Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Desambra, 2012
Mamono Syriana Milahatra Mofo Ny Hery an'habakabak'i Assad
Nanatanteraka tifi-danitra namono olona ny governemantan'i Syria – tamin'ireo Syriana nilahatra mofo tany amin'ny trano fivarotana mofo tany Halfaya, any Hama. Eo amin'ny 90 ka hatramin'ny 300 eo ireo olona...
Etazonia: Mitsangana Hanarina Ny Faharavana Ny Occupy Sandy
Iray volana izay no nisian'ilay tafio-drivotra Sandy nandravarava tao Avaratra-Atsinanan'i Etazonia; na dia izany aza, mbola mitohy foana ny ezaka famonjena taorian'ity loza voajanahary ity. Raha nitady famonjena ho an'ireo...
Rivo-Doza Nandringana Ain'Olona Tany Filipina: “Nanidina Daholo ny Zavatra Rehetra. Tena Tsy Nampino.”
Mopera Joel Tabora namintina ny haben'ny fahavoazana tamin'ny fandalovan'ilay rivo-doza Pablo tany amin'ny faritra atsimon'i Filipina: "Toy ireny miditra aminà faritra misy ady ireny ny miditra ao amin'ny Monisipaly Compostela, akondro aminà hekitara sy hazo fihinam-boa maro no nidaboka. Tsy manan-kohanina ny olona any zao. Tsy misy rano madio. Tsy misy onjam-pifandraisana. Afaka roa volana raha kely indrindra vao andrandraina ho tafaverina ny herinaratra."
Fanafihan'ireo Vondrona Mpikomy Tao Ndélé sy Bria Ao Amin'ny Repoblikan'i AFrika Afovoany
Tao anatin'izay herinandro lasa izay, notafihan'ireo mpikomy ny tanànan'i Ndélé sy i Bria ary nandrahona ny fitondran'ny filohan'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany François Bozizé izy ireo. Tsy manankery intsony ankehitriny ireo fifanekena momba...
Hamehana Noho Ny Ranomandry Ao Okraina Andrefana
Ny Alahady 16 Desambra, anjatony ireo fiara no voageja teny an-dalamben'i Okraina Andrefana noho ny tafiotran-dranomandry mavesatra nisy. Araka ny nambaran'ireo mpampita vaovao mahazatra isan-karazany sy ny tatitr'ireo fampahalalam-baovaon'olon-tsotra, enjana be ny zava-nisy, satria marobe tamin'ireo tavela tany anatin'ny fiarany no nanomboka lany vatsy, rano sy solika, nefa ny toetrandro tsy nihatsara mihitsy.
Ravan'i Pablo Tafio-drivomahery Tropikaly Mahery Ny Tapany Atsimon'i Filipina
Namela marikanà faharavana ny rivodoza tropikaly Pablo (anarana iraisam-pirenena: Bopha) tany amin'ireo faritra samihafa any amin'ireo nosy any atsimon'i Filipina, Mindanao, Leyte, Cebu, ary Negros taorian'ny nidirany ny firenena ny 4 Desambra lasa teo. Pablo no rivodoza mafy indrindra nandona an'i Mindanao.
Syriana 40.000 No Namoy ny Ainy Tao Anatin'ny 20 Volana
Vahoaka maherin'ny 4 tapitrisa no fantatra fa hila fanampiana ao Syria amin'ny fiandohan'ny taona 2013. Izany no lohateny navoakan'ny gazetin'ny Firenena Mikambana miresaka ny momba ny maha-olona ao Syria tamin'ny 11...
Mirongatra ny andiam-balala ary manambana Kere ny faritra Atsimon'i Madagasikara
Namoaka fambaraloza ny governemanta Malagasy [fr]: Le Gouvernement malgache a la déclaré l'etat d'ALERTE NATIONALE suite à une invasion de criquets dans le sud qui ravagent les cultures et menace...
Mivoaka Ny Trano Fidiovana: Haiti Sy Ny Andro Manerantany Ho An'ny Lavapiringa
Andro iraisam-pirenena amin'ny fampiasana lavapiringa ny 19 novambra. Ao anatin'ny mponina eran-tany 7 lavitrisa, 2.5 lavitrisan'ny olona no tsy afaka mampiasa lavapiringa madio - zany dia eo ho eo amin'ny olona 1 amin'ny 3. Ny sasany amin'izy ireo mipetraka any Karaiba; maro amin'izy ireo no mipetraka any Haiti - ary ny tsy fisian'ity zo fototra mahaolona momba ny fidiovana ity no mbola mampirongatra ny aretina sy ny fahafatesana amin'ny tsy antony.