Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Desambra, 2019
Mampivarahontsana ao Bangladesh ny fiakatry ny vidin'ny tongolobe
Miha-ratsy ny krizinà tongolo ao Bangladesh miaraka amin'ireo fahatarana misy amin'ireo mpiara-miasa hatrizay tamin'ny fanafarana sy ireo vidiny mitombo avo enina heny. Maka an'ireo tongolo entina amin'ny fiaramanidina ny governemanta mba hamaliana ny tinady.
Satria mankalaza ny faha-15 taona ny Global Voices, ireto ny lahatsoratra notsongain'ny ekipa Karaiba
Tsingerintaona faha-15, GV! Nisafidy ny lahatsorany 15 tsara indrindra tamin'ity taona 2019 ity ny ekipa Karaiba, manomboka amin'ny fihetsiketsehana mahery setra an-dalambe, ny krizin'ny mpitsoa-ponenana ary ny tantaran'ny rariny. Fizarana voalohany amin'ny dimy.
Voampanga ho nanao herisetra ny polisy Indiana rehefa nanaparitaka ny fihetsiketsehana manohitra ny CAA tarihin'ny mpianatra ao Delhi
Fantatra fa hitohy manerana ny firenena ny fihetsiketsehana sy ny diabe mba hitakiana fandraisana andraikitra amin'ny herisetran'ny polisy amin'ireo mpianatry ny oniversite Jamia Millia Islamia ary koa ny fanafoanana ny Citizenship Amendment Act.
Manempotra ny renivohitr'i India ny mololo mirehitra sy ireo renirano maloto
Tamin'ity taona ity, miatrika krizy henjan'ny loto ny faritry ny renivohitra nasionaly Indiana satria tsy voafehy intsony ny zavona manempotra ary mandrakotra ny renirano Yamuna, izay efa tena maloto loatra, ny roatra misy poizina.