Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Janoary, 2012
Azia Atsimo Andrefana : ny tondra-drano goavana indrindra tamin'ny taona 2011
Namely ny faritra Azia Atsimo Andrefana ny ora-mikija tamin'ny taona 2011 ary niteraka tondra-drano tamin'ny firenena maro, voatery nafindra toerana ny mponina sy mpiasa aman'arivony maro, potika ny fambolena an-tapitrisany,...
Shily : Firehetan'ny Valanjavaboarim-pirenena Ao Torres del Paine Niteraka Fahatafintohinana
Firehetana iray mahatsiravina no niteraka fahatohinana teo amin'ireo Shiliana mpiondana aterineto izay naneho ny ahiahy, ny hatezerana, ny alahelo ary ny fanantenan-dry zareo ny mba hifehezana haingana izany firehetana izany tany anatin'ireo tambajotra sosialy. Ny lohahevitra nironana betsaka, "Torres del Paine" sy ny tenifototra #salvemostorresdelpaine (ndeha hamonjy an'i Torres del Paine), dia nampiasaina mba ho fampahafantarana sy handefasana ireo fanehoan-kevitra mikasika ilay firehetana.
Filipina: Ny Rivomahery Sendong Sy Ny Media Sosialy
Ireo niharam-boina tamin'ny rivomahery Sendong, ny fianakavian'izy ireo, sy ireo namana, any Filipina dia mampiasa media sosialy mba hitadiavana ireo niharam-boina tsy hita popoka, handaminana sy hanangonana ireo ezaka famonjena, hitahirizana sary sy ny mahakasika ny fahasimbàna.