Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Mey, 2019
Amerika: Jery todika 2008
Nodarohan'ny tafika mitam-piadiana Kolombiana ny tobin'ny mpiady anaty akatan'ny Tafika Revolisionera Mitam-piadiana ao Kolombia (FARC) miorina ao anatin'ny sisintanin'i Ekoadaoro, niteraka olana ara-diplomatika teo amin'ireo firenena roa tonta izany. Miaraka amin'ny filoha Venezoeliana Hugo Chávez nandray anjara tamin'ny adin-teny, izay tsy ela dia nivadika ho krizy ara-tsisintany tanteraka.
Syria: Mandefa ireo fanampiana any Gaza ny Vokovoko Mena (Volantsinana Mena)
Nitatitra momba ny ezaky ny vokovoko mena Syriana Arabo amin'ny fandefasana fanampiana any Gaza ny Syria News Wire androany. Nahomby tamin'ny fandefasana kamiao 11 ahitana fanafody sy sakafo milanja 230 taonina any Gaza ity vondrona mpanao asa soa ity, izay mpikambana ao amin'ny Komity Iraisam-pirenen'ny Vokovoko Mena.