· Avrily, 2011

Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Avrily, 2011

Chile: Nanafaingana Ny Fitaterana Taova Ny Mpitsabo Mpanampy iray Tamin'ny Alalan'ny Twitter

  27 Avrily 2011

Cristina Bizama (@cristi_enf), mpitsabo mpanampy ao amin'ny tobim-pitsaboana Talca any Chili, dia nahavita nanafaingana ny fitaomana ny taova hafindra avy any Talca mankany Santiago renivohitra, any amin'ny 260 kilometratra miala avy ao. Tweet iray no nanombohan'ny zava-drehetra: "Tsy mampino! Tsy misy fomba hitaterana taova 5 mankany [Santiago]." Avy hatrany dia nandray andraikitra ny vondrom-piarahamonin'ny Twitter.

Belarosia:Ny Ambadiky ny Baomba sy ny Fipoahana

Tsy mbola levona akory ny setroka naterak'ilay fipoahana tao amin'ny Metro ao Minsk tamin'ny Alatsinainy, ny fanontaniana roa manao hoe : "Inona no tokony hatao? - Iza no tompon'andraikitra?" no apetraky ny tontolon'ny fitorahana bilaogy Belarosiana. Firehan-kevitra roa lehibe no mibahana, fiampangana na ny Filoha President Lukashenko na ny mpanohitra ara-politika, na eo aza ny fihetseham-po lalina mankany amin'ireo niharan-doza toa mampiray ny vahoaka ao Minsk.

Fanadihadiana miaraka amin'i Gaël Brassac, Mpandika Teny Global Voices

  16 Avrily 2011

Tohizanay ny famoahana ny mombamomban’ ny  Mpandray anjara Global Voices amin'ny teny malagasy, izay mpandray anjara mavitrika manome fahafaham-po ho an'ireo mpamaky ny lahatsoratra bilaogy amin'ny fiteny maro samihafa. Ny fitiavana firenena manokana matetika no antony iray mahatonga ny mpamaky lasa mpandray anjara ato amin'ny Global Voices. Japana no tena...

Belarosia: Fihetseham-po taorian'ny fipoahana tao anaty metro

Nahafaty olona 12 hatramin'izao ny baomba nipoaka tao anatin'ny fiantsonana ktyabrskaya, métro any Minsk ny 11 aprily 2011 teo, ary an-jatony ireo naratra. Vetivety kely taorian'ny loza niseho, nandray ny fampaherezana nalefa tamin'ny tweet ireo fianakaviana sy naman'ireo niharam-boina tamin'ny alalan'ny tenifototra #minsk sy #minskblast (fipoahan'ny minsk). Nitanisa vavolombelona maromaro tao an-toerana...

Serbia: Famaliana ny soa nataon'i Japoney

  08 Avrily 2011

Manao tatitra mikasika ny finiavan'ny vahoaka Serba eo amin'ny fanampiana ireo Japoney niharam-boina tamin'ny zava-doza niseho i Sasa Milosevic ary namaly am-pankasitrahana ny fanampiana natolotr'i Japana ho an'i Serba ny vahoaka Serbiana.