Vaky fo ny Breziliana taorian'ny nahamaizan'ny Mozeam-Pirenena, ny tranainy indrindra ao amin'ny firenena ary azo antoka fa mpiambina ny tantara voajanahary sy ny angona haiolona (antropolojia) lehibe indrindra ao Amerika Latina tamin'ny alahady 3 septambra, tao anaty afo izay niredareda nandritra ny alina.
Naorin'ny mpanjakan'i Portiogaly, D. João VI tamin'izany fotoana izany tao Rio de Janeiro tamin'ny taona 1818 ny mozea nasionaly. Napetraka tao amin'ny lapa iray manodidina izany vanim-potoana izany izy. Toeram-ponenan'ny fianakavian'ny mpanjaka Portogey sy Breziliana hatramin'ny taona 1889 ilay toerana. Tao ihany koa no toerana nanaovana ny Fivoriambe voalohan'ny Antenimieram-panorenana voalohany tao Brezila.
Nandritra ny 200 taona teo amin'ny tantarany – nankalaza ny tsingerin-taonany vao tamin'ny volana Jona tamin'ity taona ity ny mozea – nanangona zavatra teo amin'ny 20 tapitrisa teo izy. Na dia mbola tsy navoaka aza ny lisitra feno misy ireo zavatra main'ny afo, voamarina fa very avokoa ireo harena fahiny toy ny sisan-taolon'olombelona fahiny indrindra hita tany Amerika, zavatra fahiny avy tany Ejipta ary ny taratasy voalohany [ôrizinaly] nanafoana ny fanandevozana tany Brezila tamin'ny taona 1888.
Nanao vivery ny ainy tamin'ny alàlan'ny fidirana tao amin'ny trano mirehitra ireo olona sasany, anisan'izany ny mpiasan'ny tranom-bakoka sy ny mpahay siansa mba hanavotra zavatra sasany.
Na dia nihen-danja isan-taona aza ny isan'ny mpitsidika – betsaka kokoa ny Breziliana nitsidika ny Louvre tamin'ny taona 2017 noho ny Mozea Nasionaly – betsaka ny fanehoan-kevitra an-tserasera taorian'ny vaovaon'ny fahamaizana.
Mpanao gazety sady profesora Felipe Milanez nandefa mivantana ny tranom-bakoka mirehitra afo:
Mpisera Twitter iray nandefa sioka lavalava, ahitana sarin'izay mety very tao anatin'ny afo:
esquife da dama Sha-Amun-en-su. Egito, Época Baixa, c. 750 a.C pic.twitter.com/KuXW8tmizG
— tem que acabar o jovem (@leuavila) 3 de setembro de 2018
Zavatry ny Sha-Amun-in-su. Ejypta, Vanim-potoana mangatsiaka, c. 750 BC
Índios Ricbactas. Coroa radial, s.d. pic.twitter.com/EqidRQKsnY
— tem que acabar o jovem (@leuavila) 3 de setembro de 2018
Carajás Indiana. Saribakoly tanimanga (sary vongana), tsy misy daty. Ricbactas Indiana. Satro-boninahitra Radial, tsy misy daty.
E ainda tem o prédio em si: pic.twitter.com/ZtKvSNA1GB
— tem que acabar o jovem (@leuavila) 3 de setembro de 2018
Olona Yoruba. Saron-tavan'ny fiarahamonina vehivavy miafina Gelede, tsy misy daty. Ary mbola misy ny trano tenany
Manome tazana lavitra misy ny mozea talohan'ny nahamaizany ny lahatsary nalefan'ny pejy Facebook Realidade Simulada
Ny vokatry ny tsy fikolokoloana
Taorian'ny loza, tadidin'ny olona ny fomba tsy niraharahian'ny manampahefana ny Tranombakoka Nasionaly nandritra ny taona maro. Tantanin'ny oniversitem-panjakana Federaly ao Rio de Janeiro (UFRJ) izay zara raha mahazo famatsiam-bola hatrany ny mozea.
Luísa Nunes, mpianatry ny oniversite, nampahatsiahy tao amin'ny Twitter fa ity no fahamaizana lehibe indrindra faha-enina tao amin'ny tranoben'ny UFRJ hatramin'ny taona 2011.
2011, Palácio da Praia Vermelha.
2012, Faculdade de Letras
2014, Laboratório do Centro de Ciências da Saúde
2016, Reitoria
2017, Alojamento Estudantil
2018, Museu NacionalEsses são os prédios sob custódia da UFRJ que sofreram episódios de incêndio na última década.
— Luisa Nunes (@luisanunes) 3 de setembro de 2018
2011, Lapan'i Praia Vermelha.
2012, Sampana Taratasy
2014, Laboratoaran'ny Foiben'ny siansa ara-pahasalamana
2016, Birao
2017, Tranon'ny mpianatra
2018, Mozea NasionalyTranobe eo ambany fiahian'ny UFRJ izay efa nizaka fahamaizana marobe nandritra ny folo taona farany ireo.
Nandalo krizy ara-bola tsy mbola nisy toy izany ihany koa ny fanjakana ao Rio de Janeiro: nisy hatrany ny fampihenana ny karaman'ny mpiasam-panjakana, anisan'izany ireo mpamono afo. Maina ireo fantso-ndrano roa ao akaikin'ny tranom-bakoka, ka voatery maka rano eo amin'ny farihy eo akaiky ireo mpamono afo, very 40 minitra amin'ny asa.
Niharan'ny fampihenana nandritra ny efa-taona lasa ny tetibola isan-taonan'y tranom-bakoka, manodidina ny 500.000 reais isan-taona (125.000 dolara amerikana), hoy ny gazety eo an-toerana Folha de S.Paulo nanambara tamin'ny tantara iray tamin'ny May 2018. Mpisera Twitter DanPimpao, namoaka kisarisary mampiseho ireo vatsy betsaka nesorina tamin'ny tranombakoka hatramin'ny taona 2013:
Orçamento do Museu Nacional de 2013 até 2018. Análise vcs mesmos e tirem suas próprias conclusões. pic.twitter.com/d9qCTzqOq8
— Dan (@DanPimpao) September 3, 2018
Tetibolan'ny Mozea Nasionaly hatramin'ny taona 2013 ka hatramin'ny taona 2018. Ataovy ny fandalinana ary manaova tsoa-kevitra.
Tamin'ny tsingerintaonany faha-200, nanatontosa hetsika fanangonam-bola ny fitantanana mba hanokafana indray efitra lehibe ho an'ny angona harena, izay misy ny karandohan'i Maxakalisaurus, dinaozoro lehibe indrindra nangonina tao Brezila. 58000 reais no voaangona raha 30000 reais no tanjona tany am-boalohany – na dia ny hahatratra100000 aza no tena tanjona.
Profesora Stevens Rehen naneho hevitra tao amin'ny Facebook:
Na festa dos 200 anos, nenhum ministro de estado compareceu. O orçamento despencou de R$ 531 mil em 2013, para R$ 54 mil em 2018.
Esse ano todo o investimento do governo no Museu Nacional foi o equivalente a 1/4 do que cada deputado de Brasília recebe por mês somente para contratar assessores.
Tamin'ny fety faha-200 taona, tsy nisy minisi-panjakana nanatrika. Nidina avy amin'ny R $ 531.000 tamin'ny taona 2013 nankany amin'ny R $ 54.000 tamin'ny taona 2018 ny tetibola.
Tamin'ity taona ity, ny fitambaran'ny fampiasam-bolan'ny governemanta tao amin'ny Mozea Nasionaly dia mitovy amin'ny ampaha-efatry ny tetibolan'ny mpikambana tsirairay ao amin'ny Kongresy mba hanakaramana mpanolo-tsaina
Mpisera Twitter iray nampitaha ny fitambaram-bola tamin'ny fandaniana hafa ataon'ny governemanta:
O orçamento anual do museu nacional corresponde a:
– 30′ de propaganda eleitoral
– 0,0004% do custo de renovação do Maracanã
– o custo de 1 juiz federal/ano
– o custo da troca de carpete do Senado 3 anos atrás.
– o preço dos brincos de turmalina da coleção de joia do S. Cabral— Mathieu Le Roux (@matleroux) September 3, 2018
Ny tetibola isan-taona ho an'ny Mozea Nasionaly dia mitovy amin'ny:
– 30 minitran'ny fanentanam-pifidianana
– 0,0004% amin'ny lany tamin'ny fanavaozana ny kianjan'i Maracanã
– Ny lany amin'ny mpitsara federaly 1 isan-taona
– ny vidin'ny fanovana karipetra tao amin'ny Senà 3 taona lasa izay.
– ny vidin'ny kavina toromalinina amin'ny angona firavak'i Sergio Cabral [governoran'i Rio de Janeiro teo aloha, ary any am-ponja ankehitriny noho ny fiampangana azy tamin'ny kolikoly]
Tokony hahazo fanampiana fanampiny avy amin'ny Bankim-pirenena ho Fampandrosoana ny toerakerana sy ny sosialy ny mozea mba hametraka drafitra fiarovana amin'ny afo. Tokony natao tamin'ny volana Oktobra ny fametrahana izany voalohany.
Mpanao gazety Breiller Pires namintina ny fihetseham-po teo amin'ireo Breziliana mijery ny tranobe may sy tsy dia nisy zavatra firy natao:
O incêndio do Museu Nacional é a metáfora impiedosa de um país que menospreza a ciência, o conhecimento e, sobretudo, a história.
— Breiller Pires (@breiller) September 3, 2018
Ny fahamaizan'ny Mozea Nasionaly no fanoharana amin'ny firenena iray maniratsira ny siansa, ny fahalalana ary indrindra indrindra ny tantara.