· Aogositra, 2017

Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Aogositra, 2017

Japana: Ny Zotra Haingam-pandeha ao Yamanote 

  23 Aogositra 2017

Tany am-piandohan'ity herinandro ity, mpiasa handeha hiasa miisa 20.000 teo ho eo tao Tokyo no voatery niandry 20 minitra rehefa nisy vehivavy iray 40 taona nanomboka nihazakazaka rehefa avy nitsambikina teo amin'ny lalambin'ny Zotra Yamanote [ja], iray amin'ireo lalamby be mpampiasa indrindra ao an-tanàndehibe.

Maraoka: Tondradrano Mahatsiravina Tany Tanger

  23 Aogositra 2017

Nandritra ny taona vitsy lasa izay, niaina haintany i Maraoka. Indrisy anefa fa nifarana tamin'ny oram-batravatra izay niteraka tondradrano mahatsiravina tany avaratr'i Maraoka izany haintany izany. Olona miisa 13 no maty farafahakeliny .

Koety: Ny Fifangaroan'ny Havandra, Orana, Rivotra Ary ny Vovoka Mahatsiravina

(Marihina fa tamin'ny 12 Aprily 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy) Tsy mahazatra tamin'ity taona indray mitoraka ity, namely an'i Koety ny karazana ‘Tadio kely,’ izay nahitana “ny fifangaroan'ny havandra, orana, rivotra, vovoka, ary rivotra nifofofofo mahatsiravina ” araka ny tenin'ny bilaogera Kuwaitism. Niaraka tamin'ny finday sy ny fakantsary...