· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Desambra, 2018

Ejipta: Nidal Hassan – Mpitsabo Aretin-tsaina sa Marary Saina?

Mpitsabo aretin-tsaina ao amin'ny tafika Amerikana izay teratany Arabo ny Major Nidal Hassan izay nanao ilay fitifirana faobe tao Fort Hood tao Texas, namonoany miaramila 12 ary olontsotra iray. Miatrika fiampangana mikasika vonoolona nokasaina izy ankehitriny. ''Mpitsabo Aretin-tsaina sa Marary Saina?'', hoy ireo blaogera Ejiptiana manontany.

31 Desambra 2018

Chernobyl: Taratasy Tsy Nosoratana Mihitsy

Manoratra mikasika ny zavatra niainany tamin'ny naha miaramila noterena hanompo tany Chernobyl 20 taona lasa izay (Rosiàna) ny mpampiasa LJ wall4 - avy any Lviv, Okraina, izay ankehitriny monina ao Connecticut. Arahina sary marobe miloko fotsy sy mainty an'ny tafika ilay tantara.

31 Desambra 2018

Però: Bilaogera avy ao Ica

Ny tanànan'i Ica no tena voakasiky ny horohorontany Peroviana manokana vao haingana. Maro amin'ireo fanavaozam-baovao sy antso ho an'ny firaisankina no avy amin'ireo bilaogera ao an-tanànan'i Lima. Nikaroka ireo bilaogera avy ao an-tanànan'i Ica ny mpanoratra ao amin'ny GV, Juan Arellano ary nahita ireto bilaogy ireto.

29 Desambra 2018

Però: Fitantarana antserasera momba ny horohorontany

Nahatratra 337 ankehitriny ny isan'ireo namoy ny ainy tamin'ny horohorontany tany Ica, any Però. Ny isan'ireo naratra kosa dia 827. Mbola tsy nivoaka tamin'ny gazety Lima, El Comercio na RPP izany tarehimarika izany, tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity.

28 Desambra 2018

Oganda: An-jatony no maty tamin'ny fihotsahan'ny tany

Olona miisa 80 farafahakeliny no maty ary mihoatra ny 300 no tsy hita tany atsinanan'i Ogandà ny alatsinainy hariva noho ny fihotsahan'ny ranom-potaka . Ny fihotsahan'ny ranom-potaka vokatry ny oram-batravatra dia nitelina tanànakely telo tao amin'ny distrikan'i Bududa ary namindra olona maherin'ny 2.000 niala ny tranony.

28 Desambra 2018