Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Aogositra, 2011
Bangladesh: Fahafatesana Mahatsiravina Niteraka Fanarahamaso akaiky ny an-dalambe
Nahatohina ny Bangladeshi mafy tokoa ny fahafatesana tampoka nahazo ilaytale nahazo loka taminà famokarana sarimihetsika Tareque Masud sy ilay mpaka sary (cameraman) fanta-daza maneran-tany sady mpanao gazety amin'ny fahitalavitra Ashfaque Munier Mishuk tanaty lozam-pifamoivoizana. Misaona ny fahafatesan'izy ireo ny mponin'ny aterineto sady manontany mikasika ny fiarovana eny amin'ireo làlambe Bangladeshi.
Karaiba: Fanehoan-kevitra Tanàty Aterineto Mikasika Ny Fianjeran'Ilay Fiaramanidina Tany Guyana
Rehefa nipoaka ny vaovao ny voalohandohan'ny Sabotsy fa nisy fiaramanidin'ny Caribbean Airlines nianjera tany amin'ny Seranam-piaramidina Iraisam-pirenenan'i Cheddi Jagan tany Timehri, Guyana, nipetraka ny tontolon'ny bilaogim-paritra ary nandray an-tsoratra. Tao anatin'ny tantaran'ny faha-71 taonany, nidoka tena ho manana fiarovana tsy azo kianina ny zotram-piaramanidina mandra-pitrangan'ity loza ity.
Côte d'Ivoire : Misaona i Abidjan Taorian'Ilay Loza Mahatsiravina Niseho.
Andro manjombona ho an'i Cote d'Ivoire ny andro Zoma 5 aogositra. Olona 40 no namoy ny ainy ary sivy naratra noho ny fianjeran'ilay fiara tao anaty hantsana Ebrié niaraka tamin'ny...
Korea Atsimo : 41 No Maty Tao Anatin'ny Tondra-drano Mahery Vaika Sy Fihotsahan'ny Tany
Oram-batravatra be no namely an'i Korea Atsimo nandritra ny andro maro nifanesy, nahatonga firotsahana tany, tondra-drano ary fahatapahan-jiro. Farafahakeliny 41 ny olona maty ary 12 no mbola tsy hita hatramin'izao. Nandritra ilay loza voajanahary, Koreana Tatsimo maro no nizara fanavaozam-baovao, sary maro ary toro-hevitra mahasoa ho an'ireo tra-doza tamin'ny alalan'ny Twitter.