Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Marsa, 2016
Tetikasan-tsarintany Japoney Mandrakitra Ny Fivezivezena Farany Nataon'ireo Niharam-boinan'ny Tsunami 2011
Tetikasa fandraketana an-tsarintany vaovao mamantatra ny fotoana farany niainan'ireo niharam-boina tamin'ny horohorontany sy ny Tsunami tamin'ny Martsa 2011 tao Japana.
Mifampiraharaha Amin'i Eoropa i Tiorkia Mba Tsy Handraisany Mpitsoa-ponenana
"Ny ahiahin'i Eoropa tsy mandeha afa-tsy ny mankany amin'ny fiarovana ny sisintaniny any ivelany sy ny fitazonana ny olona ho ao anatin'i Tiorkia – tsy manome vintana ny olona marefo sy ireo ankizy mandositra ny ady sy ny fanaovana antsojay ireo izay mba hitady fialofana any Eoropa..."
Syriana Manamarika Ny Tsingerintaona Fahadimin'ny Revolisiona Amin'ny Alalan'ny Fihetsiketsehana Bebe Kokoa
Mihoatra ny dimy alina sy roa hetsy ny isan'ny Syriana maty nisy namono hatramin'ny nanombohan'ny fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana dimy taona lasa izay. Na dia eo aza ny fielezan'ny famoniana, dia niverina an-dalambe ny mpanao fihetsiketsehana.
Miverina An-Dalambe Indray Ny Hetsika Libaney “Maimbo Ianareo”
Valo volana taorian'ny nidinana an-dalambe hanoherana ny fitombon'ny fako misavovona ao Libanona, tsy mbola mivaha ihany ny olana. Niverina an-dalambe indray ireo mpanao hetsipanoherana androany 12 Martsa.
Amazonia Peroviana: Miparitaka Indray Ny Solika Ao Amin'ny Lohasahandriak'i Rio Marañon
Tratry ny fiverimberenan'ny fiparitahan'ny solika ny faritr'i Marañón, mitete avy amin'ny fantsona any avaratr'i Però. Mitohy ny hamehana ara-tontolo iainana.
Mpirotsaka An-tsitrapo Manao Vonjy Voina Rehefa Loza Voajanahary, Mikolokolo Finamànana Eo Amin'ny Taiwanais Sy Japoney
" Nanampy anay ianareo, ary tsy namanareo akory aza izahay, noho izany dia mazava loatra fa tonga izahay hanampy. Ho mpinamana tsy mifankafoy i Japàna sy Taiwan manomboka izao."