· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Avrily, 2019

Palestina: Gaza eo ambany fahirano

Manampy ny feon'izy ireo ao anatin'ny tabataba iraisam-pirenena ny bilaogera manerana ny faritra satria tafiditra ao anaty haizina i Gaza. Nitarika fanakatonana ny tobin' herinaratra tokana ao amin'ny farittra noho ny tsy fisian'ny solintany ny fahirana efatr'andro nataon'i Israely.

Pakistan: Horohorontany tany Baluchistan

  23 Avrily 2019

Ny Alarobia maraina, nanozongozona ny ampahany atsinanan'i Pakistana ny horohorontany tamin'ny maridrefy Richter 6.5. Ziarat, faritra saro-dalana any Baluchistan no faritra tena voakasika mafy. Niteraka fahafatesan'olona maherin'ny 300, naratra an-jatony ary an'arivony tsy manan-kialofana lasa monina ankalamanjana ao anatin'ny ririnina mamirify izany.

Japana: Fandikanteny Ifarimbonana amin'ny Fotoan'ny Krizy

  16 Avrily 2019

Niditra teo amin'ny sehatra iraisampirenena i Japana rehefa voadonan'ilay horohorontany nahatsiravina tamin'ny 11 Martsa 2011. Raha toa ka nikoriana avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao ireo fanadihadiana, hatsaran-tsitrapo, torohevitra sy fanomezana ara-bola maro, nanao izay vitany kosa ireo olompirenena tsotra, tamin'ny fandraisana anjara tanatin'irep tetikasa fandikan-teny ifarimbonana ohatra.