Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Jona, 2017
Oman: Ny Fahavoazana Taorian'ny Rivodoza Phet
Namely an'i Oman andro vitsy lasa izay ilay rivodoza tropikaly Phet izay niforona avy any amin'ny Oseana Indianina. Ity no rivodoza lehibe faharoa izay nandalo tao Oman tao anatin'ny telo taona. Mitatitra momba ny fivoaran'ny zava-misy ny bilaogera ato anatin'ity lahatsoratra ity.
Andiana Bibin-tsaonjo Mpiantafika Rehefa Fahavaratra, Mandravarava ny Voly Any Amin'ny Firenena Afrikàna Marobe
Mety hiteraka fatiantoka hatramin'ny 70 isanjato amin'ny vokatra miakatra ity bibikely ity
Ireo Ankizy “Tsy Hita Maso” Maty Teo An-Tànan'ny Fanjakàna Shiliana
"Fantatray ankehitriny fa anjatony ireo ankizy maty , saingy tsy nisy olona nanao tatitra ny fahafatesan'izy ireny. Adino any ny fisian'izy ireny, satria ankizy izy ireny ary tsy misy miraharaha.."
Bahrain: Mpamono Olona Mangina Ny Etona [Anaty Fiara]
Mpifankatia ao anaty fiara mijanona ao amin'ny garazy. Mandeha ny fitaovana mpamaritra rivotra. Maty ny iray tamin'ireo mpifankatia. Tantara nomanin'ilay bilaogera Bahrainita Dr Haitham Salman ho antsika
Mirehitra i Gresy
Efa rentsika rehetra amin'ny vaovao amin'izao fotoana izao fa nirehitra i Gresy. Tonga tao amin'ny tanàna fahiny Olympia ny afo, toerana nahaterahan'ny Olaimpika sy misy ny Mozea Olaimpika, izay mampiantrano ireo angona vakoka fahagola (arkeolojika) lehibe indrindra ao Gresy.
Ny Fomba Niatrehan'i Sri Lanka ny Tondradrano Ratsy Indrindra Tato Anatin'ny Folo Taona
Mihoatra ny 100 no maty ary olona mihoatra ny 400.000 no nafindra toerana lavitry ny loza voajanahary nateraky ny tondradrano sy ny fihotsahan'ny tany. Io no tondradrano ratsy indrindra tao amin'ny firenena tato anatin'ny folo taona.
Shina: Tondra-dranom-pahavaratra Tantarain'ny Bilaogy
Tsy tahaka ny filazana teo aloha teto, sahirana tsy tahaka ny tamin'ny Nüwa ireo bilaogera tamin'ny fitateram-baovaon'izy ireo momba ny tondra-drano nahafatesana olona izay nandrava faritra maro tao Shina nandritra ny vanim-potoanan'ny orana tamin'ity fahavaratra ity .
Brezila: Tandindonin-doza Avy Amin'ny Doro Tanety Tsy Ara-dalàna Ny Valan-javaboarim-Pirenena
Tsy nitsahatra nirehitra tao anatin'ny iray volana ny Valan-javaboary Chapada Diamantina ary may ny 50 isanjaton'ny faritry ny ala ao aminy (mitovitovy habe amin'ny tanandehiben'i New York ).Nilaza ny manampahefana fa vokatry ny fanadiovan'ny mpiompy ny faritra ho an'ny hanim-biby no niatombohan'ny afo.
Egypta: Navotsotra Ireo Mpizaha Tany Nalaina An-keriny
Afaka ireo olona miisa sivy ambin'ny folo, anisan'izany ny vahiny mpizaha tany nalaina an-keriny tao Egypta 10 andro lasa izay. Naneho hevitra momba izany ireo bilaogera.
Ao India, Tsy Mahazo Fitsaboana Sy Ny Rariny Araka Ny Tokony Ho Izy Ilay Tafavoaka Velona Tamin'ny Herisetra An-tokantrano
Na dia tsy afa-miteny aza i Rajvat, nanome fanambarana an-tsoratra manamarina izy fa efa nangataka 50.000 ropia tamin'ny ray aman-dreniny ny vadiny mba hividy môtô. Nandrahona ny hamono azy ny vadiny raha tsy hanome ny vola izy.