fihetseham-po tao Shina taorian'ny horohorontany, tsunami sy ny loza nokleary tao Japana, mbola sarotra ny fahatsapan'ireo firenena ny zava-nitranga tao Japana . Nanjary fanararaotana ho an'i...
Japana: Ireo lesona mikasika ny fitantanana ny krizy amin'ny fifaneraserana amin'ny vahoaka, omen'i Edano, Mpitantsoratry ny Governemanta
Tian'ny manampahaizana amin'ny Fifandraisam-bahoaka Takashi Kurosawa ny fomban'ity lehilahy ity, milaza amin'ny antsipirihany ny zavatra tsara ataon'i Edano ao amin'ny lahatsoratry ny bilaogy "ireo zavatra 10 Fianatra amin'ny Mpitantsoratry ny Governemanta Edano mikasika ny Fifandraisam-bahoaka eo amin'ny Fahaiza-mandinika ny Fitantanana ny Krizy" (枝野官房長官から学べる10のこと:危機管理広報の視点から).