Ejipta : Ravan’ny afo ny foiben’ny ‘’Antokon’ny Rahampitso’’

(Marihina fa tamin'ny volana Novambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ho tohin’ny andiana trano may nitranga tao Ejipta dia indro entina amintsika indray ny tantaran’ny fahamaizana trano iray hafa izay nitranga tao amin’ny foiben’ny antoko politika Hizb al-Ghad (Antokon’ny Rahampitso) tao Kairo.

Nanambara ny vaovao ilay bilaogera Zeinobia :

Par Noura Younis, «le siège du parti Al Ghad à Al Tahrir a été entièrement détruit par un incendie après une réunion de haut niveau !!??»

Le parti libéral Al Ghad est le parti d'opposition du Dr Ayman Nour qui est actuellement en prison, accusé de faits qui n'ont convaincu personne.

Il y avait un conflit entre les forces dirigeantes du parti pour déterminer qui en prendrait la direction.

Avy amin’i Noura Younis, « taorian'ny fivoriana faratampony, simban’ny afo tanteraka ny foiben'ny antoko Al Ghad ao Al Tabrir!!?” 

Ny antoko liberaly Al Ghad dia antokon’ny mpanohitra tarihin’i Dokotera Ayman Nour izay any am-ponja ankehitriny ary voampanga tamin’ny raharaha izay tsy naharesy lahatra ny olona.

Nisy ny fifandonana teo amin’ireo mpitondra ny antoko momba izay olona hitarika izany.

Fanavaozam-baovao 1 : Araka ny tranonkalan’ny Asa Fanaovan-gazetin’olon-tsotra Abn Masr (amin’ny teny Arabo ; sary), ny ady nisy teo amin’ireo mpanohana an’ i Ayman Nour sy ny an’ i Moussa, mpifanandrina amin’i Nour izay te hitarika ilay antoko, no nahatonga ny afo. Etsy andanin’izany, miandany amin’ny fitondrana i Moussa.

Nanoratra ny Egyptian Citizen hoe :

Aujourd'hui la Sécurité égyptienne et de nombreux casseurs ont attaqué le parti Elghad, mis le feu, et saccagé le siège [du parti].

Des témoins affirment que les casseurs qui ont saccagé et incendié le parti font partie des supporters de Moussa Mustafa Moussa, qui est un dissident du parti Elghad, dirigé par le Dr Ayman Nour.

Grâce aux relations suspectes entre  Moussa Mustafa Moussa et la Sécurité égyptienne, cette dernière a essayé de l'aider à prendre le contrôle du parti Elghad (Ayman Nour).

Et le résultat, c'est toute cette destruction.

Ankehitriny, nanafika ny antoko Elghad ny Mpitandro ny Filaminana Egyptiana sy ireo jiolahimboto maro, nandrehitra ny afo ary nandroba ny foibe [ ny antoko].

Nilaza ireo nanatri-maso fa anisan’ireo mpanohana an’i Moussa Mustafa Moussa ireo mpandroba sy nandoro ny antoko, izay nisintaka tao amin'ny antoko El Ghad tantanan’i Dokotera Ayman Nour.

Noho ny fifandraisana nampiahiahy nisy teo amin’ i Moussa Mustafa Moussa sy ireo Mpitandro ny Filaminana Egyptiana, niezaka nanampy azy hifehy ny antoko El Ghad ( Ayman Nour) ity farany.

Izao faharavana tanteraka izao no vokatr’izany.

Niresaka momba ny fitantaran’ny vavolombelona iray ilay bilaogera Nidaal :

و من الغريب أن ميدان طلعت حرب فى ألايام الغير متوترة يعج بقوات ألامن بينما اليوم خاصة بدا و كأن قوات ألامن فى أجازة ولم يكن لهم أى نشاط فى منع البلطجية من أقتحام الحزب و كان _بحسب شهادة شهود الواقعة _ يقوم البلطجية بقطع خراطيم المياه الخاصة بقوات الاطفاء ويعتدون عليهم عند رفضهم وكل ذلك تحت نظر ألامن .

Ny mahagaga dia ity, matetika feno polisy ny kianjan’ny Talaat Harb ; androany anefa toa tahaka ny hoe tsy miasa izy ireo. Tsy ao anatin’ny asan’izy ireo ny nanakana ireo jiolahimboto rehefa nanafika ny antoko izy ireo. Ary araka ny filazan’ireo nanatri-maso, notapahin’ireo jiolahimboto ny fantson’ireo mpamonjy voina, ary notafihany raha nanohitra izy ireo. Nitranga izany rehetra izany, raha faly nitazana fotsiny ireo mpitandro ny filaminana.

Nitanisa izay nolazain’ny namana iray taminy ihany koa ny Skeptic momba ny antony nahatonga ny afo.

Un ami qui y était raconte que la bagarre a commencé quand l'épouse d'Ayman Nour, Gamila Ismaïl, a refusé de quitter le siège et a lancé des imprécations : «A bas Moubarak !» On rapporte que les partisans de la faction pro-gouvernementale ont répliqué : «Descends de là, espèce de putain !»

Nisy namana iray teo an-toerana nitantara fa nanomboka ny ady rehefa tsy nety niala ny foibe ny vadin’i Ayman Nour, i Gamila IsmaÏl, ary nanozona hoe : “Miala Mubarak” Voalaza fa namaly ireo mpanohana ny governemanta tohanan’ny elatra havanana hoe :  “Midina aty, ry ilay vehivavy adala ity !”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.