Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Jona, 2021
Lisitra nandaharana sarimihetsika maitso: Sarimihetsika fohy aziatika miresaka tontolo iainana
Asongadin'ireo sarimihetsika ireo ny tolon'ireo vondrompiarahamonina isankarazany hiarovana ny tanin-dry zareo, ny tontolo iainany ary ny lovany ara-kolontsaina.
Ireo tantara sangany tao amin'ny Global Voices niresahana fanimbàna tontolo iainana, nefa ny planeta teo ampiatrehana ny Andro Erantany ho an'ny Tontolo Iainana
Nandritra ny taona marobe, tena nanao tatitra betsaka momba ny olan'ny tontolo iainana ny Global Voices, ary iray amin'ireo nifantohan'ny tantara tato aminay ny fomba fiantraikan'ny fandravàna tontolo iainana, ny rohivoahary efa marefo noho ny asan'ny olombelona.
Ireo tantara sangany tato amin'ny Global Voices niresahana ny fahamaroam-piainana, raha eo am-pankalazàna ny Andro Erantany ho an'ny Tontolo Iainana izao ny planeta
Fantina amin'ireo tantara tsara indrindra vao haingana tato amin'ny Global Voices manasongadina ny lanja mavesatry ny fahamaroam-piainana sy ireo fanamby ary zavabita marobe vita mifandraika amin'ireny ezaka ireny nanerana izao tontolo izao.
Nanome fanampiana sy nivavaka i Pakistan amin'ny ady mafy amin'ny COVID-19 atrehin'i India
Nahatonga firaisankina sy fanohanana avy any Pakistan, ilay firenena mpifanila vodirindrina aminy sady fahavalony efa hatry ny ela, ny toe-draharahan'ny COVID-19 mahatsiravina tany India satria nifanatona noho ny valan'aretina ireo firenena ireo.