Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Avrily, 2017
Nalaza tao amin'ny Twitter ny “Faly Aho avy ao Tohoku” Taorian'ny Teny Tsimifaditrovana Nataon'ny Politisiana Japoney Iray
Niteraka tenirohy malaza ao amin'ny Twitter fanohanana ny faritra Tohoku ao avaratra atsinanan'i Japana sy fitakiana fialan'ilay minisitra ny fanamarihana feno fahamafisam-po nataon'ilay minisitra Japoney iray mpikambana ao amin'ny kabinetra.
Loza Mahatsiravina Tao Sri Lanka, Azo Nosorohana Tanteraka
Taona maro lasa izay, efa nihevitra ny hamongotra ilay toerana fanariana fako ireo manampahefana ary hamadika azy ho “toerana iray mahafinaritra.” Tsy tanteraka mihitsy anefa ity drafitra iray be fangirihana ity, ary ankehitriny dia miatrika ilay tahotra faran'izay ratsy indrindra noeritreretiny ireo mponina ao an-toerana.
Tetikasa Fametrahana an-Tsarintany Ifarimbonana ireo Toerana Marefo Indrindra Hanatsarana ny Vonjy Voina

Mampiaraka ny asan'ny mpirotsaka an-tsitrapo mandray anjara any lavitra any, ireo mpitarika ny fiarahamonina eny ifotony ary ireo fikambanana mpamonjy tra-boina ny Tetikasa Miising Maps
31 Taona Aty Aoriana, Niverina ny Hazavana Ao Chernobyl

Tamin'ny herinandro lasa, nisy andianà poloney mpandehandeha nanapaka hevitra ny handrehitra indray ireo jiro ao Pripyat, tanana haolo any amin'ny efatra kilaometatra mahery miala ny vondrom-pihary herinaratra ao Chernobyl
Nanome Fitaterana Maimaimpoana Ny Mpamily Fiarakaretsaka Sy Ny Olon-tsotra Taorian'ny Fanafihana Tao Saint-Petersbourg

Rehefa voatery nakaton'ny manampahefana ny metro-n'i St. Petersburg noho ny fanafihana, dia nifanampy tamin'ny fomba lehibe ireo mponina tao an-tanàndehibe.
Ny Firaisankina (Peroviana) no Hery Manoloana ny Tondradranon'ny Volana Martsa
Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny volana Martsa, tanàna maromaro tao Però no nitolona tamin'ny orambe, tondra-drano, fihotsahan'ny tany, fahatapahan-dalana toa tsy misy fiafarana, ary fikatonan'ny sekoly avy eo, andro vitsy monja taorian'ny fisokafan'ny taom-pianarana 2017.